- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Kiobà: Vavaka Ho An'i Fidel

Sokajy: Amerika Latina, Kiobà, Kolombia, Fifandraisana iraisam-pirenena, Mediam-bahoaka, Politika, Saripika

(Fanamarihana: lahatsoratra nivoaka tamin'ny Janoary 2007)

Toa sarotra inoana ny hoe ho endrika hampivondrona no handraisana ny filoha kiobàna Fidel Castro raha avy ny fahafatesany raha ny vanimpotoana elabe sy maroloko ara-politika nitondràny no jerena. Hatramin'ny nanambaràna ny aretiny sy ny famindràna ny fahefàna ho an'ny rahalahiny Raúl tany amin'ny faran'ny Jolay 2006 [1], notazonina ho zavamiafina ny toe-pahasalaman'i Castro, fahanginana izay voamarika amin'ny fisian'ireo tatitra tsindraindray — sy mampifanolana — amin'ny alàlan'ireo fantsona toy ny gazety iray mpiseho isanandro amin'ny teny Espaniola  [2] ary ny filoha Venezoeliana (sady namana akaikin'ny fon'i Castro) Hugo Chávez [3].

Raha ny sasany mitokelaka (ES) noho ireo esoeso momba ilay viriosy anaty solosaina hita tanaty imailaka iray nitondra ny lohahevitra hoe  “Maty i Castro” [4] ary ny hafa indray manolotra fety iray hatao any La Havana kely any Mami rehefa tena tonga amin'ny farany tokoa ny filoha Kiobàna [5], mba misy kely ihany farafaharatsiny nivavaka no an'ny fahasalaman'i Castro, araka ny asehon'ny sary ao anatin’ity afisy ity [6] — nakarin'ilay mpampiasa Flickr, Julián Ortega Martínez [7] tamin'ny 29 Janoary 2007 — milaza ny fisian'ny “Lamesa iray ho an'ny Fahasalaman'i Fidel” natao tao amin'ny Katedralin'i Bogota ny 28 Janoary.