Azia Atsimo: Zon'Olombelona, Tontolon'ny Bilaogy, Fombandrazana, Demaokrasia, Fanavakavahana, Fitsangatsanganana sy Fetibe

(Fanamarihana: lahatsoratra nivoaka tamin'ny Janoary 2007)

Sary avy aminà bilaogy isankarazany tany amin'ireto firenena manaraka ireto, ao Azia Atsimo:

Bangladesh:

Taorian'ny dimy taona nitzonana azy tany Guantanamo, vao haingana ny Bangladeshi iray (Mobarak) no navotsotr'ireo manampahefana ao Etazonia. Kanefa dia nosamborin'ireo polisin'ny Seranampiaramanidina tao Bangladesh indray izy mba hanaovana fanadihadiana vantany vao  tonga tao Dhaka. Gaga i Naeem avy ao amin'ny bilaogy Drishtipat tamin'ny fahanginan'ireo Bangladeshi bilaogera momba ny raharaha Mobarak. Hoy izy manontany:

Mangina ve isika noho izy relijiozy, niofana tany aminà madrassa iray, ka dia latsaka any ivelan'ny famaritantsika ny atao hoe zon'olombelona? Satria ve atahorantsika ny handray ireo raharaha izay ifandonana amin'ny politika ivelan'i Etazonia?

Angelmorn mampahafantatra momba ny “tetikasa Dhaka”, fandraisana andraikitra iray mahafinaritra nataonà mpanamory ara-barotra iray avy amin'ny Emirates Airlines mba hanampiana ireo voahilikilika ao Dhaka.

Ershad Ahmed manoratra momba ireo fombandrazana sy kolontsaina manitikitika ny saina, Henna/Mehendi, ary ny lanjany ao amin'ilay zaratany Indiana.

Mezba mametraka ny Fanontaniana sy Valiny momba ny Fanambadian'ireo Lasibika Desi Marriage.

Bhutan:

Diva avy amin'ny Kuzu-Bhutan Weblog mamaritra ny fomba fandihy ataon'i Bhutan eny an-dàlany mankany amin'ny demaokrasia.

Pedup tsy faly amin'ireo fandraràna vao haingana napetraky ny Fanjakàna ao Bhutan, ary manontany raha mbola misy maro kokoa?

India:

Dina Mehta mizara ireo fanavakavahana atrehana mandritra ny fividianana toeram-ponenana iray tao Mumbai.

Jabberwock manoratra momba ny Fetiben'ny Literatiora Jaipur 2007.

Mridula avy amin'ny Travel Tales from India nahita ny milina Avo Indrindra Manerantany amin'ireo fizaràna vola mibaiko tena (GAB/ATM) ao Thegu (Sikkim, India).

Sujatha Bagal manana torolàlana vitsivitsy ho an'ny fitsangantsanganana iarahana amin'ny ankizy.

Nepal:

Neppal manome vina iray momba ireo bilaogera syvny tontolon'ny bilaogy ao Nepal raha toa kosa i Sara Isman avy amin'ny Nepali Experiences mizara ny zavatra niainany tamin'ny fitsidihany fonja iray tao Nepal.

Pakistàna:

Ayesha avy amin'ny Bilaogy Mena Fotsy ary Mainty miresaka ny tolokevitra voalohany avy any Pakistàna natolotr'i Musharraf momba an'i Kashmir.

Bilal Zuberi avy amin'ny All Things Pakistan mizara ny eritreriny momba ny mety hisian'ny fampiroboroboana ny Bisikileta Vonji-Aina amin'ny vidiny mirary any amin'ireo faritra lavitra ao Pakistàna.

Sri Lanka:

Manshark mamaritra ireo fitantaràny ny andro iray tao amin'ny Galle Literary Festival.

Dimithri Perera miresaka ny fahitàny ny firaisana ara-nofo ao Sri Lanka.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.