- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Ao Anatin'ny Ezaka Hanafoanana Ny Kolikoly, Nantsoin'ny Filohan'i Ozbekistan ho “Fako” Ireo Mpampanoa Lalàna

Sokajy: Azia Afovoany sy Kaokazy, Ozbekistan, Fitantanam-pitondrana, Mediam-bahoaka
[1]

Filohan'i Ozbekistan, Shavkat Mirziyoyev. Sary avy amin'ny fitondrana Rosiana. Creative Commons Attribution 4.0 International

Namatrapatraka ny fahatezerany tamin'ireo mpitsara ao amin'ny fireneny ny filoha Shavkat Mirziyoyev tamin'ny 2 aogositra lasa teo, miampanga azy ireo ho “mpangalatra” sy mpanao kolikoly.

Nitondra ny firenena nanomboka tamin'ny mihintsan-dravina lasa teo i Mirziyoev, rehefa namoy ny ainy taorian'ny 25 taona teo amin'ny fahefana i Islam Karimov, filoham-pirenena voalohany tao Ozbekistan mahaleotena, .

Nahazo fandraisam-peo tsy voasivana [2] misy ny fihaonana an-dahatsary nataon'ny filoha niaraka tamin'ireo mpampanoa lalàna Ozbeka ny Radio Ozodlik vatsian'ny Amerikana ara-bola, izay mandefa fandaharana avy any Prague, nahitana teny manao hoe:

“Мен ўзи прокурор деган одамни, кечирасизлару, жуда ёмон кўраман. Буни очиқча айтяпман, нимага десангиз мен район ҳокими бўлганман, вилоят ҳокими бўлганман, бу ноинсофларни ғўддайишини ”.

Miala tsiny aho, fa tena tsy tia mpampanoa lalàna mihitsy aho….efa filohan'ny distrika aho, mpitarika faritany iray ary fantatro tsara ny fomba fitondran-tenan'ireo olona ratsy saina ireo.

Miaraka amin'ny karama antonony isam-bolana eo amin'ny $ 100- $ 150 ao amin'ny biraon'ny governemanta ao Ozbekistan, manana fiainana raitra ireo manampahefana. Araka ny voalazan'ny Transparency International, miely patrana sy mahazatra ny kolikoly ao Azia Afovoany, mahakasika ireo sarangan'olona rehetra ary indrindra indrindra ny mpitandro ny filaminana izay mampiasa ny toeran'izy ireo sy ny fahefan'izy ireo hanangonan-karena. Laharana faha-156 amin'ireo firenena 176 tamin'ny Tondro momba ny klikoly avy amin'ny Transparency International [3] i Ozbekistan:

The government’s response to widespread and systemic corruption has been weak, with extensive emphasis given to anti-corruption training. Legal and institutional reform is needed to ensure meaningful separation of powers and adequate public accountability of government bodies.

Marefo ny valinten'ny governemanta momba ny kolikoly miely patrana sy mahazatra, amin'ny fanamafisana ny fampiofanana momba ny ady amin'ny kolikoly. Ilaina ny fanavaozana ara-dalàna sy ara-drafitra mba hiantohana ny fizaram-pahefana tsara sy ny andraikitra sahaza eo anivon'ny governemanta.

Toa mifanaraka amin'ny fanehoan-kevitr'ireo mpiserasera Facebook Ozbeka  [4]miresaka ny vaovao avy amin'ny fihaonana izany:

“Молодец наш Президент! Сказал многое, что народ долгое время не осмеливался говорить. Реально человек узнает какой это карательный орган ( хуже чем НКВД, я отвечаю за свои высказывания и готов обосновать их) только после того, когда сталкивается с ним”.

Ekena ry filohanay a! Nilaza izay tsy sahin'ny olona lazaina nandritra ny taona maro izy. Tena marina, rehefa avy miatrika izany ianao, dia mahita fa tena sampan-draharaha manafay ity.

Vao haingana, nanozongozona ny fiarahamonin'izy ireo tamin'ny fanapahan-kevitra tsy mbola nisy toy izany [5]ny roa tamin'ireo mpiray vodirindrina amin'i Ouzbekistan (na ara-jeografika na tamin'ny Tondro avy amin'ny Transparency International), Tajikistan sy Turkmenistan noho ny fisamborana sy fanagadrana ireo mpitandro ny filaminana ambony noho ny fiampangana kolikoly. Nalaina tany amin'izy ireo ny vola an-tapitrisany dolara Amerikana mitovy vidy amin'ny trano raitra, fiara, volamena.

Nisy vaovao mitovy amin'izany avy any Ozbekistana rehefa nanambara ny biraon'ny mpampanoa lalàna fa nosamborina i Gulnara Karimova, [6] zanakavavin'ny filoha Islam Karimov sy matetika tondroina ho “printsesin'ny” firenena [6] noho ny fiampangana kolikoly mitentina an-tapitrasany dolara

Tamin'ny resadresaky ny fihaonana, niresaka momba ny ezaka hanalàna ny kolikoly i Mirziyoyev :

“Мана биз янги Бош прокурор қўйдик, 80 фоиз одамни ўзгартирдик, олдинги қолган ахлатдан, тизимдан, менга бош прокурор қолдирган ўғри тизимидан 20-15 фоиз одамлар юрибди”.

Nanendry lehiben'ny fampanoavana vaovao izahay, nanadio ny biraon'ny mpampanoa lalàna amin'ny fako taloha, ka nanova ny 80%-n'ny mpiasa. Na izany na tsy izany, misy 15-20% sisa tavela tamin'ny rafitra mpangalatra teo aloha… .Hodiovintsika tanteraka izany.

Raha mba misy moa ny zavatra tokony hatao “hanadiovana” ny rakitra maloto momba ny fanitsakitsahana ny zon'olombelona [7]ao amin'ny firenena.