Egypta: Sary Famantarana Manokana Google Ho An'ny Andron'ny Zaza Kamboty

(Marihina fa tamin'ny 25 Martsa 2009 no nanoratana ny lahatsoratra teny anglisy)

Zaza kamboty Egyptiana mihoatra ny 160 no nandray anjara tamin'ny fifaninanana Google doodle (sary kisoratsoratra), izay sambany natao tao Egypta sy tany Afovoany Atsinanana. Hiseho eo amin'ny pejy fandraisana Google Egypta (google.com.eg) ny 3 Aprily, amin'ny Andron'ny Zaza Kamboty any Egypta, ny sary nandresy. Ny Zoma voalohany amin'ny volana Aprily no andro ankalazana izany isan-taona.

Tato anatin'ny taona maromaro, nampiseho fahalianana bebe kokoa ho an'i Afovoany Atsinanana i Google , nanomboka tamin'ny fanokafana ny biraony tany Afovoany Atsinanana, any Egypta izany tamin'ny taona 2006. Manampy izany ny famoahan'ny Google vao haingana ny bilaogy vaovao amin'ny teny Arabo.

Hoy i Teedoz raha nanambara ilay fifaninanana tao amin'ny bilaoginy [ar]:

تسعى جوجل دائما إلى إظهار إهتمامها بالعديد من الدول والاجتماعات عبر المساهمة في نشر الوعي بموضوع معين, واحد الاساليب التي تتبعها جوجل هو تغيير شعارها في الصفحة الرئيسية والذي تسميه الشركة Doodle , ومع إقتراب يوم الطفل اليتيم والذي سيوافق 3/أبريل فإن جوجل بدأت مسابقة لإعادة تصميم شعار موقع جوجل المصري حيث إشترك أكثر من 200 يتيم قاموا بإعادة تصميم شعار جوجل ليعكس ماتعنيه مصر وماذا يعني ان تكون مصريا.
Miezaka ny haneho fahalianany amin'ny firenena isankarazany i Google amin'ny alalan'ny fihaonana sy fanentanana mba hisarihana ny saina momba ny zava-mitranga ao an-toerana. Ny manova ny sary famantarana Google eo amin'ny pejy fandraisana no iray amin'ireo paikadiny, izay antsoin'ny orinasa hoe Doodle (sary kisoratsoratra). Koa satria manakaiky ny Andron'ny zaza kamboty, ny 20 Martsa, dia nanomboka fifaninanana vaovao i Google  izay ahitana ireo kamboty miisa roanjato mandray anjara amin'ny sary hatao sary famantarana Google vaovao ho an'i Egypta mba hanehoana ny maha Egypta azy sy ny dikany hoe Egyptianina.

Namoaka mailaka izay nalefan'ny “Ambasadaoron'ny mpianatra Google” ho azy ireo tany amin'ny Oniversiten'i Alexandria i Mohammadkotb sy Ahmed Hamdy, ao amin'ny Amr Ebaid  ny fampahafantarana bebe kokoa momba izany.

On 20th of March, Google organized the first ever Doodle for Google Competition in the Middle East. We invited over 160 orphans from different orphanages in Egypt at the GUC premises for a fun day. The kids drew AMAZING doodles that exceeded expectations. It was loads of fun, and most importantly, the kids enjoyed it!
Khaled AbulNaga, the Egyptian movie star, attended the event, and he was really touched by the children, and decided to sponsor one of them until he graduates from college!

