- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Repoblika Dominikana: ny “Dominicana Moda” Araka ny Fijerin'ireo Bilaogy

Sokajy: Amerika Latina, Repoblika Dominikana, Mediam-bahoaka, Zavakanto & Kolontsaina

(Marihina fa tamin'ny 20 Oktobra 2008 no nanoratana ny lahatsoratra teny anglisy)

Fandikana lahatsoratra [1]iray avy amin'ilay bilaogera Joan Guerrero ity lahatsoratra ity ary navoaka tao amin'ny bilaogy Dominikana Duarte 101 [2]. Navoaka eto indray izany miaraka amin'ny fahazoan-dàlana avy any aminy.

Nanomboka ny Dominicana Moda na ny DM08 (Fetiben'ny Lamaody Dominikana) ary toa hita fa maro no nanaraka ny hetsika tamin'ny alalan'ny fampitam-baovao samihafa. Nanao fikarohana vitsivitsy izahay ary manolotra ho anareo bilaogy miisa telo izay nanokana lahatsoratra, sary maro ary mitantara ny zava-drehetra tokony ho fantatra momba ny [Dominicana Moda].

Sarin'i Phoenix Diaz [3] miaraka amin'ny lisansa Creative Commons

Oxitocina Visual [4]

Mpaka sary matihanina liana tanteraka amin'ny lamaody i Anabelle Pérez. Mahazo sary amin'ny antsipirihany sy ny lafiny izay tsy azon'ny fampitam-baovao nentim-paharazana sary izy ao amin'ireo sariny miaraka amin'ny fitaovana fakantsariny. Jereo ireto sary [4]ireto izay nosokajianay ho tena tsara.

Diana sy ny Tanàna [5]

Matetika natokana ho an'ny fiainany manokana ny bilaogin'i Diana Suriel, saingy feno hetsika nifandray tamin'ny Dominicana Moda tamin'ity indray mitoraka ity ny fandaharam-potoanany tao amin'ny aterineto . Tsidiho izany raha toa ianao ka liana amin'ny seho iray manokana. Ireto ny heviny momba ny katalaogin'ny Carlos de Moya [6].

Carlos de Moya es un excelente ser humano, y esto se refleja en sus creaciones. Lo de ayewr fue el “acabose”, Anda Miranda, después de haber caminado por todo el mundo, por fin aterrizó…Y de que manera. La colección estuvo f-a-b-u-l-o-s-a, el volumen y el trabajo artesanal merecen un 10. El estilismo estuvo acorde, en una colección que es puro otoño. La música de Vadir Gónzalez, le puso sazón: Anda Miranda, no mire pa’ lo’ lao’ (decía)y yo, querí pararme a bailar. Cabe destacar que Carlitos cumplió años antes de ayer, la sorpresa final fue su pastel de cumpleaños.

Tena olona mahafinaritra i Carlos Moya, ary miseho amin'ny alalan'ny famoronany izany. Ary nahavita mihoatra noho ny fanaony izy omaly rehefa avy nitsidika an'izao tontolo izao, ary nipetraka tety an-tany izy tamin'ny farany, …ary oay! tena tonga lafatra ny fanangonana. Mendrika isa 10 ny habetsaky ny akanjo sy ny asatanana. Tena mahafinaritra ny maodely ho an'ny fanangonana izay natao ho an'ny fararano 100 isanjato. Nanasongadina azy ny mozikan'i Vadir González: Anda Miranda, tsy mijery na aiza na aiza, ary hoy aho hoe te-hitsangana sy handihy aho. Angamba tsara ny manamarika fa ny omalin'iny ny tsingerintaona nahaterahan'i Carlito, ary ny mofomamy fitsingerenan'ny andro nahaterahany no kadoa farany .

La Vida en Dominicana Moda [7]

Ny gazety Listin Diario kosa nampiasa ny fananany mba hamoronana bilaogy manokana izay nahitana ny fitaterana feno momba ny DM08. Eto ohatra mamahanana bilaogy mivantana tamin'ny filatroana [8]:

Hubo un considerable retraso de mas de una hora y luego media hora de retraso entre desfile y desfile, algo que -se argumento- fue debido al cambio de ropa de 10 modelos que estuvieron en el desfile del creador local. Durante las proximas horas estaremos subiendo las fotos y los comentarios de los desfiles de hoy. Mientras tanto, las actividades aqui continuan hasta el cierre definitivo. Ahora mismo esta llevandose a cabo la cena de gala y luego el “Fashion Jam” en el area de la piscina.

Nisy ny fahatarana adiny iray mahery, ary tatỳ aoriana, ny fiatoana antsasakadiny teo anelanelan'ny ny fampisehoana indroa miantoana, angamba noho ny fisoloana akanjo ho an'ireo mpilatro miisa folo izay nanao ny filatroana ho an'ilay mpamorona lamaody Dominikana . Nandritra ireo ora manaraka, namoaka sary sy fanehoan-kevitra antserasera izahay momba ny filatroana androany. Mandritra izany fotoana izany, mitohy hatrany ny fanarahana ny hetsika hatramin'ny farany. Hanomboka izao ny fetin'ny sakafo hariva, ary avy eo, hatao manodidina ny dobo filomanosana ny “Fashion Jam”.