Ny Latabatry Ny Feo Malalaka

(Marihina fa tamin'ny 10 Septambra 2006 no nanoratana ny lahatsoratra teny anglisy)

Manana tantara nalaza ratsy i Bebelplatz, ilay kianja ao Berlin any akaikin'ny toerana fanaovana fampisehoana tantara an-tsehatra an'ny fanjakana sy ny Oniversiten'i Humboldt. Telo ambifitopolo taona lasa izay (1933) no nandoroan'ny tanora Nazi, izay natosiky ny Minisitry ny Propagandy Joseph Goebbels, ireo boky teo ho eo amin'ny 20 000 isa teo , anisan'izany ny sanganasan'i  i Thomas Mann, Erich Maria Remarque, Heinrich Heine, Karl Marx sy ny an'ny mpanoratra maro hafa.

Omaly, 9 septambra 2006, avotra tamin'ny laza ratsin'ny heloka bevava voalaza etsy ambony i Bebelplatz. Nanasa olona miisa 112 izay nahitana mpahay siansa, mpandraharaha ara-tsosialy, filozofa, mpanoratra, mpanakanto sy mpikatroka avy amin'izao tontolo izao ny  Dropping Knowledge (Fizarana Fahalalana) izay fikambanana ONG miorina ao Berlin. Nipetraka manodidina ny latabatra midadasika  antsoina hoe ‘Ny Latabatry ny Feo Malalaka’ tao amin'ity kianja manan-tantara ity ireto olona nitondra aingam-panahy ireto izay malaza noho ny famoronany maharitra sy ny fandraisany anjara ara-tsosialy na amin'ny mahaolona. Nandray anjara tamin'ny famaliana fanontaniana miisa 100 izay nofantenana avy amin'ny ‘fanentanana omeo ny fanontanianao’ ary nisokatra ho an'ny vahoaka ankapobeny manerantany izy ireo nanomboka tamin'ny 9 ora maraina ka hatramin'ny 6 ora hariva.

Nitatitra mivantana ny hetsika miaraka amin'ny sary ny bilaogy Treehugger  .

Hafsat Abiola and Willem Dafoe made their opening remarks against the backdrop of Humboldt University and an oversized pile of books, supposed to represent the invention of the printing press but suggesting also the greatness of the human mind and the tragedy of suppressing human creativity. Yungchen Lhamo put the participants into the proper spirit with a poem and song, in a Tibetan devotional style which she learned from her Grandmother in secret, since such songs were banned in her native land. The exotic melody silenced all present and received a round of applause before the real work kicked off…100 questions in 9 hours.

Each of the 112 personalities invited to the Table is set up with a microphone and video camera of their own.

Nanokatra ny hetsika tamin'ny alàlan'ny fanamarihana ny tantaran'ny Oniversiten'i Humboldt sy ireo boky maro be, izay noheverina fa maneho ny famoronana ny milina fanontam-pirinty i Hafsat Abiola sy Willem Dafoe kanefa nanambara ihany koa ny halehiben'ny eritreritry ny olombelona sy ny loza ateraky ny fanafoanana ny famoronan'ny olombelona izy ireo.  Nitondra ny mpandray anjara tany amin'ny fisainana madio miaraka amin'ny tononkalo sy ny hira i Yungchen Lhamo, tamin'ny endrika fanajana Tibetana izay nianarany avy tamin'ny renibeny tao amin'ny miafina, satria nosakanana tao an-tanindrazany ny hira toy izany. Nangina ny rehetra nihaino ilay hira mahatalanjona ary nahazo tehaka fatratra talohan'ny nanombohan'ny tena asa izany … fanontaniana miisa 100 ao anatin'ny 9 ora.

Nasiana mikrôfônina sy fakantsary ho azy manokana teo amin'ny toeran'ireo olona tsirairay miisa 112 izay nasaina tao amin'ny Latabatra ireo .

Vakio ato ny sisa. Vaovao maro kokoa mikasika ny fanombohana ao amin'ny Deutsche Welle .

Azonao atao ny mijery ny lahatsary tahiry ao amin'ny Living Library . Misy sary ao amin'ny Flickr.

Eto amin'ity tontolo sarotra ity, mila manontany zavatra maro ny olona mba hitondrana fiovana. Nanome vola mihoatra ny 3 tapitrisa dolara ho an'ity hetsika ity ny sampana mpanao fiantohana Alemana Allianz ary tsy voaaro tamin'ny fiatrehana ny fanontaniana izy:

Why has a big company like Allianz no social responsibility and fire 10.000 workers in Germany even they have big profit?

Nahoana ny orinasa lehibe toy ny Allianz  no tsy manana andraikitra ara-tsosialy ary nandroaka  mpiasa miisa 10.000 tao Alemaina na dia manana tombony lehibe aza izy ireo?

Inona àry no hitranga? Nilaza ny ‘Fizarana Fahalalana’ (Dropping knowledge) fa vao fanombohana fotsiny ihany izany. Hanomboka sy hanohana ny karazana fifanakalozan-kevitra erantany vaovao izy ireo, amin'ny alalan'ny fandrisihana ny olona an-tserasera mba hanontany sy hamaly ireo fanontaniana ao an-tsainy. Mikasa ny hitondra hetsi-panoherana, fanoherana ara-politika ary fikatrohana ao amin'ny vanim-potoanan'ny aterineto izy ireo:

Dropping knowledge is a way of asking and answering questions that recognizes multiple viewpoints. When you ask in order to understand, when you answer in order to share, you are dropping knowledge.

Ny ‘Fizarana Fahalalana’ dia fomba iray hanontaniana sy hamaliana fanontaniana izay manaiky ny fomba fijery maro. Rehefa manontany ianao mba hahatakaranao zavatra, rehefa mamaly ianao dia ny mba hizara, dia izay no atao hoe mizara fahalalana ianao.

Mety hahatonga ranomasimbe indray andro any ny rano kely indray mitete .

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.