‘Turkmenator':  Mampiseho Ny Fahaizany Milalao Basy Sy Antsy Ao Amin'ny Fahitalavi-panjakana Ny Filohan'i Turkmenistan

Ny Filoha Turkmen Gurbanguly Berdimuhamedov. Lahatsary YouTube

Mampiseho azy indray ny filohan'i Turkmenistan .

Vao andro vitsy taorian'ny nanasongadinan'ny Global Voices ny talentan'ilay olo-malaza Gurbanguly Berdimuhamedov, izay nahitana azy nihira sy nitaingina bisikileta raha mbola tao anatin'ny krizy ara-toekarena lalina ny fireneny, dia efa nisy indray ny lahatsary vaovao niparitaka mampiseho ny filoha.

Tamin'ity indray mitoraka ity,  nanao akanjo miaramila i Berdimuhamedov ary nampiseho ny tena fahaizany mitifitra basy sy mitoraka antsy tao amin'ny fanazaran-tenan'ny miaramila, ary nahazo tehaka avy amin'ireo jeneraliny.

Niseho voalohany tao amin'ny fahitalavi-panjakana Turkmenistan ny sary. Tsy misy ny fahalalahan'ny fampitam-baovao any Turkmenistan, kanefa haingana tamin'ny fangalana ny lahatsarin'ny fahitalavi-panjakana ny Mpamoaka Vaovao Turkmenistan any ampitan-dranomasina izay sehatra fampahalalam-baovao tsy miankina ary nanova izany indray ho toy ny sombin-tsarimihetsika amin'ny endriny Hollywood:

Niparitaka be ilay lahatsary, nahasarika ny sain'ny fampitam-baovao manerana izao tontolo izao sy nanome aingam-panahy ireo mpiseran'ny media sosialy tamin'ny fizarana ny lahatsary mampihomehy . Mitana ny anaram-boninahitra ofisialy hoe “Ny Mpitarika ao amin'ny Firenena” sy “Mpiaro” i Berdimuhamedov, izay vao filoha faharoa tamin'ny tantaran'ny fahaleovantenan'ny firenena, ary nanome azy anarana hafa ankehitriny  ny mpisera Facebook noho ny lahatsary : Ny Turkmenator ( lalaontenin'ny sarimihetsika hay-famronana  “Terminator”).

Na izany aza, nahatonga fanafihana DDoS faobe goavana ho an'ny Chronicles of Turkmenistan ihany koa izany :

Уважаемые читатели,

На сайт “Хроника Туркменистана” (www.chrono-tm.org) идет масштабная DDOS-атака. В связи с этим временами возникают сложности с доступностью сайта.

Вероятно, это своего рода ответная реакция властей Туркменистана на широко разошедшееся по сети видео с президентом Гурбангулы Бердымухамедовым, который продемонстрировал свои высокие навыки стрельбы из огнестрельного оружия и метания ножей.

Ry mpamaky!

Tratran'ny fanafihana DDoS goavana ny tranonkalanay (www.chrono-tm.org). Misy ny olana amin'ny fidirana ny tranonkala noho izany.

Karazana setriny avy amin'ny manampahefana Turkmen angamba izany noho ilay lahatsary izay niparitaka be tao amin'ny tambajotra sosialy mampiseho ny Filoha Gurbanguly Berdimuhamedov manao fampisehoana ny fahaizany goavana amin'ny tifitra basy sy ny fitorahana antsy.

Tsy mampihomehy ihany koa ny zava-misy hiainan'ny firenena. Turkmenistan, izay nantsoina fahiny hoe ilay ” paradisa sosialy ” noho ny tolotra isankarazany toy ny etona fandrehitra maimaim-poana sy ny herinaratra maimaim-poana ho an'ny mponina, dia  niaina krizy ara-bola lehibe vao haingana izay niteraka ny fampitsaharana ny fanomezana tombontsoa maro ho an'ny vahoakany. Nampitahaina tamin'i Korea Avaratra ihany koa ny firenena  noho ny fameperana mavesatra  ny fahalalahana.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.