- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Bosnia Sy Herzegovina: Tsingerintaonan'i Srebrenica

Sokajy: Eoropa Afovoany & Atsinanana, Eoropa Andrefana, Bosnia Herzegovina, Holandy, Serbia, Ady & Fifandirana, Fifandraisana iraisam-pirenena, Fivavahana, Foko sy Fiaviana, Hafanàm-po nomerika, Lalàna, Mediam-bahoaka, Politika, Tantara, Zon'olombelona

(Marihina fa tamin'ny 12 Jolay 2008 no nanoratana ny lahatsoratra teny anglisy)

Nankalaza [1]ny faha-13 taonan'ny fandripahan'olona tao Srebrenica [2] i Bosnia sy Herzegovina omaly 11 Jolay izay nofaritan'ny [3]Fitsarana iraisampirenena tao La Haye tamin'ny taon-dasa ho famongorana  [3]mamely ny mponina Miozolomana tao amin'ny faritra.

(Do not [4] avy amin'i Kitestramrt [5], nampiasàna Lisansa Creative Commons)

Araka ny tatitra [6]nataon'ny bilaogy Bosnia News, nalevina nandritra ny lanonana natao tao amin'ny Foibe Potočari Memorial [7] akaikin'i Srebrenica ny sisapaty tamin'ireo niharan'ny fandripahana miisa 307 vao fantatra, teo akaikin'ny toerana nisy an'ireo lasibatra hafa mihoatra ny 3.000 izay efa nalevina teo amin'ny toerana:

The remains of 307 genocide victims, aged between 15 and 84, were exhumed from mass graves after the end of the 1992-1995 Serbian aggression against Bosnia and identified by DNA analysis.

After leading mourners in prayer, Head of the Bosnian Islamic Community Reisu-l-ulema Mustafa Ef. Ceric called on the European Parliament to proclaim July 11 a day of mourning across the continent.

Nalevina tao amin'ny fasana faobe ny sisapaty tamin'ireo niharam-boina tamin'ny fandripahana miisa 307, teo anelanelan'ny 15 ka hatramin'ny 84 taona, taorian'ny fiafaran'ny herisetran'ny Serba tamin'ny taona 1992-1995 tamin'i Bosnia ary nofantarina tamin'ny alàlan'ny fitiliana ADN.

Taorian'ny fitarihana fisaonana nandritra ny vavaka, niantso ny Parlemanta Eoropeana  ny lehiben'ny Vondrom-piarahamonina Islamika  Bosniaka  Reisu-l-ulema, Mustafa Ef. Ceric mba hilaza ny daty 11 jolay ho andro fisaonana manerana ny kaontinanta.

Nanoratra momba ity andro ity [8] tao amin'ny bilaoginy i YakimaGulagLiteraryGazett :

Hasan Nuhanović was on T.V. several times. As was a neighbor of mine she lives close enough to ride the same bus regularly. She lost a son and a husband in the massacre, her son's name was Nermin. I knew the lady's face was familiar. She was shown in ‘Cry from the Grave’ as well as another documentary shown last night.

Today is an official Day of Mourning for the victims of the massacre.

Niseho fahitalavitra imbetsaka i Hasan Nuhanović. Ilay mpifanolo-bodirindrina amiko izay mipetraka eo akaiky eo ary miara-mandeha fiara fitaterana tsy tapaka amiko. Namoy ny zanany lahy sy ny vadiny izy tamin'ny fandripahana, Nermin no anaran-janany lahy. Fantatro fa tsy vahiny tamiko ny tarehin'ilay ramatoa. Naseho tao amin'ny ‘Cry from the Grave’ (Mitomany teo amin'ny Fasana) izy sy tamin'ny fanadihadiana hafa naseho omaly ihany koa.

Andron'ny Fisaonana ofisialy androany ho an'ireo niharam-boina tamin'ny famonoana.

