- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Fanoherana ‘Fitsipaham-pitokisana’ Niteraka Fanakatonana Parlemanta

Sokajy: Azia Atsimo, Maldiva, Fanoherana, Fifidianana, Fitantanam-pitondrana, Hafanàm-po nomerika, Lalàna, Mediam-bahoaka, Politika, Vaovao Mafana, Zon'olombelona
[1]

Polisy sy miaramila misahana ny rotaka nandroaka an-keriny ireo mpanao lalàna mpanohitra hiala ao amin'ny tranoben'ny parlemanta ary nisambotra solombavambahoaka roa. Sary avy amin'ilay mpisera Flickr, Dying Regime. CC: BY 2.0

Tamin'ny Alatsinainy maraina ny 31 Jolay, nafàna ny raharaha politika tao Maldiva satria nanao fihetsiketsehana [2]tao amin'ny  People's Majlis [3], parlemanta ao Maldiva ireo mpanohitra ao amin'ny parlemanta, ary nihodidina [4] sy niaro ny filohan'ny parlemanta, Abdulla Maseeh Mohammed ny miaramila. Nitranga herinandro monja taorian'ny nandroahan'ny mpitandro ny filaminana sy ny miaramila an-keriny ireo mpanao lalàna mpanohitra [5] tao amin'ny Majlis sy nisamborana [6] mpanao lalàna roa ny atoandron'ny 24 Jolay tao Male renivohitra izany.

Parlemantan'i Maldiva androany maraina ity! Mandroaka ireo solombavambahoaka mpanohitra ny mpitandro ny filaminana.

#Maldives [9] Majlis-mbahoaka – Mihodidina ny parlemanta ny miaramila.

Miaramila manao fanamiana sivily ao anatin'ny Parlemanta, mba handroaka ny Mpanohitra. Tsy misy antony ara-dalàna hidiran'ny miaramila ao amin'ny parlemanta alohan'ny hanombohan'ny fivoriana.

Tamin'ny 3 Jolay, nametraka fitsipaham-pitokisana an'i Abdulla Maseeh Mohamed [14] izay ahitana mpanasonia 45 amin'ireo mpikambana 85 ao amin'ny parlemanta ny antoko mpanohitra efatra Maldives United Opposition [15] (MUO), sonia 42 no takiana ho an'ny fitsipaham-pitokisana. Mpiara-dia lehibe amin'ny filoha Maldiva Abdulla Yameen Abdul Gayoom [16] ny filohan'ny Antenimiera, Maseeh, izay miatrika fiampangana maromaro [17] momba ny kolikoly [18] hanenjehana azy.

Nanohitra ny fanekena ny fitsipaham-pitokisana tao amin'ny Fitsarana Tampony ny Antokon'ny Fitondrana, Antokon'ny Fandrosoana ao Maldiva (PPM), manontany raha niharan'ny fepetra manohitra ny fialàna an-daharana (anti-defection) ireo mpanao lalàna taloha ao amin'ny PPM, izay nanao sonia ny fitsipaham-pitokisana. Tamin'ny 13 Jolay, namoaka didim-pitsarana momba ny fanoherana ny fialàna an-daharana nangatahan'ny Mpampanoa lalàna [19]ny Fitsarana Tampony, izay nilaza fa ho very seza ireo mpanao lalàna raha milaza amin'ny Parlemanta ireo mpifidy fa 1.) nandao ny antokony izy ireo 2.) voaraoka izy ireo 3.) niova antoko.

Mifototra amin'io didim-pitsarana io, tafala tamin'ny sezany ireo mpanao lalàna mpanohitra 4, izay nahatonga ny 24 jolay nokasaina hanaovana ny latsa-bato fitsipaham-pitokisana ny tsy fahaizan'ny [20] filohan'ny parlemanta satria nilatsaka ambanin'ny isa kely indrindra ilaina 42 ny isan'ny sonia hanaovana fitsipaham-pitokisana tarihin'ny mpanohitra. Niteraka korontana [21] tao amin'ny firenena izany. Nisioka ny solombavambahoaka mpanohitra Rozaina Adam

Tsy azontsika atao ny manao lalàna momba ny fialàna an-daharana kanefa tsy mitondra fanovana azo antoka amin'ny lalàmpanorenana. Tsy manome sehatra hanaovana lalàna fialàna an-daharana ny lalàmpanorenana.

Ho fanoherana ny didim-pitsarana, nangataka ny Mpanohitra Tafaray ao Maldiva (MTM) fa tsy maintsy apetraka hodinihana sy hofidiana ny fitsipaham-pitokisana  [23]izay natao tamin'ny 24 Jolay ary niantso ireo mpanohana mba hidina an-dalambe. Nanontany momba ny fanoheran'ny Majlis ny fanonganana noho ny tsy fitokisana sy ny fampiatoana ny fivoriana rehetra hatramin'ny 31 Jolay ihany koa izy ireo, noho ny antony voalaza fa “fanamafisana ny fepetra ara-piarovana ao andrenivohitra noho ny fety fankalazana ny Fahaleovantena”. Ho setrin'izany, nanondro ny lalàna takian'ny lalàmpanorenana momba ny fivoriana aorian'ny 14 andro nametrahana ny fanonganana ny MTM.

