Taobao ao Shina Miatrika Tafiotra Noho ny Fivarotana Ireo Hafatra Manokana Noventesin'ireo Ankizy Afrikana

Dikasary avy amin'ny Taobao tamin'ny alalan'ny HKFP.

Nosoratan'i Jun Pang ity lahatsoratra ity ary nivoaka voalohany tao amin'ny  Hong Kong Free Press ny 9 Aogositra 2017. Avoaka ato amin'ny Global Voices ny endriny eto ambany, noho ny fifanarahana fiarahana miasa.

Niatrika tafiotranà tsikera avy tamin'ireo mpaneho hevitra izay mahita ilay fomba ho fanararaotana sy fanavaham-bolonkoditra ireo Shinoa mpivarotra ao amin'ny Taobao niditra tamin'ny fivarotana sary namboarina tao amin'ny Aterineto ary hafatra an-dahatsary ahitàna ankizy Afrikana.

Tolotra navoaka tao amin'ny sehatra fividianana entana ao amin'ny aterineto izay malaza indrindra any Shina, toeran'ny tsena Taobao an'ny Alibaba, mba ho toy ny fomba “manan-danja” hamoahana hafatra manokana. Notanisain'ireo mpivarotra maro, manasongadina ankizy avy amin'ireo firenena tsy notononina any Afrika ireo lahatsary, miventy ireo hafatra natao manokana amin'ny teny Mandariny no sady mitazona takelaka.

Tolotra mikendry fankalazana fahaterahana, tsingerintaona ary na dia fanambadiana mihitsy aza ireo hafatra amin'ny lahatsary. Ohatra hita amin'ireo sary teo amin'ny fanehoana ny mombamomba ireo mpivarotra ihany koa nampiseho ireo ankizy mamaky mafy ireo dokambarotra ho an'ny fandraharahàna toy ny toeram-pitsaboana nify, orinasa mpanaingo atin-trano, ary ilay milina fikarohana, Shinoa, Sogou.

Dikasary avy amin'ny fikarohana ny “Ankizy mitazona takelaka” ao amin'ny toerana fivarotana'ny Taobao. Tamin'ny alalan'ny HKFP.

Mamahana  olana midadasika bebe kokoa momba ny toetry ny andraikitr'i Shina any Afrika ny resabe tamin'ilay rakitsary. Ny taona 2009, norasin'i Beijing ho toy ny mpiara-miasa lehibe indrindra ara-barotra amin'ny tanibe i Etazonia, saingy misy ireo orinasa Shinoa sasany nampangaina ho mamerina ireo fomba fanararaotan'ireo fanjakana Eoropeana nandritra ny vanim-potoana fanjanahantany.

Eo amin'ny 10 RMB 10 ka hatramin'ny 220 RMB yuan (eo amin'ny 1,5 US$ – 35 US$) eo ny vidin'ilay rakitsary. Ireo mpividy misafidy ny vidiny ambonimbony kokoa dia mahazo lahatsary 10-20 segondra manasongadina ankizy miisa folo eo ho eo mamaky hafatra amin'ny teny Mandariny, mamaly ireo torolalana avy amin'ireo mpiandraikitra ny lahatsary. Ireo mividy ny moramora kokoa indray dia mahazo sarinà ankizy mitazona takelaka miaraka amin'ny hafatra voasoratra amin'ny tànana. Matetika vita ao anatin'ny 24 ka hatramin'ny 72 ora aorian'ny famandrihana ireo lahatsary.

Ny mpivarotra iray nametraka fanambaràna teo amin'ny famariparitana ny vokatra ary nanamafy fa niasa an-tsitrapo ireo ankizy:

Tsy entana ireo ankizy. Tsy afaka manao safidy amin'ireo horonantsary samihafa ianao. Misaotra amin'ny fahatakaranao izany.

Nanao dika tamin'ny sasany amin'ireo lahatsary dokambarotra ny HKFP:

Mpivarotra iray manao dokambarotra ireo lahatsariny ho endrika “asa fanasoavam-bahoaka.” Maka toerana ho toy ny mety ho mpividy manandanja, nanontany ny HKFP raha toa ny vidin'ny lahatsary iray hanome tamby ireo ankizy tafiditra amin'ny famokarana azy io.

