“Web 2.0 Ho An'ny Rehetra” Manamafy Ny Fahaizana Azy ao Bolivia

(Marihana fa efa tamin'ny Febroary 2009 no nivoaka ny lahatsoratra tamin'ny teny Anglisy)
afiche_web20_paratodos.jpg

Na dia eo aza ny tosaka ambany amin'ny aterineto any Bolivia (anisan'ny ambany indrindra any Amerika Latina, 4.4% raha ampitahaina amin'ny 36.1% ao Shily, araka ny filazan'ny El Deber), tapa-kevitra hanaparitaka ny Web 2.0 mihoatra noho ny sangany tsara fifandraisana amin'ny aterineto ao Bolivia ny tetikasa fampahalalam-baovaon'olon-tsotra sy nahazo vatsy tamin'ny Rising Voices Voces Bolivianas. Nanomboka tamin'ny Zoma ny hetsika farany indrindra nataon'izy ireo, Web 2.0 ho an'ny Rehetra, izay nahitàna hetsika ho an'ny daholobe tao Cochabamba, ary narahin'ny atrikasa lehibe mikendry hampianatra amin'ireo Boliviana bebe kokoa mikasika ny fomba handrenesana ny feon'izy ireo sy hahazoana tombontsoa ara-tsosialy avy amin'ny fitaovana toy ny Twitter, bilaogy, ary tranonkala isan-karazany fifampizarana sary sy lahatsary.

Nanomboka tamin'ny teny fampidiran'i Anne Arrázola momba ny Web 2.0 ny hetsika ho an'ny daholobe tamin'ny Zoma. Nandrindra lahavolana momba ny tantaran'ny Voces Bolivianas sy ny atrikasa fampiofanana avy eo i Hugo Miranda.

http://static.slideshare.net/swf/ssplayer2.swf?doc=voces-bolivianas-y-los-blogs-1233358804695827-1

Nampahafantatra ny Twitter i Mario Duran, izay nampian'i Daniel Sempertegui sy Virginio Sandy, ary nanatontosa ny fampianarana i Alexis Argüello raha bilaogera maro kosa no nanazava ny fomba famoahana sary sy lahatsary ao amin'ny tranonkala. Farany, niresaka momba ny fampiasana rindrambaiko maimaimpoana mba hampihenana ny hantsana nomerika i Maria Amparo Carvajal sy i Nicomedes Flores.

Nicomedes, talen'ny Ivontoerana Manuela Garandillas misahana ny Jamba indray nanampy tamin'ny famolavolana fitaovana open source ahafahan'ny mpiserasera jamba mandray anjara mora kokoa ao amin'ny tranonkala sosialy.

http://dotsub.com/media/faef4d0f-a382-4314-a142-3bf307e0068c/e/m

Notontosaina tao amin'ny mARTadero ny hetsika misokatra ho an'ny rehetra, izay, araka ny fitenin'i Anne Arrázola, “mpamelona ny zavakanto, ary manana tanjona amin'ny fanovana ara-tsosialy tompon'andraikitra amin'ny alalan'ny kolontsaina sy ny zavakanto.”

3213639814_a70eda6cef.jpg

Tokotany ao amin'ny mARTadero

Efa nanoratra ny hevitr'izy ireo sahady momba ny hetsika ny sasany tamin'ireo bilaogera nanatrika izany. Aeromental, menavazana eo amin'ny tontolon'ny bilaogy Boliviana, nanoratra hoe:

La verdad sobrepasó todas las expectativas, fue un muy buen evento realizado en Cochabamba – Bolivia de los que me parece o hay pocos o ninguno en esta ciudad. espero este sea un paso firma a seguir promoviendo la Web 2.0 y los Blogs a todo tipo de personas, sin límites de edad, credo o situación económica. Incluso se pudo conocer a un Blogger que carece de vista pero postea y responde comentarios.

Ny marina dia mihoatra noho izay rehetra nantenaina ny hetsika. Hetsika tena tsara karakara tao Cochabamba – tanàna izay vitsy na tsy ahitana mihitsy karazana hetsika toy izao. Manantena aho fa dingana mivaingana hanohizana ny fampiroboroboana ny Web 2.0 sy ny bilaogy eo amin'ny karazan'olona rehetra izany, tsy hijerena taona, finoana, na harena. Afaka mihaona amina bilaogera mpandefa lahatsoratra sy mamaly fanehoan-kevitra izay tsy mba hitanao maso mihitsy aza ianao.

Tamin'ny fampahafantarana voalohany ny Twitter, namariparitra ny fomba nandikàna ireo hafatra fohy avy amin'ireo mpiserasera Boliviana tamin'ny andro nanaovana ny fitsapan-kevibahoaka tamin'ny teny Anglisy sy Poloney tao amin'ny Global Voices ary avy eo naseho tao amin'ny tranonkalan'ny New York Times ilay mponina ao El Alto Mario Duran.

3241818482_9f9fa74b1c.jpg

Bilaogera sy mpandray anjara tamin'ny Voces Bolivianas Virginio Sandy.

Rahampitso, hotohizana amin'ny fivoriana anatiny miaraka amin'ireo mpikambana ao amin'ny Voces Bolivianas ny andro fahatelo sady farany amin'ny hetsika Web 2.0 ho an'ny rehetra. Hanararaotra ny fotoana iarahany izy ireo mba hihaonana mivantana sy hiresahana momba ny toerana tian'izy ireo hitondrana ny Voces Bolivianas amin'ny taona 2009 sy any ivelany.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.