- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Iza No Ao Ambadiky Ny Fahombiazan'ny Media Mpanesoeso Ao Hong Kong?

Sokajy: Azia Atsinanana, Hong Kong (Shina), Media sy Fanoratan-gazety, Mediam-bahoaka, Toekarena sy Fandraharahàna
[1]

Pikantsary tamin'ny fandaharana vaovao manesoeso telo minitra tao amin'ny MostTV.

Nandritra ny taona maro, niady mba hampitombo ny tombombarotra amin'ny vanim-potoana nomerika ny indostrian'ny haino aman-jery ao Hong Kong ary hihazona ny fahamendrehana amin'ny famoahana lahatsoratra amin'ny fotoana izay mihasarotra hatrany ny fanehoan-kevitra malalaka. Raha ny marina, vitsy dia vitsy ny tranga momba ireo orinasa mahazatra izay nahomby tamin'ny maodely fihariana nomerika voalohany ary iray amin'ireo tranga tsy fahita firy ny fangatahana fidirana amin'ny tsenam-bolaan'ny fampahalalam-baovao mpanesoeso 100 Most.

Tamin'ny 26 jolay, nametraka antontan-taratasy tany amin'ny Hong Kong Stock Exchange ny Most Kwai Chung Limited, mpandraharaha amin'ny fampahalalam-baovao malaza ho mahatsikaiky TVMost [2], fampahalalam-baovao an-tserasera iray, sy ny 100Most, gazetiboky Shinoa manana fampahalalam-baovao Facebook ahitana mpanjohy maherin'ny 1,1 tapitrisa.

Nampiseho ny fangatahana fidirana amin'ny tsenambola fa teo anelanelan'ny 1 Aprily 2016 sy 31 Martsa 2017, nahazo fidiram-bola 95 tapitrisa dolara Hong Kong [3] (eo ho eo amin'ny 2,1 tapitrisa dolara amerikana)  ny orinasa – avy amin'ny dokambarotra amin'ny media nomerika ny ankamaroany – ka nahazoana tombombarotra tsy afa-karatsaka 58 tapitrisa dolara Hong Kong [4] (eo ho eo amin'ny 1,4 tapitrisa dolara Amerikana). Maneho fitomboana 74 isanjato tamin'ny vola miditra taona 2015-2016 izany.

Tanora telo, Roy Tsui, Chan Keung sy Bu no nanangana ny orinasa tamin'ny Janoary 2010 miaraka amin'ny vola fanombohana latsaky ny 1000 dolara.

Na dia miompana amin'ny famokarana dokambarotra aza ny orinasa fampahalalam-baovao, dia nahangona votoaty malaza antserasera izay maneso ny raharaha ankehitriny miaraka amin'ny mpomba ny demaokrasia na politika mitongilan'ny “mpifikitra hiringiriny amin'ny ao an-toerana” (manondro ny hetsika mampiroborobo ny soatoavina sy kolontsaina eo an-toerana mihoatra noho ireo ao amin'ny Shina tanibe). Raha ny marina, ny anarana Shinoa an'ireo fampahalalam-baovao roa dia, “Most” na “Mou Gei” (毛 記), hala tahaka manesoeso tamin'ny anaran'ny fahitalavitra mahazatra ao an-tanàna Television Broadcast (TVB) na “Mou Sin” amin'ny teny Kantaoney. Maro tamin'ireo fandaharany malaza, toy ny vaovao manesoeso telo minitra isan'andro, no nalaina tahaka (mba hampihomehy) tamin'ny fandaharan'ny TVB.

Niteraka adihevitra antserasera ny fahombiazan'ny TVMost sy 100Most. Nilaza ny sasany tamin'ireo mpiserasera fa tokony hanatsoaka lesona amin'ny maodely fandraharahan'ny Most ireo tranonkalan-gazety hafa hahombiazana eo amin'ny tsena. Na izany aza, ny hafa indray mahita azy ireo ho sehatry ny votoaty ambony kalitao ary manahy fa mety hanakana ny sehatra asa fanaovan-gazety matotra ny fitantanana fialam-boly sy vaovao ao amin'ilay votoaty malaza antserasera.

Nikarakara adihevitra an-tserasera momba ny maodely fandraharahan'ny Most amin'ny fampahalalam-baovao ny sehatry ny asa fanaovan-gazety mpanao fanadihadiana, Initium. Ity ambany ity ny iray tamin'ireo fanehoan-kevitra [5].

@Lamwaai nanohana ny paikadim-baovao manesoeso an'ny Most100:

我覺得100毛是年輕而有趣的新聞媒體,它給了壓力下生存的年輕人一種全新的可能性吧

Mino aho fa fampahalalam-baovao tanora sy mahatsikaiky ny Most100. Nanome ho an'ireo tanora izay iharan'ny fanerena be mba hampihatra izany eo amin'ny fiainana miaraka amin'ny (sehatra asa) vaovao azo atao izany.

