Tantara tamin'ny 19 Aogositra 2017
Shina: Lalaon-Tabataba
Mpanesoeso hatrany kanefa tsy mpankahala velively, namoaka azy ity androany (ary io ihany) ilay bilaogera mpanao hatsikana Wang Xiaofeng tamin'ny lohateny hoe 'lalaon-tabataba ', kilalaon-teny Shinoa iray manoloana ny Lalao Olaimpika
Mpanao Gazety Antserasera Yemenita Nandefa Antso Fiarovana Maika Taorian'ny Fandrahonana Azy Ho Faty sy Ny Fijirihana Ny Tranonkalany
Mohamed Al-Jabali, tonian-dahatsoratry ny tranonkala Akhbaralasr no niharam-boina farany tamin'ny onjam-pandrahonana mikendry ireo bilaogera sy mpanao gazety antserasera ao Yemen. Tamin'ny fanambarana natao omaly, niantso fiarovana i Al-Jabali rehefa nahazo fandrahonana ho faty avy amin'ireo mpitandro ny filaminan'ny fitondrana
Ejypta: Didy Vaovao Fampidirana Am-ponja an'ilay Bilaogera Efa Migadra Hatramin'ny Taona 2007
Tamin'ny fihetsika tsy nisy fanazavana, namoaka didy fanagadrana vaovao ho an'ilay bilaogera sady mpikatroka, Mos'ad Abu Fagr ny minisiteran'ny atitany Ejiptiana.
“Web 2.0 Ho An'ny Rehetra” Manamafy Ny Fahaizana Azy ao Bolivia
Tapa-kevitra hanaparitaka ny Web 2.0 mihoatra noho ny sangany tsara fifandraisana amin'ny aterineto ao Bolivia ny tetikasa fampahalalam-baovaon'olon-tsotra sy nahazo vatsy tamin'ny Rising Voices, Feon'ny Boliviana.
Nosakanana Tao Shina Ny Fetibe Gala Lohataona Shanzhai
Ny takarivan'ny 25 janoary 2009, tany an-trano ny ankamaroan'ny Shinoa ao amin'ny tanibe Shina, mankafy ny taona sy sakafo hariva teo am-piandrasana ny Taombaovaon'ny Volana. Fialam-boly mahazatra amin'ny alina eo anivon'ny fianakaviana ny mijery ny Fetibe Gala Lohataona alefan'ny CCTV. Tamin'ity taona ity, afaka nanana safidy izy ireo, na izany aza
Shina: Bilaogera Malaza Voatsatoka Antsy
Adiny roa izay, nitatitra i Zola avy ao amin'ny twitter fa nahazo antso an-tariby avy amin'i Guo Jian-loong milaza fa voatsatoka antsy indroa tao amin'ny trano fivarotam-boky, One Way Street, tao Beijing ilay bilaogera malaza sady mpanoratra tantara Xu Lai ao amin'ny ProState in Flame, rehefa avy nitafatafa tamin'ny vahoaka.