Mivoy Manohitra Fandotoana: Iraka Tontosain'ny Lehilahy Iray Ho Fitahirizana Ireo Renirano Ao Iràka Ho An'ny Taranaka Hoavy

Ity lahatsoratr'i Todd Reubold ity dia navoaka voalohany tamin'ny Ensia.com, gazetiboky iray manasongadina ireo vahaolana iraisam-pirenena ampiharina mikasika ny tontolo iainana. Naverina navoaka eto indray ho ampahany amin'ny fifampizaràna votoaty.

Nandritra ny fito taona lasa izay, nanao fitsangatsanganana i Nabil Musa – matetika tamin'ny alalan'ny lakana hazo voizina, na tamin'ny alalan'ny zahatra – manodidina ny faritra Kurdistan an'i Iràka – manatontosa iraka iray tanterahanà lehilahy iray hanentanana momba ny maha zava-dehibe ny fahadiovan'ny renirano ho an'ireo taranaka ankehitriny sy ho avy.

Ato anatin'ity lahatsoratr'i Emily Kinskey ity, hanaraka an'i Musa isika araka izay hazavainy rehefa manazava ny fifandraisany amin'ireo renirano misy ao amin'ny faritra misy azy izy, ary ny vokatry ny fandotoana amin'ny fiarahamonina misy azy. “Tena maniry ny hanao zavatra aho mikasika ny renirano izay verinay fony mbola zazakely aho,” hoy Musa.

Matahotra ireo manam-pahaizana manerana ny firenena fa ireo taompolo maro nisian'ny ady, ny fahalotoana, ny fampivelarana tsy nohadihadiana ary ny fanimbàna dia midika fa mananontanona ny olana amin'ny rano ao Iràka.

Anisany ao anatin'ny ONG  Waterkeepers Iraq i Musa – sampana iray ao amin'ny Waterkeeper Alliance — izay miaro sy miasa “mba hiarovana ireo renirano, ony ary làlan-drano ao Iràka ary mamporisika ireo vondrom-piarahamonina eo an-toerana amin'ny alalan'ny fampiasana maharitra ireny harena voajanahary ireny .”

Manao bango tokana ny maika indrindra ao anatin'ny avokavoky ny asany i Musa sady manontany hoe, “Raha tsy hanana rano intsony isika, ahoana no hahafahan-tsika miaina?”

Ity lahatsary ity dia novokarin'i Emily Kinskey sy noraketiny an-tsary ary navoakany ho an'ny Ensia. Mpamokatra horonantsary i Emily K. sady mpanao gazety mampahalala vaovao monina ao Erbil, Iràka. Miompana amin'ireo zanatsampan'ny kolontsaina zara raha misy mpiteny sy enjehina ny asany, ary avahan'ireo teknika misy fahaizamamorna amin'ny media sy ny fikirakiràna lahatsary, asa izay manohana amin'ny alàlan'ny fanambaràna ny tantaran'ireo vondrom-piarahamonina iharan'ny tsindry.

 

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.