- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Tantara An-tsary Sy Bilaogy: Tsy Voatery ho Lahatsoratra Lavabe Foana

Sokajy: Amerika Latina, Arzantina, Hehy, Mediam-bahoaka

(Marihana fa efa tamin'ny volana Jolay 2006 no nivoaka ny lahatsoratra tamin'ny teny Anglisy)

Amin'ny ankapobeny, mifandray amin'ny lahatsoratra soramilina ireo bilaogy. Saingy nandritra ny fotoana fohy, misy ny fiovàna mahaliana miseho ao amin'ny tontolon'ny blaogy, ary miovaova kokoa ny fomba ampiasaina. Ao Arzantina, lasa mahazatra kokoa sy imbetsaka ny bilaogy tantara an-tsary nataon'ireo olona manana traikefa amin'ny gazetiboky madinika. Manana bilaogy mpanangona mihitsy aza izany, Historietas Reales (ES) [1],  izay manangona andianà mpanao sariitatra maromaro izay manana ny bilaogin'izy ireo manokana ihany koa.

Tsotra ny hevitra tao ambadiky ny Historietas Reales: tantara manokan'ireo mpanoratra izy ireo, izay mifantoka amin'ny lohahevitra momba ny toe-draharaha amin'ny fiainana andavanandro. Nanomboka ny Alatsinainy hatramin'ny Zoma, tantara an-tsary roa no navoaka, ary ny Asabotsy sy Alahady, tantara an-tsary telo no navoaka. Ahitana ny fandraisana anjaran'i Federico Reggiani sy Fran Lopez ao amin'ny Autobiografo (ES) [2]; Fabian Zalazar ao amin'ny Yo conmigo [3]; Diego Agrimbau sy Dante Ginevra ao amin'ny El Asco [4]; Andrés Biscaisaque sy Hernán Cañellas ao amin'ny Martini Seco [5]; Andriamatoa. Exes ao amin'ny El gabinete de Mr. Exes [6]; Ernán ao amin'ny Como me hice rico y famoso [7]; Ángel Mosquito ao amin'ny Granjero de Jesú [8]; Clara Lagos ao amin'ny Clarísimos días [9]; Rodrigo Terranova ao amin'ny La Divina Oquedad [10]; Carolina Moadeb ao amin'ny Indecentemente Cursi [11]; Max Aguirre ao amin'ny Los resortes simbólicos [12]; Andrés Iommi ao amin'ny Mis problemas con los cómics [13]; Z.A.P. ao amin'ny Quien es Z.A.P [14]; Kwaichang Kráneo ao amin'ny La Cárcel de ocho huesos [15]; Marco Guzmán ao amin'ny Jorgete y sus amigos [16] ity tetikasa ity. Mahafinaritra ny hevitra hampitambatra azy rehetra ao anatin'ny bilaogy tokana, satria mahatonga ny mpamaky hanaraka azy ireo mora kokoa sy amin'ny toerana manokana. Indrindra fa mbola vitsy an'isa ireo mpiserasera ireo ankehitriny.

Bilaogy iombonana mampiseho ny nofy ho lohahevitra lehibe ihany koa ny La semana onirica [17]. Misy ireo tantara vaovao avoaka isan'andro, ankoatra ny faran'ny herinandro.

Nitambatra tamin'ny anarana “Mama, soy famoso” [18] (mama, malaza aho) ny vondrona hafa mpanao sariitatra izay manana bilaogy iombonana. Amin'ity tranga ity, tsy misy lohahevitra mazava tahaka izany tahaka ny ao amin'ny Historietas Reales, ka misy ireo lohahevitra maro samihafa, saingy manasongadina hatsikana hatrany izany.

Bilaogy natsangan'ireo mpanao sariitatra telo: Caio di Lorenzo, Federico Baert sy Marcos Vergara kosa ny Historietas Aquelarre [19]. Mamaritra ny tetikasan'izy ireo ho “fantina tantara an-tsary mitohy natao tamin'ny taona 1990 hatramin'izao, avy amin'ireo mpanakanto telo tsy fantatra indrindra teo amin'ny tantara tamin'ny fikasana farany mba ho fantatra avy amin'ny ” Maecenas “.

Ao amin'ny andiana tantaran'ny Historietas Reales ihany, amin'ny tantarampiainan'ny tena ihany (tantara soratan'ny tena), misy ny Liniers: Cosas que te pasan si estas vivo [20] (zavatra mitranga raha mbola velona ianao), avy amin'ilay mpanao sariitatra Arzantina tena malaza, amin'ny asany ao amin'ny gazety La Nacion, izay amoahany ny tantara an-tsariny mitohy antsoina hoe “Macanudo”. Manana bilaogy iray manafangaro ny hatsikana sy ny sary, sy avoaka ao amin'ny gazety Arzantinianina Clarin amin'ny anarana hoe “Yo contra el mundo” [21] (izaho manohitra izao tontolo izao ) kosa i Esteban Podetti, mpanao sariitatra manana tantara lava ao amin'ny boky tantara an-tsary ao Arzantina.