Repoblika Demaokratikan'i Kongo: Ady Miantraika Amin'ny Ezaka Fiarovana Ny Rajako (Gorila)

(Marihana fa efa nivoaka tamin'ny volana Septambra 2007 ny lahatsoratra amin'ny teny Anglisy)

Tsy ampoizina tanteraka ny toe-javatra ao amin'ny Valam-pirenena Virunga ao Kongo. Miitatra ao amin'ny toerana onenan'ny Rajako arovana ao amin'ny tendrombohitr'i Virunga, toerana fehezin'ireo mpikomy ankehitriny ny ady ao Kongo. Manaraka ny toe-draharaha ny bilaogy Gorilla Protection, (Fiarovana ny Rajako) ary mamoaka vaovao ara-potoana. Ny vaovao farany indrindra dia momba ny fahasimban'ny toe-draharaha ary miresaka momba ny mahazo ireo rajako ao an-tendrombohitra manoloana ny fitohizan'ny ady.

Un de nos gardes est revenu tard la nuit dernière et seulement avec sa vie. Quand il a essayé de sortir avec le reste de sa petite équipe pour localiser les gorilles, ils ont été attaqués par des hommes armés.

Cela signifie qu’il est impossible pour qui que ce soit d’être à Bukima et cela signifie aussi qu’aucun de nos gardes ne peut être dans le secteur des gorilles.

Nody tara omaly alina ny iray tamin'ireo mpiambina ary velona soa aman-tsara. Raha niezaka nivoaka niaraka tamin'ireo ekipany madinika ambiny izy mba hijery ny misy ireo rajako, notafihan'ireo andian-dehilahy mitam-piadiana izy ireo.

Midika izany fa sarotra ho an'ny rehetra ny ao Bukima ary midika koa izany fa tsy tokony hijanona ao amin'ny toeran'ny rajako ireo mpiambina.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.