- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Misorata Anarana Hanatrika ny Vovonana Global Voices 2017 Izao: 2-3 Desambra ao Colombo, Sri Lanka!

Sokajy: Mediam-bahoaka
[1]

Colombo, Sri Lanka. SARIPIKA: Amila Tennakoon (CC BY 2.0)

Misokatra ny fisoratana anarana [2] hanatrehana ny Vovonana Global Voices 2017 [3]!

Hivory ao Colombo, Sri Lanka isika amin'ny 2 sy 3 Desambra amin'ity taona ity isika hitapatak'ahitra momba ny fivoaran'ny aterineto misokatra, ny hetsika mahaolompirenena an-tserasera ary ny zon'olombelona amin'izao andron'ny nomerika izao. Ao anatin'ireo fotoana, lahavolana ary fifanakalozan-kevitra ireo no hitrandrahantsika ny resaka fandisoam-baovao/vaovao diso, ny resaka andry mpifehy ny aterineto, ny fandrahonana araka ny lalàna mihatra amin'ny bilaogera sy ny mpikatroka—ireo fanamby rehetra mety hampitohy na handrava ny hoavin'ny aterineto.

Hiara-dalana aminay ireo vondrom-piarahamonina na fikambanana ivon'ny tantara sy ny hoavin'ny aterineto misokatra, na eo amin'ny sehatra manerantany sy isan-dreniparitra, ka tafiditra amin'izany ny Creative Commons, Mozilla, Wikipedia, ny Web Foundation, ny Association of Progressive Communications, IFEX, ny MIT Media Lab, ny Digital Asia Hub, ankoatra ireo mpitari-dalana manokatra ny fahazavan'ny kolontsainan'aterineto ao Sri Lanka sy ny hafa maro.

Ny Fihaonambe dia hotontosaina ao amin'ny TRACE Expert City [4], fihaonan-dalana sy fanotrehana (fiketrehana) teknolojia ao amin'ny distrikan'i Maradana ao Colombo.

Tsidiho ny pejy fisoratana anarana [2] hamandrihanao toerana ao amin'ny Fihaonambe Global Voices 2017 [2], ary jerijereo ihany ny tranonkalan'ny Vovonana amin'ireo herinandro hoavy satria eo am-pandrafetana indrindra ny fandaharana, ny tantara, resadresaka sy antsafa momba ny Fihaonambe indrindra izahay izao.

Amin'ny volana desambra isika mihaona e!

#srilanka #colombo #tracecity #traceexpertcity #retro #architecturephotography #architecturelovers #architecture #colonial #colonialhouse #colonialstyle [5]

A post shared by Ceylon Wanderer (@ceylonwanderer) on

Tontosa ny Global Voices Citizen Media Summit 2017 noho ny fanohanana avy amin'ireo malala-tanana avy ao amin'ny Ford Foundation [6], Mozilla [7]MacArthur Foundation [8] ary ny Groundviews [9]/Centre for Policy Alternatives [10].