Ahoana ny Hanampiana ireo Niharam-Boinan'ny Fihovitrovitry ny Tany tao Indonezia

(Marihana fa efa tamin'ny volana Mey 2006 no nivoaka ny lahatsoratra amin'ny teny Anglisy)

Afaka mitsidika ny bilaogin'i Merlyna Lim ankehitriny ireo mpikambana ao amin'ny firaisamonina iraisam-pirenena izay miahiahy tanteraka manoloana ny horohorontany tao Indonezia, izay tafakatra 5.000 ny maty ary an'arivony marobe no naratra, manangona am-pivitrihana momba ny adiresin'ireo sampan-draharaha marobe ao Indonezia sy iraisampirenena manao fanampiana ny bilaoginy.

Ahitana fanangonam-baovao mahaliana tanteraka momba ny horohorontany nalaina tao amin'ny Yahoo, Newsvine (amin'ny teny Anglisy) sy Help Jogja (amin'ny teny Bahasa Indonesia), izay manome fahafaham-po ho an'ny olona rehetra manerantany mitady vaovao farany momba ny loza voajanahary ihany koa ny bilaogy Indonesia Help, bilaogy napetrak'ilay bilaogera monina ao Yogyakarta vao haingana, anisan'ny ravan'ny horohorontany ihany koa ny tranon'ity bilaogera ity.

Manoro hevitra mikasika izay karazana sampan-draharahan'ny ezaka fanampiana afaka ifandraisanao i Unspun raha sendra sahirana momba ny fitokisana azy ireo ianao:

Whenever there is a disaster it is sometimes difficult to know which NGO you can trust to deliver the help. If you're in such a position then consider HOPE worldwide. My office and client, Citigroup Indonesia, have been working with HOPE in several projects, including the Recovery and Rehabilitation effort in Aceh and have found HOPE reliable, efficient and effective. … If you can help, please do.

Isaky ny misy loza voajanahary, indraindray sarotra ny mahalala izay fikambanana tsy miankina azonao atokisana mba hanomezana fanampiana. Raha anisan'izany ianao, dia manatòna ny HOPE worldwide. Miara-miasa amin'ny HOPE amin'ny tetikasa maromaro ny biraoko sy ny mpanjifako, Citigroup Indonezia, anisan'izany tetikasa izany ny ezaka Fanarenana sy Fanamboarana tao Aceh ary nahita ny HOPE azo antoka, mahomby sy mandaitra aho. … Raha afaka manampy ianao, dia ataovy azafady.

Ho an'ireo Indoneziana ao Indonezia te-hanaraka ny torohevitr'i Unspun, afaka mifandray amin'ny HOPE Indonesia ianao.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.