- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Macao : Lasa any amin'ny Fampandrosoana

Sokajy: Makaô (Shina), Fampandrosoana, Fitantanam-pitondrana, Mediam-bahoaka, Toekarena sy Fandraharahàna

(Tamin'ny 4 septambra 2007 ny lahatsoratra teny anglisy)

Casino lehibe indrindra manerantany ny Venetian Macau Resort, izay nitentina 2.4 miliara dolara, ary nisokatra tamin'ny 28 Aogositra lasa teo. Miaraka amin'ireo tetikasa marobe hafa momba ny tany aman-trano eo am-panatanterahana, nanjary toeram-pananganana trano goavana i Macao. Matahotra ny olona sasany fa atao sorona amin'ny anaran'ny fampandrosoana antanandehibe ny fahatsarana ara-boajanahary sy ara-kolontsaina. Malahelo i Manfaiw [1]: “Amin'ny ho avy, ho feran'ireo neao (neon) ireo vinavinan'i Macao…Nanjary toerana hiasàna fa tsy hiainana intsony i Macao. Tsy ny aty aminay intsony ny aty aminay”.