- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Wikipedia Bolgara Manambara Ireo Fampidirana Nasionaly Tamin'ilay Fifaninanana Sary ‘Tia ny Tany ny Wiki ’

Sokajy: Eoropa Afovoany & Atsinanana, Bolgaria, Hafanàm-po nomerika, Hevitra, Mediam-bahoaka, Saripika, Siansa, Tontolo_iainana, Vaovao Mafana, Vaovao Tsara, Zavakanto & Kolontsaina
[1]

Vorona eoropeana mpiremby tantely (Merops apiaster) ao amin'ny Valanjavaboahary Nasionaly  Persina, [2] Bolgaria. Sary an'i Borilei tao amin'ny Wikimedia Commons, CC BY-SA 4.0.

Nambaran'ny Wikipedia ireo sary 10 voalohany hisolo tena ny firenena amin'ilay fifaninanana iraisampirenena maka sary ireo toerana natoraly arovana, “Tia ny Tany ny Wiki .”

Ny 2 Aogositra 2017 teo ireo sary no natolotra tamn'ny alàlan'ny hafatra iray manokana tao amin'ny Facebook [3] izay nifampizaràna be tokoa, ary nanasongadinana ireo sary 10 sy ireo rohy mankany amin'ny niavian'izy ireny. Ahitàna fisaorana manokana ihany koa ao anatin'ilay lahatsoratra, fisaorana natao ho an'ireo mpikambana tao anatin'ny mpitsara [4] nahitàna ireo mpampianatra eny amin'ny anjerimanontolo amin'ny sehatry ny haizavamaniry, haibiby, ny tontolo iainana, ny jeografia, ny astrofizika, ary hatramin'ireo mpikambana manana traikefa amin'ny resaka fakàna sary ny natiora.

[5]

Ny renirano Strumeshnitsa, ao anatin'ny Rupite-Strumeshnitsa, [6] faritra arovan'ny Natura 2000. Sary an'i Georgy Palpurin, tarika ShareBulgaria tao amin'ny Wikimedia Commons CC BY-SA 4.0.

Amin'ity taona ity, sivy amin'ireo firenena ao Azia Afovoany sy Atsinanana [7] no mikarakara ireo dingana nasionaly amin'ilay fifaninanana maka sary “Tia ny Tany ny Wiki”. Ity fifaninanana maka sary ity no mameno ilay fifaninanana manoratra lahatsoratra “CEE Spring,” [8] izay ikendrena hanohanana famoronana votoaty momba ilay faritra ka ahitàna sokajy iray natokana ho an'ny natiora sy ny jeografia.

Any Bolgaria, fanintelony nisesy izao no nikarakarana fifaninanana “Tia ny Tany ny Wiki”, ny 1 hatramin'ny 30 Jona.

[9]

Ireo firenena nandray anjara tamin'ny “Tia ny Tany ny Wiki 2017″. Sary an'i  Saqib, CC BY-SA 4.0.

“Ny tanjona fototra ho an'ilay fifaninanana  dia ny hanangonana sary avy amin'ireo toerana Lova ara-boajanahary – toy ireo tahiry natoraly, ny valan-javaboahary arovana, ireo toerana mahafinaritra, vala nasionaly, zaridaina miavaka, sns… – mba hanaingoana lahatsoratra ao anatin'ilay rakipahalalàna midadasika sy maimaimpoana manerantany, Wikipedia ary ireo tetikasa hafa avy amin'ny Wikimedia Foundation,” hoy ny fanambaràna ofisialin'ilay fifaninanana erantany.

Ny andiany ho an'ny taona 2017 tamin'ny fifaninanana “Tia ny Tany ny Wiki” dia nahitàna firenena mpandray anjara niisa 37 avy amin'ireo tanibe dimy samihafa. Nampiasa ny tenifototra #WikiLovesEarth [10] ireo mpikarakara sy ireo mpiaramiasa mba hamoahana ireo sary sy hampiroboroboana ny fanahy tia mizara.

Sary maherin'ny 137.000 no voahangona avy amin'ny lafivalon'izao tontolo izao hatreto, avy nahitàna an'i India, Alemaina, Okraina, Brezila ary Pakistàna ho tena navitrika tamin'ny fandraisana anjara.

[11]

Vlahinski Waterfall ao Valanjavaboahary Nasionaly Pirin. [12] Sary an'i Marioshumanov tao amin'ny Wikimedia Commons, CC BY-SA 4.0.

[13]

Pied avocet [14] (Recurvirostra avosetta). Sary an'i Borilei ao amin'ny Wikimedia Commons, CC BY-SA 4.0.

Ny 15 Septambra no hambara ny anaran'ireo mpandresy teo amin'ny sehatra iraisampirenena amin'ny fifaninanana “Tia ny Tany ny Wiki”.