- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Tontolon'ny Bilaogy Swahili: Madonna, Fanomezana Herinaratra, Mpangalatra Tsy Mahay Mamaky Teny Sy Manoratra

Sokajy: Afrika Mainty, Tanzania, Fampandrosoana, Fitantanam-pitondrana, Mediam-bahoaka, Politika, Tanora, Tontolo_iainana

(Marihana fa efa tamin'ny volana Oktobra 2006 no nivoaka ny lahatsoratra amin'ny teny Anglisy)

Mamintina ny fihetseham-pony i Chemi Che Mponda [1]mikasika ny tsikera mahazo an'i Madonna amin'ny fananganana zaza Malawita [2], David Banda:

David Banda kazaliwa katika umaskini, lakini leo anaishi katika utajiri. Na lazima kuna watu wanamwonea wivu!

Nahantra i David Banda tamin'izy teraka ary nanjary manankarena tampoka teo. Mety mialona azy ny olona sasany.

Ao amin'ny tranom-pianakavian'i Madonna ao Angletera i David nanomboka tamin'ny tapaky ny volana Oktobra. Niteraka adihevitra momba ny fahantrana, kamboty sy ny fananganan-jaza ao Afrika ny fananganana azy. Mbola manohitra ny maha ara-dalàna ny dingana nanaovana ny fananganana an'i David [3] ireo vondrona mpiaro ny zon'olombelona ary mampanantena fa ho foana ny didim-pitsarana.

Manoratra momba izany olana izany, manontany i Simon Kitururu hoe [4]: Dokambaratra ve? Tsara kokoa ve ny fananganan-jazan'ny mpanakanto mpanankarena noho ny miaina ao amin'ny trano fitaizana zaza kamboty? Ary ahoana ny fifandraisan'i David amin'ny fianakaviany sy ny kolontsainy?

…tunavyodai watoto wa kiafrika wanapochukuliwa kwenda nchi za magharibi wanapoteza Uafrika wao, je ni nini kinachotunza Uafrika wamtoto wa kiafrika Afrika kitamaduni sasa hivi? Kwa maana ni ukweli asilimia kubwa za mambo yanayozidi kumzunguka mtoto wa kiafrika Afrika yanamizinguo ya kimagharibi. Yaonyeshwayo kwenye televisheni ya asilimia kubwa ni ya kimagharibi. Shule zetu zinashinikiza elimu ya kimagharibi. Dini zetu ndio hizo zakutoka nje.

… raha milaza isika fa miafara amin'ny fahaverezana ny maha izy azy ny Afrikana kamboty izay lehibe tao Andrefana, inona no misy ao Afrika mba hitazonana ny maha-Afrikana azy ireo? Voahodidin'ny kolontsaina tandrefana ny ankizy Afrikanina: fandaharana amin'ny fahitalavitra, rafi-pampianarana, fivavahana.

Mihevitra izy fa nisarika ny saina momba ny manjo ireo kamboty ao Afrika ny fananganana an'i David Banda. Na izany aza, mihantsy ireo mpitsikera izy mba tsy hitaraina fa hanao zavatra ho an'ny kamboty ao Afrika. Nanontany mihitsy izy nony farany hoe:

Hivi unahisi Michael Jackson angetaka kuadapti mtoto angeadapti kutoka wapi?

Raha nanangan-jaza i Michael Jackson, aiza no heverinao fa niavian'ny zaza?

Mbola tsy mifarana ny krizin'ny herinaratra ao Tanzania [5], na dia eo aza ny fahatongavan'ireo milina mpamokatra herinaratra roa vao haingana tao Dar Es Salaam [6]. Nanery an'i Tanzania mba hiantehitra amin'ny fitantanana henjana amin'ny fanomezana herinaratra ny krizin'ny herinaratra mampihitsoka ny firenena. Voalaza fa tsy misy dikany ireo milina mpamokatra herinaratra roa satria maoteram-piaramanidina antitra tsy azo natao na inona na inona intsony [7]!

Charahani indray miampanga ny fikasan'ny governemanta Tanzaniana [8]hanao fifanekena amin'ireo orinasa tsy mahavita azy mba hitantanana tetikasam-pirenena lehibe. Ohatra vao haingana indrindra nosoratany ny Orinasa Richmond Development [9], izay niaiky fa tsy manana tahirim-bola ampy [10]hanomezana milina mpamokatra herinaratra vonjimaika roa ho an'i Tanzania.

Ninasema hivi kwa uchungu kwa sababu ya matukio kadhaa yaliyowahi kutokea huko nyuma, lakini kubwa likiwa ni hili lililotokea hivi karibuni la kuwapo kampuni ‘hewa’ iliyokaribishwa ili kutukodisha majenereta ya kusaidia kuboresha hali ya uzalishaji umeme.

Milaza izany amin'ny alahelo lehibe aho, satria tsy vao voalohany ny governemantantsika no nanao fifanekena amin'ny orinasa sandoka mba hamaha ny krizin'ny angovo.

Bilaogera miteny Swahili iray hafa sady mpanao gazety malaza any Tanzania, Maggid Mjengwa, nampitaha ireo mpitarika Tanzaniana mpanao kolikoly sy tsy mahavita azy ho mpangalatra tsy mahay mamaky teny sy manoratra [11]. Milaza tantarana mpampita hafatra telo tsy mahay taratasy izay nangalatra akondro nanirahana azy ireo tokony haterina i Mjengwa, tsy mahalala fa ny taratasy tokony naterin'izy ireo miaraka amin'ny akondro dia milaza ny isan'ny akondro. Tohina izy ireo raha nahita fa fantatr'ilay tompony ny tsy fahampian'ny akondro. Mihevitra fa tsy maintsy misy mijery ny taratasy, rehefa nirahana fanindroany izy ireo dia nanapa-kevitra hanisy tany ao amin'ny taratasy amin'izay hono tsy hita ny halatr'izy ireo!

Hoy izy namintina:

Hata katika nchi zetu hizi, mahusiano kati ya baadhi ya waliokabidhiwa dhamana na wale wanaowaongoza yanafanana sana na kisa hiki.

Na dia ao amin'ny firenentsika aza, mitovy amin'ny tantaran'ireo mpangalatra telo tsy mahay taratasy ny fifandraisana eo amin'ireo mpitarika antsika sy ny vahoakan'izy ireo.

Jikomboe mampahatsiahy ireo bilaogera Afrikanina [12] momba ny Fihaonamben'ny Bilaogera Afrikanina 2007 [13]. Maniry izy mba hiditra ao amin'ny vondrona google [14] izy ireo ary hampiasa ny wiki [15] ho fanomanana.

Funguajicho indray nampiseho rohy tamin'ny takelaka [16] tao amin'ny gazety Ogandey, the New Vision [17], manondro ny filohan'i Tanzania [18] teo aloha, Benjamin Mkapa [19], ho iray amin'ireo mety handresy amin'ny loka vaovao omena ny filoham-pirenena Afrikanina misotro ronono [20].