- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Nari Jibon: “Ankizy Eny An-dalambe”

Sokajy: Mediam-bahoaka, Rising Voices

(Marihana fa efa tamin'ny volana Janoary 2009 no nivoaka ny lahatsoratra tamin'ny teny Anglisy)

Nandika ny tononkalo [1] avy amin'ilay bilaogera Nari Jibon [2]Naoshin Tushil [3], mitondra ny lohateny hoe “Ankizy Eny An-dalambe” i Aparna Ray [4], mpanoratra ato amin'ny Global Voices [5]. Afaka mamaky bebe kokoa momba ny tokai, na ankizy eny an-dalambe ao Bangladesh ianao ao amin'ny bilaogin'i Sujon [6] sy Jesmin [7].

tokai

Ahitana sary maromaro misy ireo ankizy eny an-dalambe [8] monina manodidina an'i Dhaka ny kaonty Flickr an'i Nari Jibon. Mikasika ireo hevitra sasany sy fandinihana mikasika izay azo atao mba hiadiana amin'ny fahantrana, aza adinoina ny mijery ireo lahatsoratra tamin'ny Blog Action Day mikasika ny Fahantrana [9].

পথের শিশু
একটা শিশু পথের মাঝে
দাড়িয়ে থাকে একা
কেউ করেনা খোঁজ যে তার
কেউ বোঝেনা ব্যাথা।
এই শিশুটির পেথই জন্ম
পেথই হলো বড়।
জানেইনা যে অদৃষ্টে কি
দুঃখ আছে আরও !
মা বলে,ডাকেনি যে
ফোটেনি প্রথম কথা,
সেই শিশুটি না পেয়ে মাকে
পায় যে মনে ব্যাথা।
মায়ের আদর বঞ্চিত এই
হতভাগ্য ছেলেটি,
বাবার স্নেহ ভালোবাসাও
ভাগ্যে কখনও মেলেনি।
পথের মাঝে সেই ছেলেটি
দাড়িয়ে থেকে একা,
প্রশ্ন করেও নিরুত্তর সে
কেন এ বেঁচে থাকা?

Mijoro irery ilay ankizy kely
Mijoro eo afovoan'ny arabe,
Ny fanaintainana mampihetsi-po ao amin'ny fony mbola kely
Miandry fipoahana anaty.Nanomboka teny an-tsisin-dalana ny fiainany
Ary teny koa izy no lehibe,
Manontany tena matetika amin'ny manjo azy-
Inona no miandry? Inona no voady?

Tsy dia antitra rehefa miteny,
Tanora loatra raha hiantso “mama”
Zava-poana no mba azon'ny fony tadiavina
Ary manjary ngoly tsikelikely

Miankina amin'ny fitiavan'ny reniny
Mitady ny rainy ilay ankizy ankehitriny
Saingy tsy hita koa ny dadany
Ratsy loatra ny anjarany!

Mijoro eny an-dalana ity kamboty ankehitriny
Feno fanaintainana, famoizam-po.
Avy eo manontany mangingina ny manjo azy -
“Lazao ahy, nahoana aho no tokony mbola hiaina?”