@sixstrings koa nankasitraka ny Most100 ary nanazava ny tontolon'ny sosialy sy politika momba ny fahombiazany:

抽水和政治戲仿在香港文化中一直有脈絡,100毛那種一切都可以惡搞的姿態,戲仿香港電台節目的二次創作,很可能是三位創辦人在電台出身時培養的觸覺。他們懂得怎樣切入時事才會有香港人看,懂得找觀眾。
我認為100毛沒有「主導」公共討論,至少100毛沒有表現出這樣的企圖。它只是在政治娛樂找到自己的定位,也許腦細們也沒有預計到這樣的成功。100毛的惡搞受歡迎,背後應是社會無力改變現實,只能在戲謔中找快慰。

Misy fiaviany avy ao an-toerana ny kolontsaina fanaratsiana sy ny hala tahaka ara-politika. Nanana traikefa tamin'ny fiasàna tao amin'ny fahitalavitra Hong Kong sy ny Radio Broadcast [fampielezam-peo Hong Kong vatsian'ny governemanta ara-bola] tamin'ny famokarana parôdia ireo mpamorona telo, angamba nanatsara ny paikadin'izy ireo malaza izy ireo hidirana amin'ny fandraharahana ankehitriny ary hisarika mpihaino.
Tsy mihevitra aho fa nitarika adihevitra ho an'ny daholobe ny Most100, na farafaharatsiny toa tsy manana fikasana hanao izany. Ao anatin'ny fialamboly ara-politika fotsiny izy. Angamba aza tsy niandrandra fahombiazana tahaka izany ireo mpanorina. Ny antony mahatonga ny parodian'ny Most100 ho malaza dia mifandraika amin'ny zava-misy fa tsy afaka manova ny fiarahamonina ny olona ary noho izany, mankafy vaovao manesoeso no azon'izy ireo natao.

@Mr Kwan indray nahita ny voka-dratsy naterak'ireo vaovao manesoeson'ny Most100 teo amin'ny asa fanaovan-gazety matotra:

現在網絡與手機盛世的時代,似乎大家都覺得內容(content)應該是免費的,不應該像昔日那般(即紙媒主導的年代)是付費的。當一旦看到需要收費才能看的內容,就很下意識地離開尋找其他免費的替代源。[…]
慢慢,整個電子媒體都在爭用戶流量來讓廣告收益作爲媒體營運的主要來源。[…]爲了流量,新聞都娛樂化,標題黨化,情色化,取巧化 […] 而100毛的成功崛起,正是因爲站對了這個大衆品味的風口。[…]
由於100毛的內容成功是基於時事熱話的二次創作,我的觀察是,大衆慢慢地將100毛當作另類時事與新聞去看“新聞” […] 其實對新聞傳播而言,不是一件好事。

Ao anatin'ny vanim-potoanan'ny aterineto sy ny fifandraisana amin'ny finday isika ankehitriny, mihevitra ny olona fa tokony maimaim-poana ny votoaty ary tsy tokony hampandoavina vola (tsy toy ny gazety mahazatra). Na izany aza, rehefa mahita votoaty tsy misy fahalalahana izy ireo, dia mitady vahaolana. […] Nanjary niantehitra tsikelikely tamin'ny pejy voatsidika ho an'ny fidiram-bola amin'ny dokambarotra ny sehatry ny media nomerika. […] Mba hampiroboroboana ny fitsidihana ny pejy, ampiasaina hanangonam-baovao […] ny paikady miankina amin'ny fialamboly, lohateny mahafinaritra, pôrnôgrafia ankoatra ny hafa. Maneho ny ankafizin'ny maro ny fahombiazan'ny Most100[…]
Raha hala tahaka manesoeso avy amin'ireo lohahevitra mafàna mikasika ny toe-draharaha ankehitriny ny votoatin'ny Most100, mahita miandalana ny Most100 ho vaovao fanampiny sy mandray ny votoaty ho vaovao ny vahoaka […] Tsy fampandrosoana tsara ho an'ny asa fanaovan-gazety izany.

Lam Yin Bong, mpiasan'ny fampahalalam-baovao iray, nilaza [6] tao amin'ny Stand News, fampahalalam-baovao tsy mitady tombontsoa, fa tsy tokony hanafangaro ny fandraharahana amin'ny famokarana fampahalalam-baovao amin'ny asa fanaovan-gazety ny olona:

新聞媒體轉型失敗,並不代表100毛的成功,是新聞媒體可以/應該學習的方向。
其一,100毛(及其他類似平台)對「新聞」過份簡化和情緒化的操作方式,就是抽水,休閒笑笑無妨,作為嚴謹的一手資訊來源絕不可取;其二,其集中二次創作、忽略一手資訊的定位,和發掘一手資訊以監察社會的新聞媒體角色,本來就有衝突;其三,又很老土地說,我無法想像新聞媒體,為財團「度橋」賣廣告。

Afaka milaza isika fa tsy nahita ny lalany ny fampahalalam-baovao. Tsy midika izany fa ny fahombiazan'ny Most100 dia zavatra azo na tokony hianaran'ny fampahalalam-baovao.
Voalohany indrindra, nanatsotra sy nanome endrika mahatalanjona ny vaovao ny Most100 (sy ny sehatra hafa mitovy amin'izany). Afaka mandray ny parôdia ho fialam-boly isika saingy tsy tokony handray izany ho loharanom-baovao. Faharoa, ny paikadiny ara-barotra amin'ny fanangaroana ny vaovaon'ny hafa ho vaovao dia mifanohitra amin'ny fampahalalam-baovao mampiseho ny tenany ho mpanaramaso ny fiarahamonina amin'ny alalan'ny fikarohana loharanom-baovao voalohany. Fahatelo, amin'ny maha tranainy, tsy azoko an-tsaina mihitsy ny fampahalalam-baovao mandray andraikitra hanampy ireo orinasa hampivelatra hevitra amin'ny fivarotana ny vokatr'izy ireo.