Mandrara Ny Shawarmas Tsiron'Akoho I Jordania

(Marihina fa tamin'ny 15 Aogositra 2007 no nanoratana ny lahatsoratra teny anglisy)

Misaona ny tontolon'ny bilaogy Jordaniana noho ny  fandraràna ny fivarotana shawarmas tsiron'akoho – akoho, salady, tahini, mifono ao anatin'ny mofo matsiro ireo rehetra ireo.

Nanoratra  i Hareega [arabo], izay mipetraka any Etazonia hoe:

يعني إذا زادت حوادث السير هل نهد الشوارع ونسحب رخص السواقة من الجميع؟
لو رسب طالب في امتحان هل من العدل أن نُرسب كل الطلاب
في مطاعم بالبلد كل عيشتها تعتمد على بيع الشاورما وحالات التسمم من المياه والغذاء والهواء سببها فشل الحكومة والحكوات التي سبقتها في تطبيق القوانين
زهقنا شغلة أنو المواطن يتحمل مسؤولية تياسات الحكومات المبجلة
الحكومة لما اتيس هي المفروض تتحمل السؤولية مش تروح تسكر كل الابواب اللي بيجي منها الريح عشان تستريح
بعدين من وجهة نظر طبية أهم سبب لانتقال العدوى هو العامل نفسه إذا مثلا ما غسل إيديه واذا بطل يبيع شاورما فما زال من الممكن ينقل العدوى عن طريق الفلافل والحمص والزيتون والسم الهاري
مهو لما اتظلكوا تحطوا مهندس وزير للصحة بعمرو ما حدا راح يفهمكوا هالحكي

Midika ve izany fa rehefa mitombo ny lozam-pifamoivoizana dia alaina ny fahazoan-dalan'ny mpitondra fiara rehetra? Rehefa misy mpianatra iray tsy afa-panadinana, rariny ve raha saziana avokoa ny mpianatra hafa rehetra? Miankina amin'ny fivarotana shawarmas ny fiveloman'ny trano fisakafoanana sasany eto amin'ny firenentsika. Noho ny tsy fahombiazan'ny governemanta sy ny teo alohany amin'ny fampiharana ny lalàna no nahatonga ny trangan'ny fanapoizinana azo avy amin'ny rano sy ny sakafo. Leo izahay mandre fa tsy maintsy mizaka ny vokatry ny fahadisoan'ny governemanta ny olom-pirenena. Tokony handray andraikitra ny governemanta rehefa manao hadisoana fa tsy hanakatona ny varavarana rehetra misy rivotra mitsoka mba ahafahany miala sasatra.

Ary raha araka ny fomba fijery ara-pitsaboana dia hita ihany koa fa ny mpahandro no tena mahatonga ny fiparitahan'ny poizina. Mety mbola hamindra amin'ireo mpanjifa amin'ny alàlan'ny falafel, houmous, oliva, ary ireo zavatra hafa misy poizina izy raha tsy manasa ny tànany kanefa mijanona tsy mivarotra intsony ny shawarma .
Kanefa raha mbola mitohy ny fanendrena injeniera ho minisitry ny fahasalamana, dia tsy hisy mihitsy ny olona hanazava aminao momba izany.

Hoy i Khalaf bilaogera mpiray tanindrazana aminy raha nanampy:

A la suite de la troisième intoxication alimentaire de masse imputée à des shawarmas au cours de l’année, le gouvernement a décidé de bannir la graisseuse spécialité des restaurants du pays. L’interdiction durera jusqu’à ce qu’ils arrivent à une solution pour rétablir la sécurité alimentaire du shawarma.

Je suppose que c’est une solution de prudence, même si cela pénalise les établissements propres pour les péchés des malpropres. Ils devraient empêcher les gens de boire de l’eau aussi.

Nanapa-kevitra ny handràra ilay sakafo matavy manokana ho an'ny trano fisakafoanana ao amin'ny firenena ny governemanta taorian'ny fanapoizinana faobe ara-tsakafo fahatelo izay heverina ho avy amin'ny shawarmas nandritra ny taona. Haharitra mandra-pahitana vahaolana momba ny hamerenana ny shawarma ho sakafo azo antoka ny fandraràna.

Heveriko fa fepetra tsara izany, na dia manasazy  ireo trano fisakafoana madio  noho ny fahotan'ireo voretra aza. Tokony hanakana ny olona tsy hisotro rano ihany koa izy ireo.

Ao amin'ny lahatsoratra iray hafa momba ny sakafo , manao fanoherana momba ny fangalaran'i Israely ireo sakafo sy ireo sakafo manokana an'i Jordania i Hareega ary nilaza hoe:

Volez la terre, tuez les gens, terrorisez les enfants, occupez les villages, coupez le gaz et l’électricité à tout le monde, mais vous ne volerez pas la nourriture de chez moi!

Angalaro ny tany, vonoy ny olona, ampihorohoroy ny ankizy, bodoy ny tanànakely, tapaho ny etona fandrehitra sy ny jiron'ny olona rehetra, fa aza mangalatra ny sakafo ato an-tranoko kosa!

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.