- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Filoha Bush Nitsidika An'i India sy i Pakistan

Sokajy: India, Pakistana, Fifandraisana iraisam-pirenena, Mediam-bahoaka

(Marihana fa efa tamin'ny volana Febroary 2006 no nivoaka ny lahatsoratra tamin'ny teny Anglisy)

Mitsidika an'i India sy i Pakistan amin'ity herinandro ity ny Filoha Bush. Niseho taoriana indrindra ny fitsidihana manokana ny filoha Bill Clinton an'i India ny fitsidihan'Andriamatoa Bush.

Niteraka tabataba malaza teo amin'ny media sy teo amin'ireo bilaogera ny fitsidihan'ny filoha. Manana lisitra misy ireo rohim-baovao [1] sasany aho. Toa nanjary lohahevitry ny adihevitra teo amin'ireo bilaogera Amerikana ny tsy fitsidihan'ny Filoha tao Taj Mahal. Nilaza i Rich [2] fa “nankany India i George.” Manontany i Delilah Boyd hoe “ Tianao ve ny ho tiavina sa tevatevaina [3]?” Raha naneho hevitra tao amin'ny Travels with George [4] kosa i Morse of Media Needle fa mety ho ao amin'ny Filoha miaraka amin'ny vaovao antsipiriany ny governora.

John Mather [5] indray nizara ny sarin'ny Taj, ary nilaza fanantenana mahafinaritra ho an'ny mpitarika mpizahatany fa hitsidika an'i Taj Atoa Bush, tahaka ny nataon'i Bill Clinton taona vitsy lasa izay. Ary indro ny voalazan'ny Royally Cranked [6] momba ny fitsidihana.

Namoaka lahatsoratra mahafinaritra momba ny fitsidihan'ny Filoha [7] i Jeevan avy any Chennai, ary nanoratra ny antony mahatonga ny antoko ankavia manohitra ilay fitsidihana. Arun koa manome ny heviny momba ny fitsidihan'ny filoha ao India [8].

Nahitana ireo bilaogera sasany manao fihetsiketsehana ny fitsidihan'ny filoha tao Pakistana. Nilaza i Arzoo fa Tsy Mila An'Andriamatoa Bush [9]. Miresaka momba ny sarintany vaovaon'i Kashmir [10] kosa i Ayesha fa mivezivezy manodidina ny ambasady Pakistaney araka ny tatitry ny gazety Daily Times. Tharwa Community indray manana lahatsoratra momba ny fomba tokony handrisihan'ny filoha Bush hamarana ny fitondrana miaramila ao Pakistan [11].