Tsy Faly Tamin'ny Fepetra Vaovao Noraisin'i Obama Tao Kiobà Ireo Sesitany Kiobana Sasany Ao Miami

(Marihina fa tamin'ny 20 Desambra 2014 no nanoratana ny lahatsoratra teny anglisy)

El restaurante Versalles, ubicado en La Pequeña Habana, ha sido el lugar predilecto del exilio cubano para alzar su voz. Y esta vez no fue la excepción. En la foto se aprecia la gran actividad mediática que el establecimiento ha experimentado a raíz del anuncio de Obama. Foto cortesía del autor.

Ny trano fisakafoana Versailles ao Little Havana Miami izay efa hatry ny ela no toeram-pihaonana ho an'ireo sesitany Kiobana  Nanomboka tamin'ny fanambaran'i Obama , tena nifantohan'ny fampitam-baovao betsaka ny mikasika ny fanarenana. Sary avy amin'i Robert Valencia.

Nahafaly ireo Kiobana maro tao amin'ny nosy sy ireo hafa tany amin'ny vondrom-piarahamonina iraisam-pirenena ny fanambarana tsy nampoizina nataon'ny filohan'i Etazonia Barack Obama tamin'ny famerenana indray ny fifandraisana ara-diplomatika amin'i Kiobà taorian'ny fisarahana nandritra ny 50 taona mahery. Na dia izany aza, naneho fahatezerana tamin'ny ankapobeny  ny sehatra matanjaka ao amin'ny vondrom-piarahamonina sesitany Kiobàna ao Miami.

Tantara be ny zava-nitranga ny tolakandron'ny 17 Desambra. Tao amin'ny lahateny iray tamin'ny fahitalavitra, nanambara fanovana maromaro momba ny fifandraisan'ny roa tonta ny Filoha Barack Obama, anisan'izany ny fananganana ny masoivoho ao amin'ny firenena roa tonta, ny fanadihadiana indray momba an'i Kiobà heverina ho fanjakana manohanana ny fampihorohoroana, ny mety ho fitsidihan'ny filoham-pirenena roa tonta ary ny fandraisana anjaran'i Kiobà amin'ny fihaonambe Amerikana manaraka amin'ny taona 2015, izay hatao ao Panama City.

Nahatonga fanoherana mahery vaika teo amin'ireo sehatra mpandala ny mahazatra indrindra any an-tsesintany any Florida, izay fonenan'ny mponina teratany Kiobana maherin'ny 1 tapitrisa, ny kabarin'i Obama. Nilaza ny Loholona Marco Rubio (Repoblikana ao Florida) fa tsy mbola nahita Filoha ” hany mpanelanelana ratsy indrindra hitany hatrizay tao amin'ny Trano Fotsy “ teo amin'ny fiainany izy, raha ny Repoblikana avy any Florida Ilean Ros-Lehtinen sy Mario Díaz Balart kosa niantso ny filoha ho ” bado. “

Mandritra izany fotoana izany, ny trano fisakafoanana Versailles, izay toeram-pihaonana ho an'ny sesitany Kiobàna hiringiriny maro ao Miami, no fitsapan-kafanana handrefesana ilay antsoin'ny maro hoe “ny andron'ny fahafaham-baraka.” Ny ao anatin'ireo feo ireo dia i Miguel Saavedra, mpitarika ny Vigilia Mambisa , vondrona izay nofaritana tao amin'ny pejiny Facebook ho “hiringiriny, elatra havanana, Tsy tia Castro, Tsy tia vondrona Komonista”. Tao anatin'ny resadresaka fohy niarahana tamin'ny Global Voices, naneho ny fankahalany ny fepetra noraisina i Saavedra :

:

Saingy ireo taranaka Kiobana Amerikana tanora kokoa dia somary tony fihetsika kokoa, i Gabriel, tovolahy iray teraka tany an-tsesitany, dia somary nanana fomba fijery miabo momba ilay fepetra:

:

Na dia teo aza ny fihaonana goavan'ny firenena roa tonta taorian'ny dimampolo taona mahery, ho hita eo ny tena fiantraikan'ity fepetra vaovao noraisin'ny fitondrana Obama momba an'i Kiobà sy Etazonia ity.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.