Iran : Fisamborana Alika

(Marihina fa tamin'ny 13 septambra 2007 no nivoaka ny lahatsoratra teny anglisy)

Nitatitra ilay bilaogera Dastan [En] fa nisambotra alika maromaro ny polisy Iraniana tamin'ny 9 septambra mba hanala ny firenena amin'ny “fisarihana tandrefana » sy ny “tsy fahamendrehana”. Tohina ireo tompona alika ary niahiahy tanteraka mikasika izay mety hanjò ny alikan'izy ireo. Nilaza koa i dastan fa sady tsy mahazo rano no tsy mahazo sakafo ireo alika ireo. Porofon'ny fisamborana azy ireo sy ny fanidiana azy ireo amin'ny toerana manokana ireto sary manaraka ireto.
Dog arrested in Iran

Dogs arrested in Iran

Nandefa ny sarin'ireo alika ireo ihany koa ilay bilaogera kamangir [En] ary nanamarika hoe:

Clearly, these dogs are not meant to live in the conditions they are being kept, but, anyways, they do not treat human beings anything better.

Tsy tokony gadraina ao anatin'izany fepetra izany ireo alika ireo saingy na izany aza, tsy mbola tsara kokoa noho izao ny fitondrany ny olombelona.

Nahitàna fanehoan-kevitra manazava ny anton'ny «fisamborana» ireo alika ireo ny lahatsoratr'i kamangir :

In Islam dogs are impure, so anybody who keeps dogs has, for example, wash his or her hands after petting dogs. I think that he/she has to clean carpet if the dog’s been there 7 times before praying on it, and so forth. That’s why IRI is so against keeping the dogs at home, they think that if somebody has a dog this person is not a good muslim.
A pity, dogs are such a nice pets.

Ho an'ny Islamo, maloto ireo alika ireo ka ny olona manana alika dia tokony hanasa tanana ohatra rehefa avy misafosafo azy ireo. Mihevitra aho fa tokony hanasa ny karipetra ivavahan'izy ireo koa ny mpivavaka raha nipetraka teo im-pito ny alika, ary tahaka izany foana. Izany no mahatonga ny IRI manohitra mafy ny fiompiana alika ao an-trano, mihevitra izy ireo fa ny olona manana alika dia tsy tena Miozolomana tsara. Mampalahelo, tena namana hendry ny alika.

Fanehoan-kevitra hafa avy amin'i tedders kosa nanana fanontaniana tsara dia tsara :

Mahazo manana biby fiompy ve ny Miozolomana tena izy? Sa miankina amin'ny sampan'ny Islamo na ny safidin'ny mollah ho arahana izany?”

Misy ihany koa ny fampahalalam-baovao hafa nilaza  ny fisamborana tovolahy iray nametaka afisy fitadiavana alika tao amin'ny faritra misy azy rehefa very ny alikany.

A young Iranian who was searching for his lost puppy in a Tehran neighborhood has been arrested and ordered to stand trial for ‘moral corruption’.
According to the Tehran daily, Etemad Melli, the young man was caught while putting up a notice in which he was promising a reward to anyone who found his dog.

Nosamborina ny tovolahy Iraniana iray nitady ny alika keliny very tao amin'ny faritr'i Tehran ary natao fanadihadiana noho ny «fitondran-tena voakolikoly». Araka ny filazan'ny gazety Tehran daily, tratra nametaka afisy milaza fa hanome valisoa ho an'izay mahita ny alikany i Etemad Melli.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.