- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Catalina Restrepo Mamaritra Ny ConVerGentes

Sokajy: Hiper-barrio, Mediam-bahoaka, Rising Voices

(Marihana fa efa tamin'ny volana Febroary 2009 no nivoahan'ny lahatsoratra amin'ny teny Anglisy)

Tamin'ny Alatsinainy, niaraka ireo olon-tsotra tia mitati-baovao ao amin'ny ConVerGentes [1], tetikasan'ny HiperBarrio [2] mba hanao atrikasa momba ny fibilaogina lahatsary izay, ankoatra ireo paikady hafa, nampisehoana tamin'ny mpanao gazety ny fomba fakàna sary olona atao fanadihadiana amin'ny fampiasana zoro samihafa sy fanitsiana sary. Amin'ity lahatsary ity, mamaritra ny tanjona sy ny zavatra ataon'ny ConVerGentes i Catalina Ramirez [3]. Azonao jerena ny lahatsary feno [4] novokarin'izy ireo tamin'ny teny Espaniola ao amin'ny pejin'izy ireo YouTube [5].