Aretim-pon'I Pinochet: Ny Fanehoan-kevitr'ireo Bilaogera

(Marihina fa tamin'ny 8 desambra 2006 no nanoratana ny lahatsoratra teny anglisy)

Tamin'ny faran'ny herinandro, naiditra hopitaly noho ny aretim-po ilay mpanao didy jadona teo aloha  Augusto Pinochet  . Namoha ny fihetsem-pon'ny olom-pirenena Shiliana ny toe-draharaha mikasika ny tantarany.  Natao hizarana ny sasany tamin'ireo fanehoan-kevitra ity lahatsoratra ity:

Nanoratra i El Chere (ES) tao amin'ny irreverencia (ES) hoe:

¿Qué tienen en común el fin de las dictaduras españolas, brasileras, paraguayas, bulgaras, rumanas y paraguayas?. Los dictadores murieron, fueron tomados presos, exiliados o de alguna u otra forma se les saco de la realidad nacional, acá en Chile esto no pasó. Por lo mismo el proceso de transición a la democracia en Chile ha sido tan engorroso, largo, y lleno de rencores. De una u otra forma Pinochet ha marcado el devenir nacional de los últimos 17 años.”

Inona no itovizan'ny fitondrana jadona Espaniola, Breziliana, Paragoay, Boligara ary Romanianina? Samy maty , nampidirina am-ponja, natao sesitany, na toa nesorina tao amin'ny fiainan'ny firenena ny mpanao didy jadona ao aminy. Eto Shily, tsy izany no nitranga. Satria feno tsilo, lava sy feno lolom-po ny dingan'ny tetezamita mankany amin'ny demokrasia . Na izany na tsy izany, nanamarika ny hoavin'ny firenena nandritra ny 17 taona i Pinochet .

Namoaka lahatsoratra tao amin'ny bilaoginy izay nosoratany ho an'ny El Universal  (ES) i Patricio Navia  (ES), Shiliana mpahay siansa ara-politika. Nanondro ny tantaran'i Augusto Pinochet sy Fidel Castro izy:

Dos de los más importantes símbolos para la izquierda regional enfrentan paralelamente una difícil batalla con la muerte. Aunque ambos parecen aferrarse a la vida con la misma obstinación que se aferraron al poder, el fin está cerca.

Pero la muerte de estos dos líderes sólo consolidará el monumental lugar que ocupan en la historia de América Latina. Los libros recordarán con sus luces y sombras los gigantescos y polémicos legados de ambos. Para la izquierda, Fidel siempre fue un símbolo de la lucha antiimperialista y del ideal de igualdad y justicia social. Pinochet en cambio simboliza las atrocidades cometidas por las dictaduras militares en la región.

Miatrika ady mitovy sady sarotra ao anantin'ny fahafatesana ireo endrika famantarana roa lehibe ho an'ny elatra ankavia ao amin'ny faritra . Na dia samy toa namehy ny fiainana miaraka amin'ny di-doha aza [ireo mpitarika] roa ireo dia toy izany ihany koa izy ireo rehefa naka ny fitondrana, akaiky ny farany.
Na izany aza,  hanamafy orina fotsiny ihany ny toerana goavana ananany teo amin'ny tantaran'i Amerika Latina ny fahafatesan'ireto mpitarika roa ireto. Hotsarovana ao anaty boky  ny lovany goavana nampiady hevitra ao anatin'ny hazavana sy ny aloka. Ho an'ny elatra havanana, mariky ny ady manohitra ny imperialista i Fidel ary ny fitoviana sy ny rariny ara-tsosialy tonga lafatra. Pinochet, kosa, maneho ny habibiana izay nataon'ny miaramila mpanao didy jadona tao amin'ny faritra.

Manontany momba ny anton'ny fahanginan'ny elatra havia manoloana ny tsy fahasalaman'i Pinochet i BAD (ES) :

A pesar de todo el dolor que Pinochet ha causado en Chile, sus detractores, no parecen desearle la muerte, al contrario, le desean una muy larga vida. Algunos porque esperan que las dolencias de la edad se encarguen de su sufrimiento. Otros porque esperan tener la satisfacción de verlo juzgado y condenado.

Na dia teo aza ny fahoriana rehetra nosedrain'i Shily noho i Pinochet, toa hita fa tsy maniry ny fahafatesany ireo mpitsikera. Ny mifanohitra amin'izany, maniry azy ho ela velona izy ireo. Ny sasany kosa manantena fa ny aretin'ny fahanterana no hiantoka ny fijaliany; ny hafa kosa manantena ny hahita azy hotsaraina sy hohelohina.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.