Vondrona Facebook maro no natokana ho fahatsiarovana ny fandripahana tao Srebrenica, toy ny Learn from History: Remember the Bosnian Genocide [9]  (Fianarana ny tantara: Fahatsiarovana ny Fandripahana Bosniaka ) izay manana mpikambana maherin'ny 6.600 , na Never Forget Srebrenica 11.07.1995 [10] (Aza hadinoina mihitsy ny Srebrenica 11.07.1995)  izay manana mpikambana maherin'ny 4.200. Nisy mihitsy aza ny fahatsiarovana antserasera [11] omaly izay nokarakaraina tao amin'ny vohikalan'ny tambajotra ara-tsosialy.

A cry from the grave [12]  (tomany teo amin'ny fasana) (jereo ny Fizarana 1 ato [13]) no vondrona Facebook voalohany nifandray tamin'ny fizarana rehetra miisa 11 tamin'ny fanadihadiana malaza nataon'ny BBC tamin'ny taona 1999 . Manolotra [14]ny tohin'ny horonantsary antsoina  Never Again ny bilaogy Bosna Muslim – Media sy ny rohin'ny lahatsary hijerena azy;

This second film was commissioned as an attempt to judge what had happened since the massacre. Had any degree of reparation been made to those who had lost their families? Had it been possible to bring some of the offenders to justice? Did the world care to remember what had happened in the worst atrocity to be committed in Europe since 1945?

Ity sarimihetsika faharoa ity dia natao ho fanandramana ny fitsarana ny zava-nitranga nanomboka tamin'ny famonoana. Moa ve nisy ny onitra nomena ireo namoy ny fianakaviany? Azo atao ve ny mitondra ireo mpanao heloka bevava any amin'ny fitsarana? Moa ve izao tontolo izao mahatsiaro ny zava-nitranga nahatsiravina indrindra natao tany Eoropa hatramin'ny taona 1945?

Iray volana lasa izay, nametraka fitoriana sivily manohitra an'i Holandy sy ny Firenena Mikambana ny fikambanan'ny Reny ao Srebrenica, izay ahitana ny havan'ireo niharam-boina miisa 6.000 noho ny tsy fahombiazana tamin'ny fanakanana ny tafika Serba Bosniana tamin'ny famonoana ny Bosniaka miisa 8.000. Nilaza ny fitsarana Holandey ny andro mialoha ny tsingerintaonan'ny famonoana Srebrenica fa tsy mahefa [15] izy ireo mikasika ny raharaha satria voaaron'ny sata tsy azo tsaraina ny Firenena Mikambana na dia voalazan'i   [16]Eric Gordy tao amin'ny East Ethnia aza hoe, ” tsy voaaro na tamin'inona na tamin'inona akory ireo olona ananan'ny Firenena Mikambana adidy tsy maintsy arovana”. Na izany aza, hanomboka amin'ny volana Septambra ny fitsarana ny governemanta Holandey .

Nanontany tena [17] ny bilaogy Samaha raha niresaka momba ny didim-pitsarana:

If an organization such as the UN cannot be held accountable for failing to yield its own conventions then what is going to ensure that they do enforce them? If member states are able to use UN immunity as a scapegoat then what is going to ensure battalions will remain unbiased in conflicts? What is going to keep another genocide from occurring when examples are being set that the UN is either hopeless or unwilling in fulfilling their mandates?

Raha toa ka tsy azo ho tànana ho tompon'andraikitra noho ny tsy fahombiazana tamin'ny fanajana ny fifanarahany manokana ny fikambanana toy ny Firenena Mikambana dia inona no ahazoantsika antoka fa tena hampihatra izany tokoa izy ireo? Raha afaka mampiasa ny sata tsy azo tsaraina an'ny Firenena Mikambana ireo firenena mpikambana ao aminy, inona no fiantohana fa tsy momba na iza na iza ny tafika ao anaty fifandirana? Inona no hanakana ny fandripaham-bahoaka iray hafa raha misy ny ohatra napetraka fa sady tsy antenaina no tsy manam-pikasana ny hanatanteraka ny iraka nampanaovina azy ireo ny Firenena Mikambana?