Tantara tamin'ny 10 Aogositra 2017
Misy Ireo Milaza Fa Mariky Ny Fikorontanan'ny Toetr'andro Ny Rotsaka Havandra Vao Haingana Tao Kenya
Niaina tranga rotsaka havandra hafahafa ny mponina tao amin'ny tanàna iray miorina ao amin'ny ekoatera ao Kenya. Nanjary lohahevitry ny adihevitra mafana tao amin'ny media sosialy tamin'ny 4 Jolay ity zavatra fotsifotsy mangatsiaka ity, satria nanomboka nipoitra tamin'ny aterineto ny sary hita fa toy ny vaingan-dranomandry
Repoblika Dominikana: ny “Dominicana Moda” Araka ny Fijerin'ireo Bilaogy
Nanomboka ny Dominicana Moda na ny DM08 (Fetiben'ny Lamaody Dominikana) ary toa hita fa maro no nanaraka ny hetsika tamin'ny alalan'ny fampitam-baovao samihafa. Nanao fikarohana vitsivitsy izahay ary manolotra ho anareo bilaogy miisa telo izay nanokana lahatsoratra, sary maro ary mitantara ny zava-drehetra tokony ho fantatra momba ny [Dominicana Moda].
Ny Herinandro Tao Amin'ny Bilaogy Boliviana – Maro an'Isa Tahaka ny Ahoana?
Ny Talata alina, nahita tampoka ny isa ilaina ny Senat Boliviana. Loholona mpanohitra maromaro no tsy nety nihaona mba hanohitra ireo volavolan-dalàna maromaro napetraky ny antokon'ny fitondrana MAS. Loholona mpanohitra telo fanampiny no nanapa-kevitra hanatrika ny fivoriana mba handatsa-bato ho an'ny governemanta.
Feo Avy Ao Zimbaboe
Noho ny fotoanan'ny orana ankehitriny ao Zimbaboe, any amin'ny firesahana sy ny tombatombanana mikasika izay vinavina ara-pambolena miandry antsika ny ankamaroan 'ny fotoana sy ny fifantohan'ny firenena.
Pakistan: Andron'ny Bilaogy
Tsy dia fantatro loatra izay fiarahabana sahaza ho an'izao andron'ny aterineto miroborobo izao, ka ny lazaiko dia tratry ny Andron'ny Bilaogy Manerantany ho an'ireo bilaogera namana sy mpamaky ny GV! Manantena fa hitombo avo folo heny ny herin'ny blaogy sy ny fanaovan-gazety an'olo-tsotra
Paragoay: Nandresy Tao Cannes Ny Sarimihetsika “Sebastian's Voodoo”
Mankalaza an'i Joaquin Baldwin, anankiray amin'ny mpanatontosa sarimihetsika sady mpanentana izay voalohany nitondra loka nody an-tanindrazana tamin'ny fifaninanana Sarimihetsika Fohy Antserasera notontosaina niaraka tamin'ny Fetiben'ny Sarimihetsik'i Cannes, ny Paragoaiana. Noforonina tamin'ny alalan'ny sarimiaina nomerika ny sarimihetsika Sebastian's Voodoo, ary noreseny ireo tafakatra famaranana miisa 9 hafa nandritra ny fifidianana an-tserasera.
Atakalon'ny Tanora Peroviana Hareza sy Hety Ny Fitaovampiadiana
Vahaolana misy fahaizamamorona ho anà olana goavana. Ho an'ny tanora ao Però, lasa nasolo ny heloka bevava ny fanaovana ny asan'ny mpanety volo.
Mongoliana Mpifindrafindra-monina Niala Fiompiana, Ary Niditra Tamin'ny Setroka
Manery ny maro amin'ireo mpiompy mpifindrafindra monina ao Mongolia mba hiala amin'ny fomba fiainana mahazatra azy ireo ny fiovaovan'ny toetr'andro ary hifindra ao Ulaanbaatar.