- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Goatemalà: Mankalaza Ny Saripika Mandritra Ny Volana Septambra

Sokajy: Amerika Latina, Goatemalà, Mediam-bahoaka, Saripika, Zavakanto & Kolontsaina

(Marihina fa tamin'ny 15 Septambra 2008 no nanoratana ny lahatsoratra teny anglisy)

Sary avy amin'i  Andrés Asturias, natolotry ny Foto30.

Hoy ilay mpaka sary  Diane Arbus [1] indray andro hoe “Tsiambaratelo momba ny tsiambaratelo ny saripika . Arakaraka ny hilazany aminao zavatra iray no tsy hamantaranao izany, ” ary maneho ny fihetseham-po, toerana, toe-javatra, ny zava-misy, ny tantara foronina, ny hita sy ny tsy hita maso ny saripika. Hankalazaina mandritra ny volana Septambra manerana ny trano fampirantiana zavankato maro ao an-tanàndehiben'i Goatemala, Antigua sy Quetzaltenango ny “Foto30″, volana iray hanaovana fampiratiana, atrikasa ary hetsika fankalazana ny saripika.

Hizara ny fanehoan-kevitr'ireo bilaogera aho, izay nanatrika sy nandray anjara tamin'ny Foto30 Guatemala 2008, kanefa mialoha izany dia tiako ny manasongadina ny fomba nampiasan'ny trano fampirantiana zavakanto sy ny fikambanana ara-kolontsaina ireo blaogy mba hilazan'izy ireo ny vaovao momba ny hetsika, ny fanoloran'izy ireo ny mpamaky ny sombiny amin'ny fampiratiana , ary ny fanomezana vaovao bebe kokoa momba ny mpanakanto, ny fahatsapana voalohany, ny tsikera ary ny sosokevitra:

  1. Casa del Mango [es] (Mango House) [2] , a tiny, yet specialized art gallery and cultural center located in a hidden corner of Antigua. They are hosting a black and white exhibition “Una de Cal, una de Arena” (loosely translated to mean ‘you win some, you lose some’). They recently invited their guests through their blog and kindly requested them to bring some drinks to celebrate with them.
  2. The blog of Luna Park Online Magazine [es] [3] invited all the people in Quetzaltenango, where large Independence Day Celebrations are taking place, to attend the opening of Foto30, where a brilliant photographer from Xela, Luis Estacuy will showcase his work. The exhibit is hosted by the Casa Noj` Xela Cultural Center [4], who also describes the event on its blog, El Azar Cultural [es] [5]. It includes a printed cultural agenda, and also constantly updates its blog to tell people about the variety of exhibitions taking place.
  3. In addition, virtual galleries are moving to real spaces for Foto30. Antigua Daily Photo blog presented a Black and White exhibition [6] (promoted and attended by many bloggers) at CafeNose [7], an open bar that deserves a visit.
  4. The organizers created a vivid, colorful, and up to date blog Foto302008 [es] [8], where everyone can find the daily agenda, leave comments, check links to some artists portfolios and start the conversations, which is something that the blog CCE/G [es] [9], did when describing the exhibitions and conferences they will be hosting. Their partner center, EspacioCe! will also be hosting one of the most beautiful exhibition, Laberinto de Miradas [10], with works from all Iberoamerica.

1.Casa del Mango [es]  [2], trano fampirantiana zavakanto kely kanefa tena miavaka manokana sady foibe ara-kolontsaina any amin'ny toerana takotakona ao Antigua. Nampiantrano fampiratiana mainty sy fotsy izy ireo “Una de Cal, una de Arena” (izay azo adika hoe ‘mahazo kely, very kely ‘). Vao haingana izy ireo no nanasa ny vahiny tao amin'ny bilaoginy ary nangataka azy ireo hitondra zava-pisotro mba hankalaza izany miaraka aminy.

2.Nanasa ny olona rehetra tao Quetzaltenango ny bilaogin'ny Luna Park Online Magazine [es] [3] , tamin'ny Andro lehibe Nankalazana ny Fahaleovantena , mba hanatrika ny fanokafana ny Foto30, izay nahitana ny mpaka sary goavana avy any Xela, Luis Estacuy mampiseho ny sanganasany. Nampiantranoan'ny Foibe Ara-kolontsaina Casa Noj` Xela [4] ny fampirantiana, izay nanoritsoritra ihany koa ny hetsika tao amin'ny bilaoginy, El Azar Cultural [es] [5] . Anisan'izany ny fandaharam-potoana ara-kolontsaina vita pirinty, ary nohavaozina tsy tapaka ny bilaoginy mba hilazana amin'ny daholobe momba ireo karazana fampirantiana mitranga.

3.Ankoatra izany,  nifindra nankany amin'ny sehatra tena izy ho an'ny Foto30 ny trano fampirantiana zavakanto virtoaly. Nanolotra ny fampirantiana Mainty sy Fotsy [6] (notohanana sy natrehan'ny bilaogera maro) tao CafeNose [7] ny bilaogy Antigua Daily Photo, toerana fisotroana zava-pisotro iray tokony ho tsidihana.

4. Namorona ny bilaogy mavitrika, maroloko, ary nohavaozina tsy tapaka Foto302008 [es] [8] ny mpikarakara, izay ahitan'ny olona rehetra ny fandaharam-potoana isan'andro, mametraka fanehoan-kevitra, mijery rohy mombamomba ny mpanakanto ary manomboka ny fifanakalozan-kevitra, toy ny ataon'ny bilaogy CCE/G [es] [9]  rehefa milaza ny fampirantiana sy ny fihaonambe hampiantranoany izy.  Hampiantrano ny iray amin'ireo fampirantiana tsara indrindra, Laberinto de Miradas [10] ihany koa ny foibe mpiara-miasa aminy EspacioCe!, miaraka amin'ny sanganasa rehetra avy any Amerika Latina.

Ny volana Septambra ihany koa dia fotoana ahafahana tsara mijery ireo sary mahaliana maro ao amin'ny bilaogy Goatemalteka , toy ny  Paracaidas [es] , tao amin'ny lahatsorany vao haingana Ceremonial  [11] (fakàna ny sarin'ny lanonana Mayana), na ny saripika mahafinaritra nataon'ny bilaogeran'ny Pictoricas [es] [12] Paula Morales, raha naka ny sary goavan'ny Foto 30 tao an-dalamben'i Goatemalà [13] kosa i Jose Manuel Mayorga.  Mampiseho ny sary mahafinaritry ny ankizy izay naka ny iray amin'ireo sary tao amin'ny atrikasa [14] ny bilaogin'i Luis Villacinda, Ex Acto Non Once [es] .

Ary misy ihany koa ny bilaogy sary an-gazety, toy ny an'ny Mi Mundo [es] [15] avy amin'ny mpaka sary James Rodríguez, izay ahitanao amin'ny fotoana rehetra ny sarin'ireo izay tsy misy feo miantso kanefa misarika ny saintsika.