- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Mpanao Politika Japoney Manery ny Talen-tsekoly Amin'ny Boky Fianarana Tantara Manazava ny ‘Vehivavy Fiononana’

Sokajy: Azia Atsinanana, Japana, Ady & Fifandirana, Fanabeazana, Mediam-bahoaka, Tantara, Vehivavy sy Miralenta
[1]

”Andeha hiantoka fa manana boky fianarana milaza amin'izy ireo ny marina momba ny tantara ny zanatsika.” (Tahirin-tsary). Sary avy amin'ilay mpisera Wikimedia Japanexperterna. [1]

Tamin'ny Zoma 4 Aogositra 2017, nanjaka tao amin'ny Twitter Japoney ny lohahevitra momba ny boky fianarana tantara. Nalaza vetivety tao amin'ny Twitter ny andian-teny hoe “nahoana no nosafidiana ity boky ity”(教科書なぜ採択 [2]) rehefa nitatitra ny gazety ao Kobe ao amin'ny faritra andrefan'i Japana fa nanontany ny antony sy ny mahatonga ny sekoly ambaratonga faharoa malaza nisafidy ny boky fianarana tantara ny mpanao politika iray ao an-toerana sady mpikambana ao amin'ny governemanta, ka nahatonga tahotra ny tsindry ara-politika teo amin'ny rafi-pampianarana. Nisy ny tenirohy manaraka nalaza vetivety ihany koa, “nampiditra ny famaritana ny ‘vehivavy fiononana’ (#慰安婦の記述を残した [3]) izy ireo.

Tamin'ny Ady Lehibe faha-II, vehivavy hatramin'ny 200.000 [4] avy amin'ny firenena maherin'ny folo [5] manerana an'i Azia no noteren'ny Tafika Imperialy Japoney tamin'ny fanandevozana ara-nofo [6]. Nantsoina hoe ianfu (‘vehivavy fiononana” [6]) amin'ny teny Japoney ireo vehivavy ireo, ary loharanon'ny adihevitra ara-politika efa hatramin'ny ela.

Araka ny tantara [7] navoakan'ny gazety Kobe Shimbun tamin'ny 4 Aogositra, nanontany i Moriyama Masahito [8], mpikambana ao amin'ny Antokon'ny Fitondrana Liberaly Demaokraty izay miasa amin'ny maha-minisitra lefitry ny fitsarana sy misolo tena ny tanàna manankarena ao Nishinomiya ao atsinanan'i Kobe hoe nahoana ny Sekoly Ambaratonga Faharoa Nada [9] no nisafidy ny boky fianarana antsoina hoe “Miara-mianatra ny Tantaran'ny Olombelona” (ともに学ぶ人間の歴史).

Nanontany ny Sekoly Ambaratonga Faharoa Nada i Moriyama Masahito hoe “Nahoana no nosafidiana ity boky fianarana ity?” (Notaterina tao amin'ny Kobe Shimbun NEXT)

#nampiditra ny famaritana ny “vehivavy fiononana” [3] boky fianarana tantara eny amin'ny Sekoly Ambaratonga Faharoa “Miara-mianatra ny Tantaran'ny Olombelona” izy ireo, fanontana Manabisha (Schoolhouse).

 

Ny Sekoly Ambaratonga Faharoa Nada dia mpikambana sy iray toerana ao amin'ny sekoly ambony malaza [13] ao Kobe, Kaominina Hyogo, izay zatra mandefa ireo mpianany nahazo diplaoma any amin'ny oniversite ambony ao Japana sy any ivelany [14]. Raha ny marina, nahazo diplaoma tao amin'ny sekoly i Moriyama, ary amin'ny maha-“maintimolaly” [15] sy mpikambana ao amin'ny governemanta azy,  azo heverina hampiasa hery lehibe ao amin'ny sekoly izy.

Kobe Shimbun nahita hoe [7]:

インターネット上でも「政治圧力ではないか」と問題視する声が上がっている

Tao amin'ny aterineto, nanontaniany ireo feo miahiahy hoe: “Tsy fanerena ara-politika ve ity?”

Araka ny filazan'ny Kobe Shimbun, nanana olana tamin'ny ny zava-misy nifantenana ny boky tantara momba ny ‘vehivavy fiononana” [16] ho an'ny sekoly ambaratonga faharoa ao Nada i Moriyama. Nandritra ny Ady Lehibe faha-II, nanery ny vehivavy ao amin'ny firenena Aziatika maro, fantatra amin'ny hoe “vehivavy fiononana’ mba hiasa ao amin'ny trano fivarotan-tena tantanin'ny tafika ny Tafika Imperialy Japoney.

Na izany aza, ny olana ho an'i Moriyama sy ny hafa mikasika ny boky dia tsy ny filazana ao amin'ny boky momba ny “vehivavy fiononana ‘ fa, araka ny lahatsoratr'i Kobe Shimbun, ny olana dia ny boky fianarana ahitana famaritana fohy momba ny governemanta Japoney “Fanambarana Kono 1993 [17].” Ao amin'ny Fanambarana Kono, niaiky ny governemanta Japoney fa nanery ny vehivavy hiasa ao amin'ny trano fivarotan-tena ny tafika Japoney, saingy mbola miady hevitra hatrany momba ny andraikitry ny governemanta Japoney [18] ireo mpanao politika mpandala ny mahazatra sasany sy ny mpaneho hevitra any Japana tahaka an'i Moriyama.

