Mahay Mandihy Ry Zareo Tahitiana!

(Lahatsoratra tamin'ny Jona 2007)

Enimpolo mahery ireo Tahitiana mpandihy nanao fitafy nentindrazana vita tamin'ny ravina pandanus no niaraka nanao fampisehoana iray.  Fanehoana mahalaza tsara ny endrka vohitra nentindrazana tahitiana i Tiki Village (Vohitr'i Tiki), toerana ahafahan'ireo mpizahatany manatrika fampisehoana zavakanto isankarazany : tombokavatsa, mozika ary mazava loatra, ny dihy.

Ny sary dia azontsika tamin'ny Fenua [Fr] , bilaogin-tsary iray momba ny Polinezia Frantsay (tangoronosy). Azonareo atao ihany koa ny mahita ao ny sarin'ireo mpanjakavavin'ny hatsaran-tarehy tahitiana  sy ireo asa tànana vita ao an-toerana.

Jennifer Brea

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.