Tamin'ny 20 Martsa, nikarakara ny voalohany tamin'ny “Sary kisoratsoratra hanaovana Fifaninanana Google” any Afovoany Atsinanana i Google. Nanasa zaza kamboty maherin'ny 160 izahay avy amin'ny trano fitaizana zaza kamboty  isankarazany ao Egypta tao amin'ny biraon'ny Google nandritra ny tontolo andro. Nanao ny sary kisoratsoratra MAHAVARIANA  ireo ankizy, izay nihoatra lavitra noho ny niheveranay azy. Tena nahafinaritra ny tontolo andro , ary ny nahita ireo ankizy nahazo fahafinaretana no tena zava-dehibe!
Nanatrika ny hetsika i Khaled AbulNaga, ny kintan'ny sarimihetsika Egyptiana, ary tena nanohina azy ireo ankizy, ka nanapa-kevitra izy ny hanohana ara-bola ny iray tamin'izy ireo mandra-pahatapitry ny taom-pianarana kolejy!

Nanoritsoritra ny Sary kisoratsoratra nankafiziny sy nofidiny antserasera i MohammadKotb raha naneho hevitra tao anatin'ity mailaka ity :

Apèrs avoir lu ce mail, j'ai été voir les Doodles et vraiment, j'ai trouvé les Doodles faits par les petits Egyptiens très jolis, ce sont des génies, et j'ai bien aimé deux Doodles. Le premier est très très simple, c'est le Doodle que j'ai mis au début de mon billet, il a été fait par un ado appelé  Gaber Seror , il a 15 ans, et c'est le Doodle pour lequel j'ai voté. Et le deuxième est celui-ci, il a été fait par un enfant de 11 ans, Ahmad Taha, et ce que j'ai le plus aimé dans ce Doodle est  “Edret el fool” parce que j'aime tellement les haricots blancs !

Rehefa avy namaky ny mailaka aho, dia nandeha nijery ireo Sary kisoratsoratra ary tena nahita sary kisoratsoratra tsara tarehy nataon'ny ankizy kely Egyptiana, tena mahay izy ireo, ary tena tiako ny Sary kisoratsoratra miisa roa. Tena tsotra ny voalohany , ary nataoko teo am-piandohan'ny lahatsorako, ilay tanora antsoina hoe Gaber Seror 15 taona no nanao azy, ary izay no Sary kisoratsoratra nosafidiako. Ary ny faharoa kosa dia ity: zaza 11 taona Ahmad Taha no nanao azy, ary ny zavatra tena tiako indrindra tao amin'ity Sary kisoratsoratra ity dia ny “Edret el fool”, satria tiako loatra ny tsaramaso fotsy!

Google doodle by Ahmed Taha, 11 years old.

Ny “Google Sary kisoratsoratra” iray nataon'i Ahmed Taha, 11 taona

Nandrisika ireo mpisera aterineto mba hifidy ny Sary kisoratsoratra izay ho voafidy [ho an'i Egypta] i Noblese , mba handrisihana ireo tanora Egyptiana manan-talenta:

Maintenant, nous voulons que le monde entier sache combien les enfants égyptiens sont doués…nous voulons partager ce lien avec tout le monde, et demander à tous de voter pour le Google Doodle gagnant. Le vote est ouvert jusqu'à la fin du mois de mars, alors, VOTEZ maintenant et faites passer à vos amis.

VOTEZ MAINTENANT : http://www.google.com.eg/myegypt – Version en anglais

S'IL VOUS PLAIT FAITES SUIVRE et PARLEZ-EN A VOS AMIS…Prouvez aux gamins que leurs dessins plaisent.

Ary amin'izao fotoana izao, tianay hahafantatra izao tontolo izao fa tena manan-talenta ny ankizy Egyptiana … tianay ny hizara ity rohy ity amin'ny olon-drehetra, ary mangataka ny rehetra mba hifidy izay ho mpandresy Sary kisoratsoratra Google. Misokatra  mandra-pahatapitry ny volana Martsa ny fifidianana, ka noho izany, FIDIO ankehitriny ary ilazao ihany koa ny namanao.

FIDIO ETO: http://www.google.com.eg/myegypt 

MIANGAVY ANAO MBA HILAZA IZANY AMIN'NY NAMANAO … Porofoy amin'ireo ankizy fa tsara ny sarin'izy ireo.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.