Mitsikera Ny Fandaniam-poana Ataon'ny Fitondrana Meksikana Amin'ny Volam-bahoaka

(Marihana fa efa tamin'ny volana Febroary 2009 no nivoaka ny lahatsoratra tamin'ny teny Anglisy)

Vao haingana ny governemanta federaly Meksikana no nanavao ireo vaovao momba ny fandaniana sy ny tetibola ao anatin'ny tanjona hisian'ny mangarahara, tao amin'ny tranonkala “Vavahadin-tseraseran'ny fitondrana momba ny mangarahara sy fahazoana vaovaom-panjakana“. Azo jerena ao amin'ny andrim-panjakana marobe ao amin'ny firenena izany vaovao izany, izay ahitana ny fitambaran'ny vola lany, ary ny daty. Tamin'izany vaovaom-panjakana izany, maro ireo bilaogera nahita ny fandaniana mifandraika amin'ny fialam-boly mampiahiahy. An'hetsiny pesos avy amin'ireo Meksikana mpandoa hetra izany vola izany.

null
Sary avy amin'i Edwin Guerra, voaaro amin'ny zon'ny mpamorona Creative Commons

tao amin'ny bilaogy Taller de Música Popular El Cántaro [amin'ny teny Espaniola], manasongadina ireo fandaniana 10 tsy misy dikany ny lahatsoratra mitondra ny lohateny hoe “ahoana ny handanian'ny governemanta ny vola amin'ny hetrantsika ?”, arahin'ny rohy mankany amin'ny tranonkala ofisialy tsirairay avy. Ity ohatra iray tao amin'ny Sekretarian'ny vola miditra sy ny volam-bahoaka izany nandany 315 000 pesos (eo ho eo amin'ny 21 000 dolara Amerikana) tamin'ny filàna fianakaviana manokana tao amin'ny Cirque des Frères Atayde.

Nofantenana ity lahatsoratra malaza be tao amin'ny tontolon'ny bilaogy Meksikana ity ary navoaka tao amin'ny tranonkala be mpitsidika. Navoaka tao amin'ny bilaogy iombonana Hazme el Chingado Favor [es] ohatra ny lahatsoratra, ka nahazo fanehoan-kevitra teo amin'ny 200. Ity ny fanehoan-kevitra iray avy amin'ny Mmm (#39) mikasika ny lahatsoratra:

Il est prévu que le portail de la transparence permette de voir où va l'argent du contribuable, mais rien ne dit ce que l'on devrait faire en cas de désaccord avec ces dépenses. Devons-nous simplement faire avec ? Je ne pense pas que les législateurs s'intéressent à nos revendications, ou à  les satisfaire quand nous ne sommes pas d'accord.

Fantatra mialoha fa hahafahana mijery ny fampiasana ny volan'ny mpandoa hetra ny tranonkalan'ny mangaraharaha, saingy tsy misy milaza izay tokony atao raha sendra misy ny tsy fanekena ny fandaniana. Tokony ekentsika  amin'izao fotsiny ve? Tsy mino aho fa liana amin'ny fitakiantsika ireo mpanao lalàna, na hanome fahafaham-po azy ireo rehefa tsy manaiky isika.

Tao anatin'ny “lisitry ny mangarahara”, manohy manakiana ireo fandaniana (fanehoan-kevitra #102) ireo mpikambana hafa ao amin'ny bilaogy Hazme, tahaka ity tao amin'ny bankim-pirenena Meksikana ity:

C'est honteux! Il n'est pas très compliqué de trouver d'autres choses, aussi ridicules que: “ACHAT DE FROMAGE HOLLANDAIS “BABY EDAM” POUR DES PANIERS DE NOEL POUR BANCOMEXT” pour 151 200  pesos.

Il y a des choses que l'argent ne peut acheter… pour tout le reste, il y a Bancomext.

Mahamenatra! Tsy sarotra mihitsy ny mahita zavatra hafa mampihomehy tahaka ny hoe: “FIVIDIANANA FROMAZY HOLANDEY “BABY EDAM” HO AN'NY TSENA NOELY HO AN'NY BANCOMEXT” amin'ny vidiny 151 200  pesos.

Misy ny zavatra tsy azo vidiam-bola… ny ambiny moa dia misy ny Bancomext.

Niditra tamin'ny fitaovana tahaka ny bilaogy sy ny sehatra fibilaogina madinika Twitter ny fanentanana antserasera sasany mba hampahafantatra ireo mpiserasera mikasika ny fandaniam-poanan'ny fitondrana amin'ny volam-bahoaka. Nanangona ohatra maro momba ireo fandaniana mampiahiahy ataon'ny fitondrana Meksikana ihany koa ny bilaogy Gasto Inútil . Tao amin'ny sehatra Twitter, mifandray amin'ireo olom-pirenena Meksikana hafa ny kaonty @gastointuil mba hahafantatra ny sasany amin'ireo ohatra ireo.

Rohy mankany amin'ny sary.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.