- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Kurdistance: Mangingina

Sokajy: Afrika Avaratra sy Afovoany Atsinanana, Iràka, Iràna, Syria, Tiorkia, Foko sy Fiaviana, Mediam-bahoaka, Politika, Vehivavy sy Miralenta

(Fanamarihana: lahatsoratra teny anglisy nivoaka tamin'ny novambra 2006)

Iray amin'ireo zavatra sarotra indrindra momba ny fandrakofana ao amin'ny tontolon'ny bilaogy isan-karazany ny fiverimberenan'ny vaovao sy ny fifamoivoizan'ny lahatsoratry ny olona. Somary mangingina hafahafa ny tontolon'ny bilaogy Kiorda tao anatin'ny tapa-bolana, karazana fahanginana fahita mialoha ny tafio-drivotra mahery.

Hiwa avy ao amin'ny Hiwa Hopes [1] nanoratra momba ny kolikoly manjaka ao Avaratr'i Iraka/Atsimon'i Kurdistan. [2] Vladimir ao amin'ny From Holland to Kurdistan [3] kosa miresaka momba ny fiakaran'ny lazan'ny politika Frantsay iray mpomba ny Kiorda [4]. Rasti [5] indray mampiseho ny andraikitry ny vehivavy ao amin'ny PKK [6]. Ary i Save RojTV [7] kosa mankalaza ny herintaonany [8].

Miala tsiny noho ny fiadan'ny herinandro, na izany aza, raha te hamaky resadresaka mahaliana momba ny natioran'i Kurdistan ara-jeografika ianao, jereo ireo fanehoan-kevitra farany ao amin'ny Kurdistance [9].