- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Senegaly: Tsy Noraisina Ny Vatom-pifidianan'ny Kandidà Iray

Sokajy: Senegal, Fifidianana, Mediam-bahoaka

(Lahatsoratra tamin'ny Martsa 2007)

Hazavain'ny Bilaogy Politikan'i Senegaly fa tsy nahazo na dia vato iray aza tao amin'ny biraom-pifidianana izay nandatsahan'izy tenany, ny vadiny ary ireo nàmany roa vato ho azy ilay kandidà Modou Dia [1]. Eso no nentin'ilay bilaogy manampy hoe: “fisainana mirefarefa ihany ny fangalarana vato 3 na 4 taminy, izy izay efa sahirana mafy vao nahita  0,13 % tamin'ny vatom-pifidianana !” ary manontany tena ilay bilaogy raha toa ka ny faniriana hahazo toerana minisitra no nanosika an'i Dia tsy hanohitra ny vokatry ny fifidianana.

Alice Backer