Hoy ilay mpivarotra:

Manao izao amin'ny hatsaram-poko aho. Tsy azoko antoka – Mindrana olona hafa aho handrakitra ilay lahatsary ho ahy. Tsy fantatro hoe ohatrinona ny nomena ireo ankizy. Miala tsiny.

Mpivarotra iray hafa nilaza fa “heverina toy ny miasa” ireo ankizy. Raha nanontaniana ny hakelin'ny taonan'ireo ankizy izy, nilaza ilay mpivarotra fa tsy mahalala ny momba ny pitsopitsony amin'ny famokarana, fa hoe “tena nomena vola” kosa ireo ankizy amin'ny fandraisany anjara.

“Adala, mora vidy, maharikoriko”

Nahatonga resabe tao amin'ny Aterineto ilay fomba, miaraka tamin'ny mpaneho hevitra iray ao amin'ny sehatra any Etazonia, Sixth Tone milaza izao:

Traikefa voalohan'ny Shina amin'izao vanimpotoana izao miaraka amin'ny fanjanahana amin'nyendriny vaovao ? Tena kidaladala tanteraka ity.

Mpaneho hevitra iray hafa ao amin'ny The Paper, media nomerika Shinoa, nilaza izao:

Adala, mora vidy, maharikoriko. Manosoka hevitra ny hampidirana ireo olona ireo am-ponja aho.

Iray hafa nilaza izao:

Tena mahamenatra tanteraka! tsy hoe tokony hanapitra ny fiaraha-miasa amin'ireo fivarotana ireo fotsiny ny Taobao, tokony hanadihady ireo mpivarotra amin'ny dokambarotra diso sy fanavakavahana tsy tia mainty hoditra ihany koa izy – manimba ny lazan'ny firenentsika izy ireo.

Ireo sasany kosa anefa, niaro ilay fomba fanao:

Mahatsapa aho hoe tsy zavatra ratsy izao. Mahazo vola ireo ankizy, vita dokambarotra ireo orinasa. Milamina tsara izany.

Ny iray hafa nanampy hoe:

Ny mitazona takelaka fotsiny no zavatra ataon'ireo ankizy, avy eo izy ireo mahazo dolara vitsivitsy. Amin'izao ianareo mimenomenona amin'ny zavatra tsy misy dikany izao, tsy mahazo izany akory izy ireo.

Niresaka taminà Shinoa mpakasary izay efa nanao hafatra an-dahatsary toy izao tany Zambia ihany koa ny Beijing Youth Daily. Nilaza ilay mpakasary fa mahazo tsakitsaky kely na dolara kely tsirairay avy fotsiny ireo ankizy izay miseho ao amin'ireo lahatsary.

Ilay olona maka ilay rakitsary indray mahazo eo amin'ny 90 RMB (eo amin'ny 15 $) isaky ny lahatsary, izay varotan'ny mpivarotra amin'ny Taobao avy eo, amin'ny vidiny roa avo heny.

Lalànan'ny dokambarotra

Nilaza ny Taobao fa nahazo fitoriana mikasika ireo mpivarotra sasany mampiasa ankizy Afrikana, ahiahiana ho fanitsakitsahana ny lalàna Shinoa momba ny dokambarotra, izay milaza fa tsy “hampiasa fiteny tafahoatra” ireo mpanao dokambarotra amin'ireo fitaovany fanaovana dokambarotra. Nilaza ilay orinasa fa hanala ireo vokatra raha toa ka voamarina ireo fitoriana.

Teo aloha ireo mpampiasa nitsikera ireo mpivarotra ho nanome alalana ireo hafatra namboarina manokana hisy votoaty tsy mendrika, ahitàna ireo fehezanteny fanindrahindraina toy ny “ny tsara indrindra,” “ny be mpitia indrindra,” ary ny hoe “na ireo Afrikana aza mahalala an'io!” ary hatramin'ireo dokambarotra ho an'ny fijerena mivantana lahatsary vetaveta.

Ireo mpivarotra sasany manamarika eo amin'ireo mombamomba azy fa tsy afaka ampidirana teny manompa, resaka vetaveta, filazàna filokàna na rongony, na dokambarotra manambony tena ireo hafatra atao manokana.

Hatramin'ny namoahana ity lahatsoratra ity, mbola misy ihany ireo mpivarotra maro manome ireo tolotra avy amin'izy ireo ao amin'ilay sehatry ny fivarotana ao amin'ny Aterineto.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.