Hoy ny Kobe Shimbun:

同校が採択したのは、「学び舎(しゃ)」の歴史教科書「ともに学ぶ人間の歴史」。教科書は現役教員やOBらが執筆し、他社で記述がない慰安婦問題に言及。1993年に河野洋平官房長官(当時)が元慰安婦へのおわびと反省を表明した「河野談話」を載せ、併せて「軍や官憲によるいわゆる強制連行を直接示すような資料は発見されていない」と現在の政府見解も取り上げている。

Nisafidy ny boky fianarana tantaran'i Gakubisha “Miara-mianatra ny Tantaran'ny Olombelona” (ともに学ぶ人間の歴史) ny Nada Middle. Nosoratan'ny sampam-pianarana ankehitriny sy ny maintimolalin'ny Sekoly Ambony Nada ny boky fianarana, ary ahitana antsipiriany momba ny olana mikasika ny ‘vehivavy fiononana’ izay tsy tafiditra ao amin'ny boky fianarana tantara hafa  (sekoly ambaratonga faharoa). Namoaka ny alahelony momba ny “vehivavy fiononana” taloha tao amin'ny tahirin-kevitra antsoina hoe fanambarana Kono [17] avy eo ny ny Sekretera Jeneralin'ny Kabinetra Kono Yohei.

Mandritra izany fotoana izany, ny fomba fijerin'ny governemanta Japoney amin'izao fotoana izao dia hoe “tsy misy ny porofo faneren'ny miaramila Japoney na governemanta.”

Nanamarika ny Kobe Shimbun fa nankatoavin'ny Biraon'ny Fampianarana ao amin'ny Kaominina Hyogo ny boky fianarana vaovao eny amin'ny Sekoly Ambaratonga faharoa Nada mba hampiasaina any an-tsekoly, na dia ny sekoly ambaratonga faharoa Nada ihany aza no sekoly mampiasa ny boky. Nanamarika ireo mpanara-maso hafa fa, na dia eo aza ny fomba fijery avy any ivelan'i Japana sy ny fanerena avy amin'ireo mpanao politika mirona amin'ny ankavanana, dia manome daty momba ireo zava-nitranga tsy ahitana fanavazavana kokoa [19] ireo boky tantara Japoney

Tsy i Moriyama ihany no mpanao politika Japoney na maintimolaly tao amin'ny sekoly mitaraina momba ny boky. Nanamarika ny Kobe Shimbun fa herintaona lasa izay, nitaraina tany amin'ny lehiben'ny sekoly, Wada Magohiro momba ny fifantenana ny boky i Wada Yuichiro [20], mpikambana ao amin'ny Antenimieran'ny Kaominina Hyogo misolo tena ny paroasy tao Kobe. Tamin'ny taratasy navoaka tao amin'ny aterineto [21] (azo vakiana ato [22] ny taratasy feno), nilaza ny talen-tsekoly fa nahatsapa “tery tsy ara-drariny” (謂 れ の な い 圧 力) avy amin'ireo mpanao politika, sy ny fanentanana hanoratra taratasy manohitra ny boky izy, izay nahitana karatra paositra 200 fara fahakeliny nalefa tany amin'ny sekoly.

Araka ny filazan'ny Kobe Shimbun, na i Moriyama na i Wada dia samy nandà ny fisian'ny fifandraisana amin'ny fanentanana fanoratana taratasy, raha nilaza kosa i Moriyama fa mampahafantatra fotsiny ny fihetseham-pony amin'ny maha-“maintimolaly” izy fa tsy amin'ny maha-mpikambana ao amin'ny governemanta.

Raha mitohy nandritra ny herintaona teo ny fitsikerana ny fifantenana ny boky ao amin'ny Nada Middle School, nitatitra momba ny adihevitra tamin'ny 4 Aogositra i Kobe Shimbun tamin'ny voalohany, fotoana fohy taorian'ny namoahan'i Magohiro ny taratasiny. Nanjary tantaram-pirenena vetivety teo ny lahatsoratr'i Kobe Shimbun, nalain'ny Yahoo News [23] sy ny famoaham-baovao hafa, ary ireo bilaogy sy mpisera Twitter Japoney.

Mpisera Twitter iray nahita fa ny mampifanditra momba ny boky ao amin'ny Nada Middle School dia tamin'ny fotoana nanakapokapohana ny Praiminisitra Shinzo Abe tao amin'ny fitsapan-kevitra [24] amin'ny ampahany noho ny fifanarahana momba ny tany tsy mazava [25] izay nanome tombontsoa ho an'ny fikambanana mpandala fombantany hiringiriny sady nasionalista Moritomo Gakuen izay mampianatra ny fivavahana amin'ny amperora [26].

Nangataka tamin'ny Nada Middle School i Moriyama Masahito hoe “Nahoana no nofantenana ity boky fianarana ity?” (Notaterin'i Kobe Shimbun NEXT)

Nihevitra aho fa nanomboka tamin'ny fanontanian'i Moritomo Gakuen, ny marimaritra iraisana dia tsy ilaina ny fidiran'ny politika an-tsehatra eo amin'ny fampianarana ???