- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Okraina: Ao Amin'ny Twitter Ny Filoha

Sokajy: Okraina, Fahalalahàna miteny, Fifidianana, Fitantanam-pitondrana, Hafanàm-po nomerika, Mediam-bahoaka, Politika, Teknolojia

(Marihina fa tamin'ny 26 Febroary 2009 no nanoratana ny lahatsoratra teny anglisy)

Manana kaonty Twitter ofisialy amin'izao fotoana ny Filohan'i Okraina Victor Youshchenko [1] : hita mitsivalana ery ankavanana ny rohin'ny Twitter [2] misy ny vohikala ofisialy [3] [amin'ny teny Okrainiana] (tsy mbola nohavaozina na izany aza ny pejy amin'ny teny Rosiana [4] sy amin'ny teny Anglisy [5] ). Hita ao amin'ny siokan'ny Filoha ny fanambarana ofisialy isan'andro sy ny lahatsoratra an-gazety nivoaka farany  izay hita ihany koa ao amin'ny tranonkala ofisialy.

Nanoratra [6]izao manaraka izao momba ny fanokafana ny “birao Twitter” -n'ny Filoha Yushchenko ny mpisera Twitter roxolanus [7] :

Eh mec, twitter explose en Ukraine après l'annonce d'aujourd'hui que notre Président l'a rejoint,  à l'adresse President_UA [8]

Ô ry zalahy a, nipoaka ny Twitter ao Okraina taorian'ny fanambarana androany fa niditra ho mpikambana ao ny filohantsika , ao amin'ny adiresy President_UA [8]

Ary toy izao [9], taty aoriana kely:

Bien, les temps changent rapidement, les mecs, si même les politiciens ukrainiens se tournent vers les médias sociaux, les adoptent comme un outil et annoncent ça aux informations.

Eny, miova haingana ny fotoana, ry zalahy, na dia ny mpanao politika Okrainiana aza ity mitodika any amin'ny media sosialy ary mandray izany ho fitaovana sy manambara izany amin'ny vaovao.

Ao anatin'ireo sioka roa ireo, nandefa ireo fanehoan-kevitra [10] mikasika ny fahafantaran'ny filoha ny resaka tambajotra sosialy an-tserasera i Kotusenko :

Me demande pourquoi @President_UA ne veut pas s'abonner aux messages de quiconque sur  Twitter. Rien à voir avec ce que Obama avait fait.

Manontany tena aho hoe nahoana ny @President_UA no tsy manjohy olona na iza na iza ao amin'ny Twitter. Tsy misy ifandraisany amin'ny zavatra nataon'i Obama izany.

Tamin'io fotoana io, olona miisa 276 no efa nanjohy tao amin'ny kaonty Twitter-n'ny filoha, kanefa tsy mbola nanjohy na iza na iza ny filoha. Na izany aza, iray na roa andro taty aoriana,  dia nahitana olona miisa 325  nanjohy ny Filoha Yushchenko ary nanjohy olona miisa 281 izy.

Toa hita tao amin'ny Twitter ihany koa ny mpanao politika Okrainiana fanta-daza iray hafa, dia ny filohan'ny Parlemanta sady Minisitry ny Raharaham-bahiny teo aloha Arseniy Yatsenyuk [11]: na dia tsy nety nanamafy ny fahamarinan'ny kaonty Twitter an'i Yatsenyuk aza ny solontenan'ny sampam-baovaon'ny  hetsika ara-politika an'i Yatsenyuk [12]. Manana mpanjohy miisa 714 amin'izao fotoana izao ity mpisera ity, ary manjohy olona miisa 662 ihany koa ny tenany, ​​ary mandray hevitra [13] avy amin'ny olona efa zatra ny tambajotra sosialy mba tsy hitanisana afa-tsy vitsivitsy.

Nivoaka an-tserasera tamin'ny 12 Janoary 2009 ny siokan'ny [14]mpisera Twitter Yatsenyuk voalohany [14]:

Je commence à me préparer pour les élections

Manomboka miomana amin'ny fifidianana aho

Andrasana amin'ny 17 Janoary  2010 ny fifidianana filoham-pirenena [15] Okrainiana manaraka. Tokony natao ny 7 Desambra 2008 ny fifidianana parlemantera [16] tamin'ny voalohany, ary nahemotra ny 14 Desambra nony avy eo, ary nahemotra ho amin'ny daty tsy fantatra amin'ny taona 2009 ny niafarany.

Nanoratra [17]ilay mpisera Twitter Yatsenyuk taorian'ny nanombohan'ny kaonty Twitter an'i Yushchenko

Les gens dans l'entourage de Victor Andriyovych [Youshchenko] ne comprennent pas correctement le sens des technologies de l'Internet

Tsy mahatakatra araka ny tokony ho izy ny hevitry ny teknolojian'ny aterineto ny olona manodidina an'i Victor Andriyovych [Youshchenko]

Tany am-piandohan'ity volana ity, nanoratra [18] momba ny fanafoanana ny kaontiny i Yatsenyuk :

Quelqu'un m'a fait une cruelle farce. Le compte a été suspendu. Ainsi, nous devrions prouver au service technique que je suis [en fait] qui  je suis. […]

Nisy olona nivazivazy tafahoatra tamiko. Naato ny kaonty. Noho izany, tokony hanaporofo amin'ny servisy teknika hoe iza tokoa aho isika . […]

Misy tokoa ny mpisandoka maro ho mpanao politika Okrainiana ao amin'ny Twitter: maro amin'izy ireo no nandefa sioka vao haingana androany na omaly: yanukovich [19] (praiminisitra teo aloha Victor Yanukovych [20]), chernovetskiy [21] ( Ben'ny Tanànan'i Kyiv Leonid Chernovestsky [22]), lytvyn [23] (filohan'ny parlemanta Volodymyr Lytvyn [24]), BYuT [25] (ny Vondron [26]‘ny Yulia Tymoshenko [27]), Ushenko [28] (Filoha Victor Yushchenko), Viktor_Baloga [29] (Talen'ny kabinetran'ny filoham-pirenena , Victor Baloha).

Toy izao ny fanehoan-kevitry [30] ny mpisera Twitter ruda_ganna [31]manolona ny fanokafana ny kaonty Twitter hosoka an'i Yulia Tymoshenk omaly:

[…] Ils se battent pour l'électorat!!! […] Peut-être que  je devrais créer un politicien virtuel moi-même, aussi ?

[…] Miady ho an'ny mpifidy izy ireo !!! […] Angamba tokony hamorona mpanao politika virtoaly  ihany koa ny tenako?