- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Misy Ireo Milaza Fa Mariky Ny Fikorontanan'ny Toetr'andro Ny Rotsaka Havandra Vao Haingana Tao Kenya

Sokajy: Afrika Mainty, Kenyà, Mediam-bahoaka, Tontolo_iainana

Tanànan'i Nyahururu ao amin'ny Faritr'i Laikipia, tao amin'ny sary zanabolana Google, toerana nisian'ny rotsaka havandra vao haingana izay noheverina fa oram-panala.

Satria niomana handeha hanatrika ny fihaonambe iraisam-pirenena G20 taona 2017 izay notontosaina tamin'ny 7 sy 8 Jolay tao Hambourg, Alemaina ireo mpitarika manerantany, iray amin'ireo lohahevitra lehibe nodinihana tamin'ny fihaonambe ny fikorontanan'ny toetrandro, izay tsapa ao Afrika Atsinanana.

Niaina tranga rotsaka havandra hafahafa ny mponina tao amin'ny tanàna iray miorina ao amin'ny ekoatera ao Kenya. Nanjary lohahevitry ny adihevitra mafana tao amin'ny media sosialy tamin'ny 4 Jolay ity zavatra fotsifotsy mangatsiaka ity, satria nanomboka nipoitra tamin'ny aterineto ny sary hita fa toy ny vaingan-dranomandry izay nalaina sy nalefan'ny mponina tao an-tanànan'i Nyahururu ao amin'ny faritra Laikipia, miorina ao amin'ny faritra Lohasaha Rift ao Kenya.

Oram-panala ao Nyahururu, Kenya. Tsy fahita firy izao.

Miorina ao amin'ny Ekoatera i Kenya, indrindra fa ny faritra ao Laikipia izay nanatri-maso ny havandra ary tsy mbola fahita hatramin'izay ny fisehoan-javatra tahaka izany. Ny hany toerana tany Kenya izay nahitana maripàna goavambe tahaka izany dia tao amin'ny Tendrombohitra Kenya, tendrombohitra faharoa avo indrindra ao Afrika Atsinanana, aorian'ny Kilimanjaro malaza any Tanzania mpifanolo-bodirindrina.

Manontany tena hoe ahoana no fahatsapan'ireto olona tafahitsoka ao anatin'ny fitohanan'ny fiara ao amin'ny lalana Rimuruti Nyahururu ireto. Aza mialona azy ireo mihitsy. Misy sy efa eto ny voka-dratsin'ny fikorontanan'ny toetrandro.

Taorian'ilay tranga voajanahary malaza izay naelin'ireo mpandalo nientanentana ny sary sy ny lahatsary ka nahatonga fientanam-po isan-karazany sy tombatombana rehetra momba ny fahamarinan'ireo sary sy izay tena hita maso, mikasa hanome fanazavana momba ny “vaingan-dranomandry” hitan'ny vahoaka ny Biraon'ny Famantarana ny Toetrandro any Kenya, izay manana pejy Twitter mavitrika.

Havandra ny zava-mitranga ao Nyahururu. Mitranga ny oram-batravatra tahaka izany rehefa misy ny fiakaran'ny rivotra noho ny hafanana tampoka ary miforona haingana loatra ny rahona matevina.

Nilaza ireo manampahefana sasany tao amin'ny Biraon'ny Famantarana ny Toetrandro fa mety vokatry ny fikorontanan'ny toetrandro ny tranga tsy mahazatra tahaka izao.

Na dia namoaka fanambarana aza ny sampan'ny famantarana toetrandro, tsy nahafantatra izany ny Kenyana sasany. Ho azy ireo, oram-panala izany.

