- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Koety: Ny Fifangaroan'ny Havandra, Orana, Rivotra Ary ny Vovoka Mahatsiravina

Sokajy: Afrika Avaratra sy Afovoany Atsinanana, Koety, Mediam-bahoaka, Teknolojia, Tontolo_iainana, Vaovao Mafana, Voina

(Marihina fa tamin'ny 12 Aprily 2008 no nanoratana ny lahatsoratra teny anglisy)

Tsy mahazatra tamin'ity taona indray mitoraka ity, namely an'i Koety ny karazana ‘Tadio kely,’ izay nahitana “ny fifangaroan'ny havandra, orana, rivotra, vovoka, ary rivotra nifofofofo mahatsiravina ” araka ny tenin'ny bilaogera Kuwaitism [1]. Niaraka tamin'ny finday sy ny fakantsary nomerika, feno fitantarana ny toetr'andro tsy nampoizina izay namely ny firenena ny tontolon'ny bilaogy Koesiana.

Nanambatra haingana ity lahatsary ity mihitsy aza i Kuwaitism, izay nalainy tamin'ny findainy, ary azo jerena ao amin'ny YouTube [2]:

Nahitana sary maromaro ihany koa ny lahatsoratr'i Kuwaitism izay mampiseho mazava ny ranomandry eny an-dalambe sy ny hazo nianjera, teo ambonin'ny fitoera-moteran'ny fiara ny iray tamin'izany. Toy izao manaraka izao no nanazavany ny zava-nitranga nahatsiravina:

There were many many more scenes like that which I couldnt take pictures of! I saw light posts on the ground, I saw scaffolding fallen from buildings onto the roads, I saw huge billboards plucked from the ground …

I really hope not many people were hurt, and thank God we have the law against the elections signs on the roads, otherwise it could have been even more disastrous!

Mbola maro be ny zava-nitranga toy izany izay tsy azoko sary! Nahita andrin-jiro aho teny amin'ny tany, nahita andrin-jiro nianjera avy eny amin'ny tranobe aho teny an-dalambe, ary nahita takelaby lehibe nifatratra tamin'ny tany aho.

Manantena aho fa tsy maro ny olona naratra, ary misaotra an'Andriamanitra fa manana lalàna isika manohitra ny famantarana ny fifidianana eny an-dalambe, raha tsy izany mety ho ratsy kokoa noho izany ny zava-nitranga!

Nanontany i Rampurple [3] raha rivodoza no nitranga tao Koety ka nilaza hoe:

What just happened? One minute I’m surfing the net with my window open enjoying the breezy air and the next minute am running around the room flooded with water!!!

Fa inona no nitranga? Iray minitra monja aho no nikaroka tao amin'ny aterineto niaraka tamin'ny varavarankeliko nisokatra raha nankafy ny rivotra nafana ary minitra vetivety monja taorian'izay dia tondraky ny rano ny efitrano  .

Manome antsika ny tatitra amin'ny antsipirihany momba ny zava-nitranga i Mark [4] mandritra izany. Hoy izy nanoratra:

Although my windows were all closed dust still managed to come into the house and now EVERYTHING has a layer of sand on it. I couldn’t see ANYTHING outside my window. When I first heard the wind I looked outside and I saw a cloud of sand literally sweep into my block like a huge wave, something I’ve only seen in movies. Within second visibility dropped down to like 10cm, I couldn’t see ANYTHING outside. That extremely powerful wind with dust continued for a couple of minutes before I started hearing a banging sound on my window. I stepped back thinking whatever was hitting my window was going to break it but then I noticed it was rain drops. In a few seconds it started raining really strong and the dust cleared up but then I noticed the rain was so powerful and in such large quantity that water started pouring into my apartment like a waterfall from the window sill. I quickly grabbed a ton of towels and started to do what I can to hold back the water.

Na dia nihidy avokoa aza ny varavarankeliko dia mbola tafiditra tao an-trano ihany ny vovoka ary ankehitriny misy fasika avokoa eo ambonin'ny ZAVA-DREHETRA. Tsy nahita NA INONA NA INONA  aho tany ivelan'ny varavarankely. Nijery tany ivelany aho raha vao naheno ny rivotra ary nahita rahom-pasika izay nifatratra ara-bakiteny toy ny onja mahery taty amin'ny tranoko, tao anaty horonantsary ihany no nahitako toy izany. Tsy nahita NA INONA NA INONA tany ivelany aho tao anatin'ny 10sm nahitako izany faharoa . Nitohy nandritra ny roa minitra talohan'ny nanombohako nandre feo nidoboka teo amin'ny varavarankeliko ity rivo-mahery nahery vaika ity niaraka tamin'ny vovoka. Niverina aho hijery ny zavatra mety nikapoka ny varavarankeliko ka mety nanimba izany saingy avy eo tsikaritro fa latsaka ny orana. Nanomboka latsaka ny orambe mivatravatra tao anatin'ny segondra vitsy ary nadio ny vovoka saingy tsikaritro fa nivatravatra ny orana ka nanomboka niditra tao an-tranoko toy ny riandrano avy any ambadiky ny varavarankely. Naka lamba maro haingana aho ary nanomboka nanao izay azoko natao mba hitazonana ny rano.

Nametraka kaonty mailaka ihany koa izy , miantso ny mpamaky mba handefa any aminy ny sarin'ny fahavoazana, izay navoaka ato [5]ankehitriny. Nandefa ny rohin'ny lahatsary nisy ny tafiodrivotra i Mark ato [6].

Niantso ny tafiodrivotra hoe Sibeecha i Kuwaitism [1] araka ny fomban-drazana sy ny fanomezana anaram-behivavy ny rivodoza, raha Kuwaitina [4] kosa no niantsoan'i Mark azy rehefa nanaraka ny torohevitra avy amin'i Susheeh izy.

Tsy tao an-drenivohitr'i Koety Frankom [7] (Ar) nandritra izany fotoana izany , fa tany amin'ny faritra ‘Chalets’, toeram-pialantsasatra malaza iray. Hoy izy raha naminavina:

صحف الغد ستكون عناوينها كالتالي … تسونامي الكويت أو كاترينا كويتي

Mivaky toy izao ny lohatenim-baovaon'ireo gazety rahampitso : Ny Tsunami Koesiana na Ny Katrina (rivodoza namely an'i Etazonia) Koesiana

Araka ny AFP [8], olona iray no maty ary maro no naratra, raha namely an'i Emirà ny tafiodrivotry ny havandra mahery .