Zavo-tsetroka Any Azia Atsimo Atsinanana

(Marihina fa tamin'ny 9 Oktobra 2006 no nanoratana ny lahatsoratra teny anglisy)

Namely an'i Singapaoro, faritr'i Malezia sy Indonezia ny zavo-tsetroka nateraky ny doro tanety tsy ara-dalàna tao an-toerana. Ireo tantsaha no nanomboka ny afo nandritra ny vanim-potoana maina mba hanadiovana ny tany hanaovana fambolena. Natevina kokoa ny zavo-tsetroka tamin'ity taona ity na dia  efa namoaka ny fampitandremana momba ny fahasalamana aza i Singapaoro.

Hazy Afternoon
Tolakandro manjavozavo ao Singapaoro

No haze Evening
Toy izany ihany koa ny zavo-tsetroka hita amin'ny tontolo andro

Nandrohy bilaogera any amin'ireo firenena manodidina izay nitaraina momba ny zavo-tsetroka i Enda Nasution. Nilaza ireo bilaogera fa mbola mangina manoloana ny olana ny fampitam-baovao Indoneziana.

Niampanga ny sasany fa mety ho tompon'andraikitra  amin'ny zavo-tsetroka ihany koa ny toeram-pambolena Maleziana izay manana orinasa any Indonezia, nanondro ny governemanta Indoneziana  noho ny fanaovana hatsirambina ny asany amin'ny fampiharana ny lalàna ny bilaogera KTemoc.

The fact is that in those areas responsible for the burning, there is little enforcement activities because of massive corruption by the regional authorities. Indonesia must be held accountable regardless of whether the parties directly involved in the burning are Malaysian owned plantations in Indonesia. The enforcement agencies are not Malaysian owned, and they have failed ‘due diligence’ in preventing local hazardous activities that cause health problems to neighbouring countries.

Raha ny marina, kely ny asa fampiharana ny làlana noho ny kolikoly goavana avy amin'ny manampahefana isam-paritra any amin'ireo faritra tompon'andraikitra isian'ny tavy. Tompon'andraikitra i Indonezia na toeram-pambolena Maleziana any Indonezia aza no nandray anjara mivantana tamin'ny doro tanety. Ny sampan-draharaha mpampihatra ny lalàna dia tsy an'ny Maleziana, ary tsy nahomby izy ireo ‘noho ny tsy fisian'ny fahavitrihana’ tamin'ny fisorohana ny asa mampidi-doza ao an-toerana izay mahatonga ny olana ara-pahasalamana ho an'ireo firenena manodidina .

Nanoritsoritra ny zavo-tsetroka  tao an-tanàndehibe Maleziana ilay bilaogera Anakmerdeka ao Malezia, ary nilaza fa mety hahatakatra  ny fomba hahazoana rivotra madio ny alika.

You can smell the haze in Seremban. The haze right at this moment in Seremban is really awful.You can actually smell it! It makes my throat feel scratchy. It also gets indoors through window openings.

My poor Buddyboy got nowhere to hide, he has resorted to parking himself between the back of his kennel and the hedge and lying low with his brown nose wedged underneath. Maybe he is smarter than most of us, the air at the lowest point is probably the freshest you can get right now.

Afaka manimbolo ny zavo-tsetroka ianao ao Seremban. Tena mahatsiravina ny setroka amin'izao fotoana izao ao Seremban. Fohinao mihitsy izany! Lasa mangidihidy ny tendako noho izany. Miditra ao an-trano ihany koa izany amin'ny alalan'ny varavarankely misokatra.

Tsy hitan'i Buddyboy keliko izay ho haleha mba hiafenana , lasa izy nankao anaty tranony ary nasitriny tao ambanin'ny lamba ny orony volontsôkôlà. Angamba maranitra kokoa noho ny ankamaroantsika rehetra izy, ny rivotra any amin'ny toerana ambany indrindra angamba no tena madio indrindra azonao  hiainana amin'izao fotoana izao.

Nahita vazivazy tamin'ny zavo-tsetroka ny bilaogera sasany tahaka an'i Asylum60. Namoaka lahatsoratra mitondra ny lohateny hoe ” Ny Tombontsoan'ny  Olan'ny Zavo-tsetroka 5 Voalohany  ” ilay bilaogera . Ny iray amin'ireo tombontsoa araka ilay bilaogera dia

Upside No. 5 – “Malaysian Haze – almost like late autumn in England”
… minus the cold, minus the cleaner air, and oh yeah, minus England. Hmm.. a pint of bitter and some chips would be nice right around now…

Tombontsoa laharana Faha 5 – “Zavo-tsetroka Maleziana – toy ny fiafaran'ny fararano any Angletera”
… miala ny hatsiaka, miala ny rivotra madio kokoa, ary oay! Eny, miala an'i Angletera. Hmm .. tena tsara izao ny labiera mangidingidy kely miaraka amin'ny ‘ovy voaendy efa maina’ amin'izany …

Mandritra izany fotoana izany, nijery ny olan'ny zavo-tsetroka ho famahanana bilaogy mampieritreritra i Howsy .

Bloggers, are your suffering from blogger's block? No ideas to blog about? Felt bored and frustrated with the haze? Well, worry not, coz it's time to dig up your old posts on the haze and post it again in your blog when it happens. I'm doing it right now.

Ry bilaogera, mijaly noho ny sakana ataon'ny bilaogera ve ianao? Tsy manan-kevitra hamahanana bilaogy ? Mahatsiaro leo sy kivy amin'ny zavo-tsetroka? Eny, aza manahy, satria tonga ny fotoana mba hamohazanao indray ny lahatsoratrao taloha momba ny zavo-tsetroka, ary avoahy indray izany ao amin'ny bilaoginao rehefa miseho. Manao izany aho amin'izao fotoana izao.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.