Fanambarana momba ny “oram-panala” ao Nyahururu

Araka ny filazan'ny Departemantan'ny Famantarana ny Toetrandro any Kenya, nandrakitra maripàna ambany indrindra 4,6°C tamin'ny 27 Jiona ny biraon'ny meteorolojia Nyahururu. Ity no maripàna ambany indrindra tsy mbola narakitr'izy ireo tao amin'izany faritra izany sy ny ankamaroan'ny faritra ao amin'ny firenena. Araka ny vaovao farany matetika momba ny vinavina ny toetrandro nalefan'izy ireo, na ny volana Jolay, vanim-potoana mangatsiaka indrindra ao Kenya aza mbola tsy nahitana maripàna latsaky ny 8°C .

Mety hisy rotsakorana ao amin'ny faritra Afovoany, Andrefana, Morontsiraka sy Avaratra-Andrefana eo anelanelan'ny 15 ka hatramin'ny 19 Jolay.

Kenyana maro no nanararaotra izany mba “hanao oram-panala raha milatsaka ny havandra”, raha azo lazaina toy izany, amin'ny alalan'ny fizarana ireo karazana sary-sy-soratra rehetra, ny sasany aza nampifandray ny fisian'ny rotsaka havandra amin'ny rivotra politika ankehitriny izay nahitàna ireo antoko politika roa lehibe, Jubilee sy NASA, mifaninana amin'ny fifidianana filoham-pirenena ho avy, miezaka mifampizara ny zava-bitan'izy ireo.

Tsy fantatro hoe ahoana fa resaka fotoana fotsiny izany alohan'ny naha lasa politika ity rotsaka havandra tao Nyahururu ity.

#oram-panala [15]

Misy ankehitriny ny kilasin'ny fikorisana
Sampana Nyahururu???

Mifandraisa amin'ny @ElvoKibet [16] raha mila fanampim-baovao

Dikan'ny sary: Mividiana hena 5 kilao, ho avy miaraka amin'ny vata fampangatsiahana aho.

Fampahatsiahivana izay ho avy?

Na dia feno fientanam-po aza ny ankamaroan'ireo sioka momba ny rotsaka havandra tao Nyahururu, misy ireo tsy mahita izany ho sangisangy, indrindra fa mikasika ny vokatr'ilay tranga.

Tany Eoropa, rehefa nifarana ny fihaonambe ny G20, namarana ny fihaonambe tamin'ny famelezana ny filoha amerikanina Donald Trump, izay tsy nety nampiditra ny fireneny [22] amin'ny fifanarahana momba ny fikorontanan'ny toetrandro Paris izay nosoniavin'ny firenena mpikambana hafa rehetra ny Chancellor Alemana Angela Merkel,.

Araka ny voalazan'ny Tondro momba ny Faharefon'ny Fikorontanan'ny Toetrandro 2015 [23], fito amin'ireo firenena 10 no tena atahorana noho ny fikorontanan'ny toetrandro aty Afrika.

Nahitàna fihenan'ny rotsakorana manerana ny faritra midadasika aty Atsimon'i Afrika. Araka ny filazan'ny hetsika momba ny tontolo iainana 350Africa.org, [24] misy fomba valo amantarana ny fiantraikan'ny fikorontanan'ny toetr'andro aty Afrika: fiovan'ny fepetra ara-toetrandro, kalitao sy ny famatsiana rano, ny fambolena sy ny sakafo, ny fahasalaman'ny olombelona, ​​ny fialofana, ny mponina marefo, ny fiarovam-pirenena ary ny tontolo iainana.

Ny fialàn'i Etazonia amin'ny fihaonambem-pirenena G20 dia midika fa tsy ho vonona hampihena ny etona karbona mba hisorohana ny fiantraikan'ny fiakaran'ny hafanana maneran-tany ny toekarena lehibe indrindra manerantany. Afrika no mety hizaka ny ampahany betsaka amin'ny famoahana izany etona izany, tahaka ny toetrandro nitranga vao haingana tao Nyahururu, izay marika fampitandremana fa fiovaovan'ny toetr'andro aty amin'ny trôpika. Mbola ho avy ny ratsy indrindra, hoy ireo manam-pahaizana maro.