Misorata Anarana Hanatrika ny Vovonana Global Voices 2017 Izao: 2-3 Desambra ao Colombo, Sri Lanka!

Colombo, Sri Lanka. SARIPIKA: Amila Tennakoon (CC BY 2.0)

Misokatra ny fisoratana anarana hanatrehana ny Vovonana Global Voices 2017!

Hivory ao Colombo, Sri Lanka isika amin'ny 2 sy 3 Desambra amin'ity taona ity isika hitapatak'ahitra momba ny fivoaran'ny aterineto misokatra, ny hetsika mahaolompirenena an-tserasera ary ny zon'olombelona amin'izao andron'ny nomerika izao. Ao anatin'ireo fotoana, lahavolana ary fifanakalozan-kevitra ireo no hitrandrahantsika ny resaka fandisoam-baovao/vaovao diso, ny resaka andry mpifehy ny aterineto, ny fandrahonana araka ny lalàna mihatra amin'ny bilaogera sy ny mpikatroka—ireo fanamby rehetra mety hampitohy na handrava ny hoavin'ny aterineto.

Hiara-dalana aminay ireo vondrom-piarahamonina na fikambanana ivon'ny tantara sy ny hoavin'ny aterineto misokatra, na eo amin'ny sehatra manerantany sy isan-dreniparitra, ka tafiditra amin'izany ny Creative Commons, Mozilla, Wikipedia, ny Web Foundation, ny Association of Progressive Communications, IFEX, ny MIT Media Lab, ny Digital Asia Hub, ankoatra ireo mpitari-dalana manokatra ny fahazavan'ny kolontsainan'aterineto ao Sri Lanka sy ny hafa maro.

Ny Fihaonambe dia hotontosaina ao amin'ny TRACE Expert City, fihaonan-dalana sy fanotrehana (fiketrehana) teknolojia ao amin'ny distrikan'i Maradana ao Colombo.

Tsidiho ny pejy fisoratana anarana hamandrihanao toerana ao amin'ny Fihaonambe Global Voices 2017, ary jerijereo ihany ny tranonkalan'ny Vovonana amin'ireo herinandro hoavy satria eo am-pandrafetana indrindra ny fandaharana, ny tantara, resadresaka sy antsafa momba ny Fihaonambe indrindra izahay izao.

Amin'ny volana desambra isika mihaona e!

Tontosa ny Global Voices Citizen Media Summit 2017 noho ny fanohanana avy amin'ireo malala-tanana avy ao amin'ny Ford Foundation, MozillaMacArthur Foundation ary ny Groundviews/Centre for Policy Alternatives.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.