- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Nosakanana Tao Emira Arabo Mitambatra Ve Ny Facebook?

Sokajy: Emirà Arabo Mitambatra, India, Iràna, Mediam-bahoaka, GV Mpisolovava

(Marihina fa tamin'ny 3 Oktobra 2007 no nanoratana ny lahatsoratra teny anglisy)

Blockpage: United Arab Emirates

Araka ny Download Squad [1], voasakana ao Emira Arabo Mitambatra [2] ny fidirana amin'ny habaky ny tambajotra sosialy malaza Facebook [3] .  Nanamafy   [4]ny mpisera aterineto sasany ao Emirà Arabo Mitambatra fa baiko avy amin'ny Etisalat [5] izay an'ny governemanta ny fandrarana. Niantso ny foiben'ny antso ao amin'ny Mpanome Tolotra Aterineto ny mpandrindra ny itihad.net [6](Emira Arabo Mitambatra)  ary nilaza izy ireo fa nosakanany ny Facebook [3].

Ny mpisera aterineto hafa, na izany aza, dia nitatitra ( ato [7][Ar], ato [8][En] ary ato [9][En]) fa afaka miditra ny tranonkala izy ireo ary tsy misy ny fanakanana.

Tamin'ny 5 Septambra 2007, nilaza tamin'ny Time Out Dubai [10] ny  Manampahefana Mpandrindra ny Fifandraisandavitra Emira Arabo Mitambatra (TRA) fa “Amin'izao fotoana izao dia afaka milaza izahay fa tsy manana fikasana ny hanakana ny fidirana amin'ny Facebook (…) Efa renay fa  mieritreritra ny olona fa hitranga izany kanefa tsy hisy izany. Na izany aza, horaisinay ny fitarainana ary hodinihana ny antony mahatonga ny toe-javatra hitranga. “

Toa hita fa voasakana ho an'ny olona vitsivitsy ihany ny Facebook, fa tsy ho an'ny rehetra. Na izany aza, nanomboka ny fanangonan-tsonia [11]  ny vondrom-piarahamonina Facebook Emira Arabo Mitambatra  mba tsy ho voasakana tanteraka. Efa nahazo sonia mihoatra ny 690 [12] ny fanangonan-tsonia . Araka ny Time Out Dubai [10],” manana mpisera maherin'ny 55.000 i Facebook ao amin'ny Emira Arabo Mitambatra ary mitombo isan'andro izany.”

Saika toy izany ihany koa no nitranga tany Iran tamin'ny volana lasa , rehefa nitatitra ny HAMSA’s “C.R.I.M.E” [13] fa voasakana ny Facebook , araka ny vaovao nomen'ny vondrona Facebook  “Manohitra ny fanampenam-bava an'aterineto sy ny fanivanana ao Iran”. Nanaraka ny raharaha tamin'ny alalan'ny fifandraisana tao Iran i Hamid Tehrani [14] , Toniandahatsoratra Global Voices amin'ny teny Persiana, ary nahazo tatitra mifanohitra amin'izany [15] sy sary avy amin'ny bilaogera  azo itokisana izy izay nanaporofo fa tsy ofisialy akory ny fandrarana fa natao eo amin'ny dingan'ny FAI ihany .

Azavain'ny tatitra tsy marina sasany ny fahasarotana rehefa miresaka ny  olana iadiana amin'ny sivana ao Iran. Araka ny nolazain'ny mpiara-manorina ny Global Voices Ethan Zuckerman [16] hoe: ” ny iray amin'ireo olana lehibe amin'ny fanangonana sy ny fikiakiahana ny sivan'ny Aterineto dia ny mety ho hisaritaka be ny mamantatra ny antony marina tsy ahafahana miditra amin'ny tranonkala iray manokana. Moa ve ilay olana avy amin'ny mpanome tolotra aterineto manokana? Sa mihitsoka ny lohamilina? Sa karazana fanakanana sasantsasany no mitranga?” Nitanisa ny setriny tamin'ny fandraràna ny Blogspot.com any India [17] i Zuckerman tamin'ny volana Jolay 2006, nandritra izany no nanaovan'ny bilaogera Indiana fanangonan-torohay sy nanaovan'izy ireo fanavaozam-baovao momba ny zava-nitranga [18], mba ho ohatra tsara hanaovana tatitra manohitra ny sivana .