- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Kurdistance: Vaovao Farany Momba Ny Tetikasa ONG

Sokajy: Afrika Avaratra sy Afovoany Atsinanana, Iràka, Iràna, Syria, Tiorkia, Fahalalahàna miteny, Fanoherana, Fifindràmonina, Foko sy Fiaviana, Hafanàm-po nomerika, Mediam-bahoaka, Mpitsoa-ponenana, Tanora, Voina, Vonjy Voina, Zon'olombelona

(Marihana fa lahatsoratra efa nivoaka tamin'ny volana Mey 2006 ity adika amin'ny teny Malagasy eto ity)

Ok, angamba ratsy fipetraka ny lohatenin'ny lahatsoratra androany, saingy milaza ny tetikasa ONG ireo mpaneho hevitra rehetra… ary hanome rohy fanampiny mikasika ireo tetikasa ONG Kiorda hafa ho anao ihany koa aho.

Nanomboka ny fanentanany fehilamba volomparasy ho an'ny vahoakan'i Iraka tamin'ny fomba ofisialy  [1]ny Pearls of Iraq (ary tafiditra koa ny Kiorda). Jereo ny tranonkalany ho an'izay mahazaka sary mampihoron-koditra raha liana ianao.

Today starts the official campaign of the Iraq Purple and Yellow Ribbon Campaign. The Ribbons symbolize support for the Iraqi people to be tied with a yellow ribbon for the troops: American, international and the Iraqi military who are making a positive difference. The purple finger of freedom combined with the yellow is a great way to show the Iraqi people our support.

Androany no nanomboka ny fanentanana ofisialy ny fehilamba Volomparatsy sy Mavo ao Iraka. Maneho fanohanana ny vahoaka Irakiana ny fehilamba mba hifatorana amin'ny fehilamba mavo ho an'ireo tafika: miaramila Amerikana, iraisampirenena sy Irakiana izay mitondra fanovana tsara. Fomba tsara hanehoana ny fanohanantsika ny vahoaka Irakiana ny rantsantanana volomparasy ny fahalalahana miaraka amin'ny loko mavo.

Manome tombatombana mahafinaritra momba ny ONG Kiorda Kurdistan Save the Children (Arovy ny Ankizy) [2] ihany koa ny Pearls of Iraq [3]

I visited with Kurdistan Save the Children whose work expands Kurdistan and includes Baghdad. They are strong in education, youth centers and cultural centers, which they call Kaziwa which means ‘dawn’ in Kurdish. I visited one center in Sulaimaniya and was so pleased at the hard work four young men have accomplished over the years. They have developed a large youth center with many activities including sports, art, computer training, English classes, music rooms, computer rooms, internet café (the young people pay tiny fee which teaches them respect of equipment) exercise workout room (for both girls and boys, scheduled appropriately), a media and film department, cafeteria, and a huge center hall with a circle upper balcony, perfect for drum circles. He was very open to different activities including the drum circles that I suggested. Music and art in addition to other activities is strongly encouraged.

The manager of this center is a young man with his 3 associates and they have the drive and good hearts to help the children in the city.

Niara-nitsidika tamin'ny Kurdistan Save the Children aho, izay manerana an'i Kurdistan ny sehatr'asany ary koa i Bagdad. Matanjaka izy ireo eo amin'ny resaka fampianarana, foiben'ny tanora sy ny foibe ara-kolontsaina, izay antsoin'izy ireo hoe Kaziwa, midika hoe “maraimbe” amin'ny Kiorda. Nitsidika foibe iray tao Sulaymaniyah aho ary tena faly nahita ny asa mafy vitan'ireo tovolahy efatra nandritra ny taona maro. Nanangana iyotoerana lehibe ho an'ny tanora izy ireo, izay ahitana hetsika maro toy ny fanatanjahantena, zavakanto, fampiofanana momba ny solosaina, fampianarana teny Anglisy, efitra ho an'ny mozika, cybercafe (mandoa vola kely ny tanora mba hianaran'izy ireo manaja ny fitaovana), efitra fanaovana fanatanjahantena (ho an'ny tovovavy sy ny tovolahy, fandaharam-potoana araka ny tokony izy), sampana momba ny media sy ny horonantsarimihetsika, efitra fisotroana kafe, efitrano lehibe afovoany ahitana lavarangana ambony boribory, sahaza ho an'ny fitendrena ampongamaroanaka. Nisokatra tanteraka tamin'ny hetsika maro samihafa izy, anisan'izany ny fitendrena amponga izay noresahako. Ampirisihana tanteraka ihany koa ny mozika sy ny zava-kanto ho fanampin'ireo hetsika hafa.

Tovolahy manana mpiara-miasa 3 no talen'izany foibe izany ary amin'ny fo madio no hanampiana ny ankizy ao an-tanàna.

Save Roj TV mampahatsiahy antsika [4] fa azo trohana ny Tati-baovao avy amin'ny Mpanaramaso ny
Zon'olombelona Kiorda
. Namokatra zavatra mahafinaritra ny KHRP, mandrisika anao aho hijery izany.

Rasti [5] indray nanoratra momba ny fizarana Torkia momba ny Tatitry ny Amnesty International [6]:

In general, AI seems to be in agreement that things are really going to hell in Turkey. After the events of the first half of this year, I predict AI's 2007 report is going to be a lot more intense. Give that report a read so that you can make your own comparison of how bad things have gotten.

Amin'ny ankapobeny, satria toa manaiky ny Amnesty International fa miharatsy tanteraka ny toe-draharaha ao Torkia. Taorian'ireo zava-nitranga nandritra ny enimbolana voalohany tamin'ity taona ity, maminavina aho fa ho mafy kokoa ny tatitra 2007 an'ny Amnesty International. Vakio izany tatitra izany mba hahafahanao manao fampitahana manokana momba ny fiharatsian-javatra.

Iireo rohy hafa momba ny ONG Kiorda, vakio ireto manaraka ireto:
American Kurdish Information Network [7]
Institute Kurde de Paris [8]
KOMAK [9]
Washington Kurdish Institute [10]
Raha mbola te hahafantatra maro hafa ianao, ity lisitra lavabe ao amin'ny tranonkalako iray Kurdistan Blog Count. [11]
Amin'ny herinandro manaraka indray….
Till next week….