Nakaton'ny [24] governemanta Maldiviana ny Parlemanta, narindran'ireo mpitandro filaminana, ary nampitandrina ny mety hisian'ny famoretana [25] hetsi-panoherana. Tamin'ny 24 Jolay, saika ny mpanao lalàna mpanohitra rehetra no nanao diabe nankany amin'ny Majlis, nahavita nanapaka ny sakana voalohany ary niditra tao amin'ny tokontanin'ny parlemanta. Namaly tamin'ny fandroahana sy fanesorana ireo mpanao lalàna mpanohitra ho any ivelany ny miaramila, nanohy nanao fihetsiketsehana niaraka tamin'ireo mpanohana 300 teo ho eo tao izy ireo. Niparitaka tany amin'ny mpanao fihetsiketsehana ny tifitra ranon-tsakay ary olona maromaro no nosamborina, anisan'izany ireo mpanao lalàna roa [6] sy mpanao gazety maromaro [26].

Nanjaka tao amin'ny Twitter ny zava-nitranga androtr'io:

Niditra tao amin'ny Parlemanta ireo mpanao lalàna mpanohitra, na dia teo aza ny fanakanan'ny polisy sy ny miaramila

Naato ny Lalàmpanorenan'i Maldiva raha eo ambanin'ny fifehezan'ny Tafi-piarovam-pirenena Maldiva kosa ny Parlemanta.

Notafihana tamin'ny tifitra ranon-tsakay ny solombavahoaka rehetra.

Solombavambahoaka @faya_i [33]@MariyaDidi [34]@MohamedAmeeth [35] noroahin'ny @MNDF_Official [36] tao amin'ny parlemanta.

Niaro ny fampiasana ny Tafi-piarovam-pirenena Maldiva ny fanambarana an-gazety navoakan'ny Sekretarian'i Majlis [39], milaza ny “fanambarana diso” momba ny fifehezan'ny miaramila ny parlemanta.

Filoha teo aloha Maumoon Abdul Gayoom (sy rahalahin'ny filoha Yameen tsy iray ray na reny) naneho hevitra hoe:

Sanganehana tamin'ny fomba ratsy nitondrana ny solombavambahoaka Hon tao amin'ny parlemanta sy ny arabe androany. TSY MAINTSY hajaina ny solombavambahoaka rehetra.

Nanao tetezamita nankany amin'ny demaokrasia i Maldiva tamin'ny taona 2008 saingy niaina tsy fahatomombanana ara-politika ny firenena rehefa voatery niala noho ny filazana fa “fanonganam-panjakana [42]” tamin'ny taona 2012 ny filoha voafidy tamin'ny fomba demaokratika voalohany, Mohamed Nasheed,. Nandresy tamin'ny fifidianana filoham-pirenena nampifanditra tamin'ny taona 2013 [43] ny filoha Abdulla Yameen. Mihozongozona noho ny didy jadona ny firenena satria mitombo hatrany ny fiampangana ny filoha Yameen noho ny fanampenam-bava ny mpanohitra [44] sy ny fanagadrana [44]ireo mpanohitra ara-politika, anisan'izany i Nasheed, izay voalaza fa voampanga tamin'ny fiampangana namboamboarina.

Natsangana [45] ny antoko iraisan'ny mpanohitra tarihan'i Nasheed, filoha teo aloha sy lehiben'ny antoko Demaokraty Maldiviana, izay monina an-tsesitany amin'izao fotoana izao ao amin'ny Fanjakana Mitambatra, mitsoaka sazy an-tranomazina ao Maldiva ny Mpanohitra Tafaray ao Maldiva. Ny tena tanjon'izy ireo dia ny famerenana ny demaokrasia amin'ny laoniny amin'ny alàlan'ny fanesorana ny filoha Abdulla Yameen Abdul Gayoom amin'ny fomba ara-dalàna ary mitsara azy noho ny famotsiam-bola [46] sy fiampangana hafa [18].

Tamin'ny volana septambra lasa teo, nampiseho [47] ny fomba nanodikodinan'ny filoha Yameen sy ny mpiara-dia aminy vola an-tapitrisany dolara, fanomezana kolikoly ho an'ny mpitsara sy manampahefana ambony hafa, sy nampiasa hery hanesorana ireo mpiasam-panjakana mijoro ny  “Stealing Paradise (Mangalatra Paradisa [48]),” tatitra fanadihadiana avy amin'ny Al Jazeera. Nolazain'ny governemanta Maldiva fa mitongilana sy manala-baraka ny tatitra fanadihadiana [49].

Naneho ny ahiahiny momba ny famoretana mpanohitra [50] sy haino aman-jery [26] ny Firenena Mikambana taorian'ny fanakatonana ny parlemanta.

Ho hita eo ny fomba hitantanan'ny filoha Yameen ny fihamaroan'ny mpanohitra azy, amin'ny fampiasany ny heriny mba hampiasa ny fitsarana ho ao amin'ny tanjony ara-politika.