Repacted: Nilatro Andriamatoa sy ny Oliravina Fehilamba Mena 2010

(Marihana fa efa tamin'ny volana Novambra 2010 no nivoahan'ny lahatsoratra tamin'ny teny Anglisy)

Mpandray anjara tamin'ny fifaninanana Andriamatoa Sy Oliravina Hatsarana Fehilamba Mena. Sary: Repacted

Hetsika fanaovana asa soa karakarain'ny vondrona Tanora Nakuru isan-taona ny Andriamatoa sy Oliravina Fehilamba Mena, anisan'izany mpikarakara izany ny nahazo vatsy tamin'ny Rising Voices Repacted avy ao Nakuru, Kenya. Amin'ny maha hetsika fanabeazana lehibe amin'ny Andro Iraisam-pirenena iresahana Sida amin'ny 1 desambra 2010, miady amin'ny fanafoanana ny fanilikilihana sy ny fanavakavahana mikasika ny VIH / SIDA ity hetsika ity.

Tamin'ity taona ity, taorian'ny roa volana nanomanana, notontosaina ny Asabotsy 27 novambra tao amin'ny Hotel Bontana tao Nakuru ny Andriamatoa sy Oliravina Fehilamba Mena 2010. Avy amin'ny bilaogy tetikasa Repacted:

MR. and MISS RED RIBBON, an annual beauty pageant with a difference as it brings together people leaving with HIV and aids together to celebrate beauty and fight stigma.

The event attracted a total of 20 model participants 12 of them being positive from various C.B.O that offer support to PLWH. It also attracted 4 guest performances from outside making the total number of participants to 24.

On the run-way were models of different sizes not forgetting age ranging up to 52 years of age all in an aim to fight the ‘beast’ stigma with beauty as the strongest.

Andriamatoa sy Oliravina FEHILAMBA MENA, fifaninanana hatsaran-tarehy isan-taona misy fahasamihafana satria mampivondrona ireo olona miaina amin'ny VIH ary mifanampy mba hankalaza ny hatsaran-tarehy sy ny ady amin'ny fanilikilihana.

Nahasarika mpilatro 20 ny hetsika, 12 amin'izy ireo no misy aretina C.B.O isan-karazany ary manome fanohanana ny PLWH. Nahasarika vahiny nasaina 4 avy any ivelany ihany koa izany ka nahatratra 24 ny totalin'ny mpandray anjara.

Tany am-piandohana, mpilatro manana halavana samihafa tsy misy fetran-taona no nandray anjara, misy hatramin'ny  52 taona izy ireo ka ny tanjona lehibe indrindra dia ny hiadiana amin'ny ‘bibin'ny’ fanilikilihana amin'ny alalan'ny hatsaran-tarehy.

Mpitsara tamin'ny fifaninanana. Sary: Repacted.

Nanoratra momba ny tanjon'ny fifaninana i Collins Dennis Oduor avy ao amin'ny Repacted:

It creates awareness on different issues directly associated with HIV/AIDS stigma and discrimination, positive living, gender based violence, reproductive health and methods of protection against sexually transmitted infections. It also aims at encouraging the public to take a HIV test. As a build up to the world AIDS day, the project will reach out to 1500 people encourage them on the importance of knowing their status.

Build up activities will be organized in the communities around Nakuru town; the activities will include; Community auditions for the models, mobilization for counseling and testing, and workshop for the models.

After the main event, activities will be organized in different settings targeting the general population, the winners shall remain peer mentors in their respective communities, and they will conduct outreaches and participate in health action days.

Mampisy fahatsapan-tena mikasika ireo olana samihafa mifandraika amin'ny fanilikilihana sy ny fanavakavahana ny olona mitondra ny otrikaretina VIH / SIDA, ny fiainana tsara, ny herisetra mihatra amin'ny vehivavy, ny fahasalamana ara-pananahana ary ny fomba fiarovana amin'ny aretina azo avy amin'ny firaisana ara-nofo izany. Mikendry ny handrisika ny vahoaka hanao fitiliana VIH koa izany. Amin'ny maha fanamafisana ny andro manerantany iresahana SIDA, hahatratra olona 1500 ny tetikasa, handrisika azy ireo ny maha zava-dehibe ny fahafantarana ny momba azy ireo.

Hokarakaraina ao amin'ireo vondrom-piarahamonina manodidina ny tanànan'i Nakuru  ny hetsika fanabeazana; Ny asa atao dia ahitana; Fihanoan'ny fiarahamonina an'ireo mpilatro, fanentanana isian'ny torohevitra sy ny fitiliana, ary atrikasa ho an'ireo mpilatro.

Aorian'ny hetsika goavana, hokarakaraina amin'ny sehatra samihafa mikendry ny vahoaka amin'ny ankapobeny ny hetsika, hijanona ho mpanolotsaina ao amin'ny vondrom-piarahamoniny tsirairay avy ireo mpandresy, ary hitarika fanentanana sy handray anjara amin'ny andro anaovana hetsika ara-pahasalamana.

Mpandresy tamin'ny fifaninanana hatsaran-tarehy Fehilamba Mena 2010: Daniel Mwangi sy Fridah Abio. Sary: Repacted.

Olona teo amin'ny 400 teo no nanatrika ny hetsika ary i Daniel Mwangi no tonga mpandresy tamin'ny Andriamatoa Fehilamba Mena ary i Fridah Abio kosa no voafidy ho Oliravina Fehilamba Mena tamin'ity taona ity. Jereo ao amin'ny bilaogin'ny Repacted ireo sary maro hafa tamin'ny hetsika.

Ity fanehoan-kevitra iray  tao amin'ny Twitter momba ny hetsika:

mmocharo: attended a miss red ribbon Nakuru yesterday, a huge step in fighting stigma.

mmocharo: nanatrika ny oliravina fehilamba mena tao Nakuru omaly, dingana lehibe amin'ny ady amin'ny fanilikilihana.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.