Tanora Kyrgyz Kintan'ny Hira Nandà Ny Fanendrena Azy Hitantana Mozea Taorian'ny Fanoherana Mivaivay Antserasera

Mozea Nasionalin'ny Tantara sy Arkeolojika Sulayman. Sary avy amin'i Dave Proffer. Wikipedia (Creative Commons Attribution 2.0 Generic)

Notendrena ho talen'ny mozea malaza ao Kyrgyzstan i Samara Karimova ilay kintan'ny mozika enina amby roapolo taona, kanefa voatery nandà ny toerana izy taorian'ny tsikera antserasera momba ny voalaza fa tsy fananany fahaizana sy traikefa amin'ilay asa.

Tamin'ny 28 Jolay 2017, nanendry an-Rtoa Karimova ho talen'ny mozea Sulaiman Too ny Minisiteran'ny Kolontsaina Kyrgyzstan, io mozea io dia Tranobe miorina eny an-Tendrombohitra Masina ary ao anatin'ny lisitry ny UNESCO ho vakoka ara-kolontsain'izao tontolo izao. Any amin'ny tanàndehibe atsimo ao Osh no misy ny mozea izay nisiana ra mandriaka noho ny herisetra ara-poko fito taona lasa izay.

Taorian'ny fanambarana ny fanendrena, maro ireo mpiseran'ny media sosialy no nanamarika avy hatrany ny tsy fananan'ilay mpihira traikefa sy fampianarana fototra. Ny sasany ihany koa dia nampatsiahy ny resaka ady tombontsoa satria ny vadin-Rtoa Karimova dia manampahefana ambony ao amin'ny Minisiteran'ny Kolotsaina.

Ireto ambany ireto ny fanehoan-kevitra tao amin'ny Facebook izay mitanisa ny antony tsy maha-mendrika an-Rtoa Karimova ho lasa talen'ny mozea;

И как говорил великий Ленин “каждая кухарка может управлять государством”!!! Её назначение – это тоже самое, что лечить людей поставили талантливого повара, а собирать ракеты – артиста т.к он “талантлив”… Никто не спорит, что она талантливая, но ведь петь на сцене одно, а управлять музеем в одном из сакральных мест это не песенки петь!!!???

Araka ny nolazain'i  Lenin ilay Andrarezina hoe “afaka mitondra ny governemanta avokoa ny kukharka (Rosiana: vehivavy mpahandro sakafo, ao an-trano) rehetra “. Mitovy amin'ny mpahandro sakafo manan-talenta ho {dokotera ary} hitsabo olona ny fanendrena azy, ​​ary mamela azy hanao balafomanga, satria “manan-talenta” izy. Tsy misy olona miady hevitra amin'ny maha- {mpihira} manan-talenta azy, kanefa samihafa ny mihira an-tsehatra sy ny fitantanana mozea ao amin'ny toerana masina.

“В музее должен работать настоящий специалист историк этнограф или научный работник нужно проводить научно исследовательские открытия”

Ny tena manam-pahaizana manokana momba ny tantara sy ny kolontsaina na akademisiana no tokony hiasa ao amin'ny mozea, satria mitaky fanaovana fikarohana izany.

“И всё таки министр поступил как заинтересованное лицо, мог назначить не супругу представителя министерства по Югу или в противном случае должен снять с должности мужа чтобы не было конфликт интересов”.

Niseho ho toy ny antoko mpanohana ny Minisitry ny Kolontsaina. Afaka manendry izy fa tsy ny vadin'ny tompon'andraikitra ofisialy avy any atsimo {Any amin'ny faritra atsimon'ny firenena no misy ny mozea) no tokony ho tendreny, na mandroaka ilay vadiny mba hisorohana ny ady tombontsoa .

Namaly ny tsikera antserasera avy hatrany i Samara Karimova tamin'ny alalan'ny fandavana ilay toerana. Nandritra ny antsafa fohy niarahana tamin'ny vohikalam-baovao “Sputnik Kyrgyzstan”, hoy izy:

“Я вчера читала, что писали об этом в соцсетях. Многие говорили, что я слишком молода для такой работы, поэтому я решила не занимать эту должность. Наше общество, видимо, не готово к молодым управленцам, хотя у меня было очень много планов развития музея”

Novakiako omaly izay nosoratan'ny olona momba izany tao amin'ny media sosialy. Maro no milaza fa tanora loatra aho amin'ity asa ity, ka noho izany dia nanapa-kevitra ny tsy hanao izany aho. Toa hita fa tsy vonona hanana tanora mpitantana ny fiarahamonintsika, na dia efa nanana drafitra maro aza aho ho fampiroboroboana ny mozea.

?

A post shared by ?Самара Каримова? (@samarakarimova_official) on

Maro ireo Kyrgyz mpiseran'ny media sosialy no namaly fa ny momba ny havan'ny manampahefana mahazo toerana ambony ao amin'ny governemanta no olana lalina:

“Кыргызстанское общество устало от токолок и детей чинух, которые садятся на руководящие должности”.

Leo fahitana tokols (vadin'ny) manampahefana sy ny zanany mahazo ny toeram-pitantanana ny fiarahamonina Kyrgyz.

Tsy zava-baovao ny fanendrena toerana ambony ao amin'ny governemanta ho an'ny tanora mpikambana ao amin'ny fianakavian'ny sangany ao an-toerana ao amin'ny repoblika Azia Afovoany. Indrindra ao Kyrgyzstan, voampanga ho nanao kiantranoantrano ny filoha roa izay voaongana teo amin'ny fitondrana .

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.