Indonezia: Mitady Mpilatsaka An-tsitrapo Antserasera Ny Java Quake Help Wiki (Fanampiana Noho Ny Horohorontany)

(Marihana fa tamin'ny 31 mey 2006 no nivoaka ny lahatsoratra tamin'ny teny anglisy) 

Ho setrin'ny Fihovitry ny tany tao Java tamin'ny 27 May 2006, nametraka ny Java Quake Help Wiki ny vondrona World Wide Help Group ary hatramin'ny nametrahana izany tao anatin'ny 24 ora, mandrindra ny hetsika fanampiana miaraka amin'ireo sampan-draharaha lehibe mpanome fanampiana sy ireo ekipa mpamonjy voina eny ifotony ry zareo. Misy ihany koa ny ekipa miara-miasa amin'izy ireo amin'ny fametrahana fifandraisana amin'ny somaiso ao amin'ireo faritra voakasika, sy arakaraka ny ezaka famonjena teo aloha tao amin'ny faritra.

Ny wiki dia manana ny famolavolana fototra sy rafitra ao an-toerana saingy MILA mpiasa an-tsitrapo antserasera MAIKA izy ireo mba hanampy amin'ny wiki eo amin'ny lafiny asa manaraka ireto:

1. Votoaty manan-danja kokoa momba ny TsunamiHelp & ny Bilaogy QuakeHelp Azia)
2. Manangona ireo bilaogy mitantara ny horohorontany ao amin'ny tehnorati ary mandefa izany amin'ny fizarana manan-danja ao amin'ny wiki
3 Mandefa ireo fandikan-teny avy amin'ny bilaogy HelpJogja ao amin'ny wiki (amin'ny alalan'ny rohin'i Andy Carvin: toggletext.com)
4. Manaisotra ireo vaovao tsy mitombina
5. Mametraka vaovao tsy miova ao amin'ny pejy lehibe voalohany
6) Manaparitaka ny teny momba ny wiki

…….sns.

Mifandray hatrany amin'ny ICRC, TSF & IFRC ny vondrona ary mandray vaovao lehibe tahaka ny fanombanana mivantana avy amin'izy ireo, izay mampiseho fa mahafantatra ny ezaka fanampiana ataon'izy ireo ao amin'ny bilaogy sy wiki izy ireo. Ankoatra izany, mahazo vaovao farany 24/7 avy amin'ireo mpiasa mpanome fanampiana sy ny ekipan'izy ireo ao an-toerana izy ireo ary koa mibilaogy ao amin'ny World Wide Help. Nisy fikambanana tsy miankina roa nangataka azy ireo mba handrindra sy hifandray amin'izy ireo amin'ny famoahana ny tati-draharaha ao amin'ny wiki.

Ankasitrahana indrindra ny fanampiana rehetra avy aminareo hanaovana fandaminana sy fitantanana ny votoaty ao amin'ny wiki. Raha toa te-hanome tanana ianao, dia midira ao amin'ny wiki ary mandefasa hafatra ao amin'ny javaquake AT worldwidehelp DOT Info

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.