- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Tontolon'ny Bilaogy Soahily (Swahili): Feon'ny Fahendrena, Asa Fampandrian-tany Ary Ilay Mpanjaka Farany Tany Ekaosy

Sokajy: Afrika Mainty, Kenyà, Tanzania, Ady & Fifandirana, Fanabeazana, Fitantanam-pitondrana, Mediam-bahoaka, Mozika, Sarimihetsika, Toekarena sy Fandraharahàna, Zavakanto & Kolontsaina

(Fanamarihana: lahatsoratra nivoaka tamin'ny Febroary 2007)

Natao tany Zanzibar tamin'ity herinandro ity ny fetibe Sauti za Basura 2007 fanao isantaona  (Fetiben'ny Mozika Feon'ny Fahendrena) [1], nireharehanà andiana mpanakanto avy any Afrika atsimon'i Sahara ary koa avy any Eoropa.

Entin'ilay voalohany mpitoraka bilaogy an-tsary any Tanzania, Issa Michuzi, [2] isika hitety [3] ilay fetibe ary anomezany voninahitra manokana an'i Bi Kidude [4], ilay olona 95 taona nahazo ny lokan'ny WOMEX fifaninankira iraisampirenena [5]. Manaraka an'i Bi Kidude eny an-tsehatra [6] sy any ambadiky ny sehatra miala voly miaraka amin'ireo mpankaf [7]y izy. Manana karazany maro amin'ireo lahatsarin'ilay fetibe ny Busara Live [8].

Mrocky [9] mpitoraka bilaogy an-tsary iray hafa no mandefa sarinà andiana miaramila Tanzaniana [10] vonona hanainga ho amin'ny asa fampandrian-tany voalohany ataon'izy ireo any ivelan'i Afrika. Nanatevina laharana ny Tafika Vonjimaikan'ny Firenena Mikambana any Lebanona [11] (UNIFIL/FINUL) izy ireo.

Mandefa sarinà vehivavy miaramila 10 [12] izay anisan'ireo 77 mandeha any Lebanona i Abou Salim [13], ary miteraka sahoan-dresaka any anatin'ireo fizaràna fanehoankevitra hoe ity angamba no fiandohàn'ny vanimpotoana izay handraisan'ny vehivavy anjara sy hitazonan'izy ireo toeran'ny mpitarika ao amin'ny toerana nanjakàn'ny lahy taloha ary manamarika ny fiafarana,  firodànan'ny fitondran'ny lehilahy:

Watu wanaofanya ustadi wa masuala ya unajimu wanasema tunaingia kwenye zama ambazo moja ya alama zake ni nafasi mpya na majukumu mapya wanaopewa wanawake duniani. Wanawake wa India wanalinda amani Liberia. Sasa dada zetu nao hao Lebanoni. pengine ndio mwanzo wa anguko la mfumo dume.

Milaza ireo mpanandro fa miditra aminà vanimpotoana vaovao isika, ny iray amin'ireo marik'izany vanimpotoana vaovao izany dia ny andraikitra sy ny toerana vaovao izay raisin'ny vehivavy. Miasa any Liberia ireo vehivavy miaramila mpampandry tany avy any India, ary amin'izao fotoana izao any Lebanona ireo vehivavy miaramila Tanzaniana.

Ary satria ny fandrotsahana iray lavitrisa Shillings Tanzaniana [14]amin'ny faritra tsirairay dia natao ho toy ny fanomezaha hery ny politikan'ny governemanta amin'ny alalan'ny fampindramambola madinika, manahy i Charahani [15] raha toa hampitony ny fahantrana ilay fampindramambola [16].

Mandresy lahatra izy fa tsy handeha ity fandraisana andraikitra ity raha tsy mahazo fanabeazana sahaza azy ny olona:

Umaskini unaweza tu kuondolewa kwa mikakati madhubuti …. Inapaswa kwanza watoto waende shule waelimike, wakishaelimika kisha hizi pesa hata usipozigawa, maendeleo yatakuja tuu… Elimu ni utajiri tosha unaoweza kuondoa umaskini kwa kiasi kikubwa bila ya kutegemea vitu vingine.

Wadogo zetu ambao wanaingia katika taasisi za elimu ya juu inaonekana hawatasoma tena… hawatamudu gharama za kujilipia asilimia 40 ya gharama wanayotakiwa kujilipia vyuoni… Tumeisikia hotuba ya mkuu wa nchi kusema kuwa hakuna masikini ambaye atashindwa kusoma sababu ya kukosa ada. Maneno haya yanafurahisha lakini hayatoi matumaini sababu yana walakini mkubwa, siyo endelevu

Mba ho maivana ny fahantrana, ny fianarana no tokony ho laharam-pahamehana. Rehefa mahazo hery avy amin'ny fanabeazana ny olona, ho tonga ny fandrosoana. Ny olona tsotra dia tsy afaka handoa ny 40 isan-jaton'ny fampindramambola ho fampianarana ny zanany. Ary, Ahoana no ahafahantsika mahatoky ny fampanantenan'ireo mpitondra malalantsika hoe ho lasa any amin'ny anjerimanontolo daholo ireo mpianatra azo fidiana, na ahoana na ahoana ny fahafahany mandoa vola? Toa tsara izany saingy tsy manome fanantenana antsika.

Vao haingana, ilay Keniana Soahily mpitoraka bilaogy, Maitha, nijery ny horonantsary, Ilay Mpanjaka Farany tany Ekaosy [17]. Nanoratra toy izao izy [18],

Baada ya kutazama filamu mpya ya The Last King Of Scotland nimeshindwa kuelewa kwanini watu wanaendelea kutoa filamu kama hizi kuhusu Afrika . Kando na kurundikiwa sifa tele hakuna lolote jipya linalotoka kwenye picha hii

Taorian'ny nijereko ilay horonantsary vaovao, Ilay Mpanjaka Farany tany Ekaosy, tsy azoko mihitsy hoe nahoana ny olona no mbola mamokatra karazanà horonantsary toy ireny momba an'i Afrika. Na teo aza ireo hevitra tsara, tsy nisy zava-baovao tao anatin'ilay horonantsary.

Taterin'i Kibinango [19] fa taorian'ny nanakanan'ny governemantan'i Zanzibar ny fampiasana ny finday any an-tsekoly tamin'ny filazana fa mampirisika ny fitondrantena ara-nofo tsy mendrika ireny, nanapaka hevitra ihany koa izy (ny governemanta ao Zanzibar) ny hanakana ireo mpianatra tsy handeha any amin'ny efitrano fandihizana. Mandresy lahatra ny governemanta fa izany fitondrantena izany no mitarika any amin'ny fitondrantena tsy mendrika ary iray amin'ireo antony ao ambadiky ny vokatra ratsy omen'ireo mpianatra.

Farany, manohy miresaka ny famoronana ny fikambanan'ny mpitoraka bilaogy ireo Tanzaniana mpitoraka bilaogy [20]. Rehefa avy nanolotra ny anaran'ny fikambanana sy ny rafitry ny fitarihana, ny fifanakalozankevitra amin'izao fotoana izao [21] dia momba ny fanorenana ilay fikambanana. Ny iray amin'ireo hevi-dehibe amin'ny adihevitra hatreto dia ny fisafidianana izay ho mpikambana. Misy mpitoraka bilaogy mangataka hoe misokatra ho an'ny mpitoraka bilaogy fotsiny, raha ireo hafa kosa mangataka ny hanomezana alalana ireo mpaneho hevitra mavitrika mba ho mpikambana ao.