- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Shina: Mpanao Fihetsiketsehana Nosamborina Noho Ny Sora-bavety Miresaka Zon'olombelona Tao Amin'ny Fihetsiketsehana Tsy Tia Japana

Sokajy: Azia Atsinanana, Japana, Shina, Ady & Fifandirana, Fanoherana, Fifandraisana iraisam-pirenena, Mediam-bahoaka, Zon'olombelona

(Marihina fa tamin'ny 17 Septambra 2012 no nanoratana ny lahatsoratra teny anglisy)

Mihamaro hatrany ny mino fa nahazo fanohanana ara-bola [1] avy tamin'ny fanjakana ny hetsi-panoherana [2] tamin'ny faran'ny herinandro izay tsy tia an'i Japana tany amin'ny tanàndehibe maherin'ny 80 [2]. Nampiseho  ny fisamborana ireo mpanao hetsi-panoherana miisa telo tao Shenzhen izay nanao fihetsiketsehana am-pilaminana teo afovoan'ireo mpanao fihetsiketsehana tsy tia Japoney an'arivony omaly fa nanara-maso tsara sy nahafehy ny hetsi-panoherana ny mpitandro ny filaminana.

Araka ny vohikalam-baovaon'ny ONG mpiaro ny zon'ny olom-pirenena, canyu.org [3] [zh], mpikatroka mpiaro ny zon'olombelona miisa telo no nosamborina tamin'ny 16 Septambra 2012, nandritra ny hetsi-panoherana tsy tia Japana:

(参与2012年9月16日讯)今天上午,反日游行在深圳繁华街道华强北、市民中心等许多地方如火如荼进行,深圳民主人士姜卫东、子元等人按耐不住追求自由、民主、人权和平等的急迫心情,也跟着游行队伍打出自由、民主、人权、宪政等横幅,结果被便衣国保发现,于中午一点左右被抓捕,至今仍无任何消息,电话一直打不通。

敬请外界紧急关注!联系电话:15167233712

(Fampahalalam-baovao fohy navoakan'i Canyu tamin'ny 16 Septambra 2012) Io maraina io, natao tao amin'ny faritra afovoan-tanànan'i Shenzhen, manodidina ny Huaqiang Avaratra sy ny Foiben'Olompirenena ny fihetsiketsehana goavana manohitra an'i Japana. Nanararaotra ny fotoana tamin'ny fanambarana ny fanirian'izy ireo ho amin'ny fahalalahana, ny demaokrasia ary ny zon'olombelona ireo olom-pirenena demaokraty ao Shenzhen tahaka an'i Jiang Weidong, Ziyuan. Nanatevin-daharana ny famoriam-bahoaka izy ireo, nihazona sora-baventy mivaky hoe: Fahalalahana, Demaokrasia, Zon'olombelona ary Lalàmpanorenana. Nahita azy ireo ny polisy miafina  misahana ny filaminana ary nisambotra azy ireo teo amin'ny tokony ho tamin'ny iray ora tolakandro teo. Tsy azo antso intsony izy ireo nanomboka teo. Notapahana ny findain'izy ireo.

Miangavy anao mba ho mailo! Ny laharan'ny finday ahazoana anay dia 15167233712

[3]

Nanao hetsi-panoherana ho amin'ny demaokrasia nandritra ny fihetsiketsehana tsy tia Japana ny mpikatroka Shenzhen miisa telo mpiaro ny zon'ny olom-pirenena . Nosamborin'ny polisy miafina avy hatrany izy ireo . Sary avy amin'ny canyu.com

Ny sombin-baovao etsy ambony dia nanamafy ny fanamarihan'ny [4]C Custer momba ny anjara asan'ny polisy tao amin'ny hetsi-panoherana tsy tia an'i Japana :

Like many people around the world, I’ve spent some of the past few days looking at photos and reports about the escalating anti-Japan protests in China. There is an excellent collection of them here for those that are interested… for anyone who has been to a protest in China before, your second inclination is going to be to say this: where are all the fucking cops?…

Now, let’s compare that to photos from the Beijing “Jasmine revolution” protest, an incident so small that it not only didn’t have any car-flipping, burning, or rioting, it didn’t even have any protesters. There was an army of police there…

[…] The evidence that China is turning a blind eye to these protests is overwhelming. The absence of China’s police forces is glaringly obvious, especially in contrast to the vast numbers that turn up and start jumping in front of lenses and smashing cameras whenever a protest China’s government doesn’t like is scheduled to take place. China has clearly shown it is more than capable of keeping anti-Japan protests under control if it wants to. The obvious conclusion now — the only conclusion now — is that it doesn’t want to.

Tahaka ny olona maro manerana izao tontolo izao, nandany andro vitsivitsy tamin'ny fijerena sary sy tatitra momba ny hetsi-panoherana tsy tia Japana any Shina aho. Misy ny fanangonana tsara tamin'izany eto ho an'ireo izay liana amin'izany… ho an'izay rehetra nanao hetsi-panoherana tao Shina teo aloha, ny tonga ao an-tsainao manaraka dia ny hoe: aiza àry ny polisy rehetra?

Andeha ary ampitahaintsika amin'ny sary avy tamin'ny hetsi-panoherana “hetsika revolisiona Jasmine” tao Beijing izany, tranga iray kely loatra ka tsy nahitana fiara nahongana, nirehitra, na korontana, ary tsy nahitana mpanao fihetsiketsehana mihitsy aza. Fa nisy polisy anefa tao …

[…] Lehibe ny porofo fa minia tsy mijery ireo hetsi-panoherana ireo i Shina. Mibaribary mazava ny tsy fisian'ny mpitandro ny filaminana ao Shina, indrindra raha oharina amin'ny isan'ireo olona marobe izay miseho eo anoloan'ny lopy sy ny fakantsary isaky ny misy hetsi-panoherana izay tsy ankasitrahan'ny governemanta Shinoa. Nasehon'i Shina mazava fa manana ny fahaizana rehetra hifehezana ny hetsi-panoherana tsy tia Japana izy raha toa ka ilaina izany. Ny tsoa-kevitra mazava ankehitriny – ny hany tsoa-kevitra tokana amin'izao fotoana izao – dia ny hoe tsy mila manao izany izy.