- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Mahay Mandihy Ry Zareo Tahitiana!

Sokajy: Fanoherana, Mediam-bahoaka, Zavakanto & Kolontsaina

(Lahatsoratra tamin'ny Jona 2007)

Enimpolo mahery ireo Tahitiana mpandihy nanao fitafy nentindrazana vita tamin'ny ravina pandanus [1] no niaraka nanao fampisehoana iray.  Fanehoana mahalaza tsara ny endrka vohitra nentindrazana tahitiana i Tiki Village (Vohitr'i Tiki), toerana ahafahan'ireo mpizahatany manatrika fampisehoana zavakanto isankarazany : tombokavatsa, mozika ary mazava loatra, ny dihy.

Ny sary dia azontsika tamin'ny Fenua [2] [Fr] , bilaogin-tsary iray momba ny Polinezia Frantsay (tangoronosy). Azonareo atao ihany koa ny mahita ao ny sarin'ireo mpanjakavavin'ny hatsaran-tarehy tahitiana  [3] sy ireo asa tànana vita ao an-toerana. [4]

Jennifer Brea [5]