- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Indonezia: Fanampiana Manoloana Ny Horohorontany

Sokajy: Azia Atsinanana, Indonezia, Fitantanam-pitondrana, Mediam-bahoaka, Voina

(Marihana fa efa nivoaka tamin'ny volana Mey 2006 ny lahatsoratra amin'ny teny Anglisy)

Nametraka ny Java Quake Help Wiki (Fanampiana an'i Java manoloana ny Horohorontany) [1] ny ekipa World Wide Help (Fanampiana Manerantany) [2]. Mitady mpilatsaka an-tsitrapo antserasera ny ekipa mba hanampy amin'ny lahatsoratra sy fandikàna izany ao amin'ny wiki ary koa manampy amin'ny fanapariahana ny teny momba ny wiki. Raha liana amin'izany ianao, mandefasa mailaka any amin'ny javaquake worldwidehelp.info.

Ahitana vaovao farany [3] momba ny fanampiana noho ny horohorontany sy ny ezaka fanavotana ao amin'ny Paras Indonesia. Tafakatra 5.736 ny isan'ny maty ary eo amin'ny 10.700 ireo naratra. Namindra vonjimaika ny biraony ho ao Yogyakarta ny Filoha Indoneziana Susilo Bambang Yudhoyono mba hanaramaso ny hetsika fanampiana.

Manampy amin'ny ezaka fanavotana ilay Aostraliana Adelvice mpianatra. Nandefa sary sasantsasany avy ao Yogyakarta [4] tao amin'ny pejiny Flickr izy .