- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Bahrain/Arabia Saodita: Orana Orana, Mialà Tany!

Sokajy: Afrika Avaratra sy Afovoany Atsinanana, Arabia Saodita, Bahrain, Mediam-bahoaka, Tontolo_iainana

(Fanamarihana: lahatsoratra nivoaka tamin'ny May 2010)

Nitondra orana, tafiotra ary vovoka ho an'ny Faritany Atsinanan'i Arabia Saodita sy ny manodidina an'i Bahrain ny tolakandro omaly, ka niteraka resabe tao amin'ny Twitter sy tambajotra sosialy hafa.

Mba hanomezana hevitra kely ho an'ireo tsy avy any amin'ny faritra, fisehoan-javatra tsy fahita firy ny orana ary mahatonga ny olona hikorontana ny tafio-drivotra tsy vanona satria ny fotodrafitrasa tsy natao hiatrehana ny rano be tafahoatra. Taorian'ny orambe iray nivatravatra, lasa ”renirano” ny làlanay ary niforona teny amin'ny manodidina ny ”farihy”, noho ny faharatsian'ny famarinana rano.

Avy any Bahrain, izay tonitony kokoa ilay tafio-drivotra, manaiky tao anatina bitsika [1] iray i Ahmed Zainal hoe:

Tsy mbola very hevitra toa izao tany amin'ny fihodinan'ny fiara. Feno fasika nanodidina ahy ary tsy afaka nahita ny làlana fivoahana aho!

Ho an'ireo sasany aminareo tsy dia zatra loatra an'ireo fihodinan'ny fiara, ity [2] misy fanampim-baovao bebe kokoa.

Moe Zainal, actionscripter ao amin'ny Twitter, dia very hevitra tokoa. Mibitsika [3] izy:

Tsy azoko mihitsy ity toetrandrontsika misaritadritaka ity… Ndrooooooo… (mampalahelo)

Ary manesoeso [4] i Eyade:

Mampatsiahy ity fehezantenin'i King Pin ity ny toetrandro ao ivelany ao ”mihazakahana mankany amin'ny havoana daholo ny olona! misy rahona ngeza be mahasoso-tay tonga any”

Soa ihany fa fanairana diso izany, ary haingana dia nandalo nihoatra an'i Bahrain ilay tafiotra ka tena kely fotsiny ny fahasimbana nentiny.

Mandritra izany, manerana ilay lalana 25km mampitohy an'i Bahrain amin'i Arabia Saodita, ao amin'ny Faritany Atsinanan'i Arabia Saodita, teraka ny tenifototra Twitter vaovao iray raha toa ka nivadika maizina ny lanitra ary niverina ny tafiotra. Vetivety ireo mpampiasa Twitter dia nanaraka avy hatrany ilay tenifototra #ShargiahRain [5] mba hifampitàna vaovao mikasika ny fitohanan'ny fifamoivoizana, loza nateraky ny tafio-drivotra sy fanavaozam-baovao hafa. Midika hoe Atsinanana amin'ny teny Arabo ny Shargiah , ary izany no antsointsika amin'ny fiainantsika isanandro hoe Faritany Atsinanana.

Indray mandeha indray, toy ny tamin'ireo Orana Riyadh [6] andro vitsivitsy lasa izay, manararaotra izany ireo mpampiasa Twitter mba hanehoana ny tsy fahafaliany amin'ireo fampahalalam-baovao mahazatra.

Manamarika [7] i Tiorkia 2 (Turki 2) :

تويتر في تغطيه الأخبآر الجويه احسن من القنوات الإخبآريه 😀 #ShargiahRain
Mahay mandrakotra vaovao mikasika ny toetrandro kokoa ny Twitter raha mitaha amin'ireo fantsom-baovao #ShargiahOrana

Mizara ity [8] sary ity ao amin'ny twitpic i Hasan Almustafa, izay mampiseho takelaka fanaovana doka mitanondrika ao anaty rano any Qatif:

[9]

twitpic an'i Hasan Almustafa mikasika ilay tafio-drivotra

Ary teo akaikin'i Khobar, mizara ity [10] sary ity tao amin'ny  twitpic Ali Al Ohali:

[11]

Tafio-drivotra Khobar

Tao amin'ny Youtube, nampiakatra ity [12] lahatsarin'ilay tafio-drivotra ity i sebinsaifsebinsa, avy any Dammam:

 

Ary farany dia nahazo vaovao tsara [13] i Horames :

جنوب الدمام : هدوء تام ، لا رياح ، لا أمطار ، لا رعود ، لا بروق و يبدو أن السحب انقشعت تماما #ShargiahRain #DammamRain
Tany Dammam Atsimo: fahanginana tanteraka, tsy misy rivotra, tsy misy orana, tsy misy kotroka ary tsy misy tselatra. Toa nisava tanteraka ny rahona. #ShargiahRain #DammamRain

Aza misaraka aminay mba hahazo vaovao bebe kokoa noho ny fiovaovan'ny toetrandro mandringana manerana izao tontolo izao!